Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ataovy Izay Hitiavan’ny Zanakao Mamaky Teny

“Voamarika fa lasa tia mamaky teny ny ankizy, rehefa tia mamaky teny ny ray aman-dreniny”, hoy i Beatriz Ortuño, manam-pahaizana momba ny fiteny sy firafitry ny atidoha, tao amin’ny gazety meksikanina Reforma. Afaka miana-javatra be dia be ny ankizy, ka tokony hampirisihina ho tia mamaky boky, na dia alohan’ny hahaizany tsara ireo zanatsoratra aza. Azo atao, ohatra, ny mamaky tantara aminy, mba hanampiana azy hahay haka sary an-tsaina. Manoro hevitra toy izao ilay gazety, mba hitiavan’ny ankizy mamaky teny: ‘Miaraha mipetraka aminy. Avelao izy hamadika ny pejy, hametraka fanontaniana, ary hampiato ilay fitantarana raha izay no tiany. Asaivo resahiny aminao ireo zavatra sy olona ao amin’ilay tantara. Valio ny fanontaniany rehetra, ary ampifandraiso amin’ny zavatra iainany ilay tantara.’

Ny Elefanta sy ny Sakay

Efa ela ny elefanta any amin’ny valan-javaboary any Afrika, no niteraka olana lehibe teo amin’ny tantsaha sy ny mpiaro ny loharanon-karena voajanahary. Tsy nahasakana ireo elefanta tsy hivoaka an’ilay faritra, ny fefy, afo, ary ny feon’amponga mafy. Manimba voly izy ireo matetika rehefa mivezivezy, ary indraindray manitsaka ka mahafaty olona mihitsy. Nisy zavatra azo nanakanana azy ireo ihany anefa tamin’ny farany, dia ny sakay. Milaza ny gazety The Witness atsy Afrika Atsimo, fa tsy nihoatra an’ilay faritra intsony ireo elefanta, rehefa nambolena sakay teny amin’ny sisin’ilay valan-javaboary, satria “tsy tiany maizina ny fofon’ilay zavamaniry.” Maivamaivana izao ny mpiambina ilay toerana, satria tsy voatery “mandroaka ireo andian’elefanta ho ao amin’ilay valan-javaboary”, ary nihena koa ireo voly simba. Tena mampidi-bola koa ilay sakay.

Manaitra Amin’ny Torimaso ny Hafatra An-tsoratra

“Manaitra ny zatovo amin’ny torimasony ny hafatra an-tsoratra”, hoy ny Apotheken Umschau, gazetikely alemà momba ny fahasalamana. Nisy tanora 13 ka hatramin’ny 16 taona, niisa 2 500, nadinadinina tany amin’ny Oniversiten’i Leuven, Belzika. Nanontaniana izy ireo hoe impiry no nanaitra azy tamin’ny torimasony ny hafatra an-tsoratra amin’ny telefaonina entin-tanana, ary nandreraka azy ireo ve izany. Taitra noho ny hafatra an-telefaonina ny 10 isan-jaton’izy ireo, indray mandeha isan-kerinandro, fara fahakeliny. Tapa-tory isan’alina kosa ny 3 isan-jato. Milaza ny iray amin’ireo mpikaroka, fa “mety hisy voka-dratsiny eo amin’ny torimason’ny zatovo maro ny telefaonina entin-tanana.” Manoro hevitra toy izao ilay gazetikely: “Tokony ho azon’ny ray aman-dreny antoka fa nanapika ny telefaoniny ny zanany, amin’ny alina.”

Trondro Mahay Manohitra ny Fikorianan’ny Rano

Araka ny fandinihana iray navoakan’ny gazety Science, dia manararaotra ny herin’ny rano mitambolimbolina eo amin’ny zavatra tsy mihetsika ny truite sy ny karazan-trondro hafa, mba hitsitsiana hery. Hain’ny truite ny mampifanaraka ny fihetsiky ny vatany amin’ny fitambolimbolin’ilay rano, ka tsy voatery mampiasa hozatra lehibe izy, hoy ny New Scientist. Anisan’ny nanao ilay fandinihana i George Lauder, manam-pahaizana momba ny fiasan’ny hozatra, ao amin’ny Oniversiten’i Harvard. Hoy izy: “Tsy lany hery be izy ireo rehefa mampiasa io fomba io, mba hamakivakiana faritra misy rano mitambolimbolina.” Nilaza ny New Scientist, fa raha ny marina dia “ataony mitovitovy bika amin’ny lain-tsambo manararaotra ny rivotra mba handrosoana, ny vatany.”

