Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Raha mba Fantatry ny Tanora Mantsy Izany!”

“Raha mba Fantatry ny Tanora Mantsy Izany!”

“Raha mba Fantatry ny Tanora Mantsy Izany!”

IZAY hahazoana vola no tanjon’ny tanora maro, rehefa vita ny fianarany any amin’ny lise. Tsy izany kosa anefa ny an’i David, nipetraka tany Illinois, Etazonia. Nifindra nankany amin’ny Repoblika Dominikanina izy sy ny namany iray, tamin’ny Septambra 2003. * Davey no fiantsoan’ny namany sy ny fianakaviany an’i David. Nanapa-kevitra ny hianatra teny espaniola izy, ary hiara-mampianatra Baiboly amin’ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Navas. Nandray azy tsara ilay fiangonana. Hoy i Juan, hany anti-panahin’io fiangonana io: “Nanao izay rehetra nampanaovina azy i Davey. Tsy nitsitsy aina izy mba hanampiana olona, ka tian’ireo rahalahy.”

Tian’i Davey io faritaniny vaovao io. Izao no nosoratany tamin’ny namany iray any Etazonia: “Tiako be ny fiainako atỳ. Tena mahafinaritra ny fanompoana! Efa ho 20 minitra izahay no miresaka isam-baravarana, satria te hihaino foana ny olona. Enina izao ny olona ampianariko Baiboly. Mbola mila fanampiana anefa izahay. Nisy 103 ny nanatrika ny fivorianay, indray mandeha, nefa 30 ny mpitory!”

Mampalahelo anefa fa nodimandry noho ny lozam-piarakodia i Davey sy ny tovolahy iray avy amin’io fiangonana io, tamin’ny 24 Aprily 2004. Tena nafana fo tamin’ilay asa nataony izy mandra-pahafatiny, ary nampirisika ny tanora hafa tany Etazonia mba ho avy hanampy azy. Hoy izy tamin’ny Vavolombelona tanora iray: “Hanova ny toe-tsainao io asa io.”

Niova koa ny fahitan’i Davey ny vola. Hoy ny rainy: “Tamin’izy nitsidika anay, dia nisy olona nanasa azy hitsangantsangana sy hikorisa ambony lanezy, niaraka tamin’izy ireo. Nanontaniany ny vola nilaina tamin’izany. Rehefa nolazaina taminy ilay izy, dia niteny izy fa tsy handany vola amin’izany mihitsy. Ampy azy mandritra ny volana maromaro any amin’ny Repoblika Dominikanina mantsy izany vola izany.”

Nisy vokany tamin’olon-kafa ny zotom-pon’i Davey. Hoy ny tanora iray avy any Etazonia: “Hitako fa hahavita toa an’i Davey koa aho, rehefa reko ny zava-drehetra nataony sy ny fifaliany. Rehefa maty izy, dia nanontany tena aho hoe inona no holazain’ny olona momba ahy raha maty koa aho, sy hoe mba hisy vokany tsara eo amin’izy ireo ve ny nataoko.”

Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-drenin’i Davey sy ny mpiray tam-po aminy. Matoky tanteraka àry izy ireo fa hatsangan’Andriamanitra amin’ny maty izy, ao amin’ny tontolo vaovao ho avy hanjakan’ny fahamarinana. (Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:1-4) Mandra-pahatongan’izany, dia mampionona azy ireo ny mahafantatra fa nampiasa ny fiainany tamin’ny fomba tsara indrindra i Davey, satria nanompo ny Mpamorona azy. (Mpitoriteny 12:1) Hoy izy indray mandeha, rehefa niresaka momba ny fanapahan-keviny nifindra tany amin’izay ilana mpitory bebe kokoa: “Tiako raha mba manao toa ahy koa ny tanora rehetra. Ho afa-po toa ahy izy ireo amin’izay. Tsy misy zavatra tsara kokoa noho ny manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Raha mba fantatry ny tanora mantsy izany!”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Toa an’i David, dia Vavolombelon’i Jehovah maro no nanolo-tena hifindra tany amin’ny toerana ilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa. Misy mihitsy aza mianatra teny vahiny, mba hampianarana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Misy 400 mahery no nankany amin’ny Repoblika Dominikanina.