Tsy Enta-mavesatra ny Zokiolona

“Misy asa mahasoa ataon’ny zokiolona maimaim-poana. Ilaina ny manisy fiheverana an’izany, fa tsy hifantoka fotsiny amin’ny vola lany amin’ny fikarakarana azy ireo. Manampy mantsy izany sady mitsitsy vola”, araka ny fanadihadiana nataon’ny Fikambanana Mpandinika ny Fianakaviana, any Aostralia. “Vola be no ho lany, raha olona karamaina no asaina manao ny ankamaroan’ny asa ataon’ny zokiolona maimaim-poana.” Asehon’ilay fanadihadiana, fa “misy Aostralianina 65 taona mahery, mikarakara sy miasa maimaim-poana ho an’ny fianakaviany, hany ka mitsitsy efa ho 27 000 tapitrisa dolara isan-taona [ny fiaraha-monina.]” Ireto no asa azon’izy ireo atao: mikarakara ankizy na olon-dehibe marary, ary manao raharaha ao an-trano. Nohamafisin’ireo mpanao fanadihadiana, fa ‘mampirindra tsara ny fiaraha-monina’ ny asa atao maimaim-poana toy ireny. Mbola sarobidy noho ny vola voatsitsy anefa ny asa ataon’izy ireo.

Boky Vita Pirinty Tranainy Indrindra

Milaza ny Vaovaon’ny BBC fa ao amin’ny Tranomboky Britanika izao, ilay boky vita pirinty heverina fa tranainy indrindra eran-tany. Hita tamin’ny 1907, tany amin’ny lava-bato iray tany Dunhuang, Chine, ny soratra bodista antsoina hoe Diamond Sutra, ary ny taona 868 no nisoratra teo amin’ilay izy. Nolazaina koa fa “horonan-taratasy miloko volon-davenona izy io, misy soratra amin’ny teny sinoa vita pirinty, ary mihorona amin’ny hazo boribory lavalava.” Noheverina fa “tao amin’ny tranomboky iray anaty lava-bato, tamin’ny taona 1000” no nisy azy io sy ireo zavatra hafa hita niaraka taminy. Efa nisy io boky io, an-jatony taona talohan’ny nisian’ny milina fanontam-pirinty nampiasana lohavỳ, tany Eoropa. Nilaza anefa ny BBC fa “efa nisy mpanamboatra taratasy sy mpanao pirinty tany Chine, tamin’izany fotoana izany.”

Hafainganan’ny Fihetsika sy Tabataba

“Arakaraka ny maha mafy ny tabataba no mampiadana ny hafainganan’ny fihetsika”, hoy ny The Toronto Star. Izany no vokatry ny fanadihadiana nataon’i Duane Button, mpikaroka tany amin’ny oniversite iray any Terre-Neuve, Kanada. Nisy olona nasainy nanao asa ara-batana sy ara-tsaina, tao anatin’ny tabataba tsy nitovy hamafy. Hitany fa nihena 5 isan-jato ny hafainganan’ny fihetsiky ny olona, tao amin’ny birao nisy tabataba 53 desibela. Nihena 10 isan-jato kosa ny an’ireo tao amin’ny orinasa nisy tabataba 95 desibela. Na ampahan-tsegondra fotsiny aza no elanelan’ny hafainganan’ny fihetsiky ny olona, dia milaza ilay tatitra fa “manova zavatra be izany rehefa mitondra fiara.” Milaza i Button, fa mety hahatonga lozam-piarakodia na tsia, na dia 0,035 segondra fotsiny aza io elanelana io.

Amidy ny Fiangonana

Nilaza ny Arsidiosezy Katolika any Boston, Etazonia, fa hakatona ny 65 amin’ireo paroasy 357, izany hoe efa ho ny ampahadiminy. Hamidy ny fiangonana 60, sy trano 120 hafa mifandray aminy. Milaza ny gazety The New York Times, fa anisan’ny mahatonga izany “ny fihenan’ny mpivavaka sy ny fitomboan’ny fahasahiranana ara-bola. Vao mainka nanaratsy an’ilay toe-javatra, ny fametavetana nataon’ireo mpitondra fivavahana.” Noresahin’ilay gazety koa ny tenin’i R. Appleby, mpitantana ny Foibe Cushwa Mikaroka Momba ny Fivavahana Katolika Amerikanina, ao amin’ny Oniversite Notre Dame. Hoy izy: “Nampihena ny fidiram-bolan’ny arsidiosezy ny fahafaham-baraka”, ka “tsy tafavoaka intsony ireo paroasy.”