Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voasoratra fa Hahita Azy Aho

Voasoratra fa Hahita Azy Aho

Voasoratra fa Hahita Azy Aho

Notantarain’i Rosalía Phillips

“Tena ho tafita ianao satria manan-talenta!” Nilaza izany tamiko ny filohan’ny tarika nisy ahy, taloha kelin’ny nisokafan’ny ridao. Nipetraka nanoloana ny piano izy tamin’izay. Niarahaba ahy koa ny mpikambana efatra tao amin’ilay tarika. Mpihira vaovao tao aho, ary nanao akanjo mena mamirapiratra. Nitaintaina be aho. Tao amin’ny iray amin’ireo trano filanonana lehibe indrindra eto Mexico mantsy aho, no niaka-tsehatra voalohany! Martsa 1976 tamin’izay, ary iray volana sisa dia ho feno 18 taona aho.

MATY telo taona talohan’izay i Dada, nefa mbola mahatsiaro azy foana aho. Nahatadidy azy tsara koa ny olona. Tian’ny olona izy ary anisan’ny mpanao hatsikana nalaza indrindra teto. Nilalao filma nihoatra ny 120 izy, nandritra ny fotoana nampahalaza ny sinema meksikanina. Narantiranty nanoloana ireo trano filanonana nanerana an’i Amerika Atsimo sy Afovoany, ary tany amin’ny faritra miteny espaniola any Etazonia sy Eoropa, ny anarany hoe Germán Valdés na “Tin-Tán.” Mbola mandeha matetika amin’ny tele izao ny filma nolalaoviny, na dia efa 30 taona mahery aza no nahafatesany.

Betsaka ny olo-malaza tonga matetika tao aminay, hatramin’izaho mbola kely. Niara-nihira i Neny sy ny rahavaviny roa, ary Las Hermanitas Julián (Ry Julián Mirahavavy) no anaran’ny tarik’izy ireo. Mpihira tamin’ny tantara an-tsehatra koa i Julio Julián, anadahin’i Neny. Mpanao feo fahatelo izy, ary mpanao feo voalohany kosa ny vadiny, dia ilay Espaniola Conchita Domínguez. Mpanao hatsikana nalaza tao amin’ny tele koa ny rahalahin’i Dada, dia i Manuel Valdés na “Loco” (ilay misary adala), sy Ramón Valdés nantsoina hoe Don Ramón.

Nahazatra anay sy Carlos anadahiko ny toerana famokarana filma sy fanaovana fampisehoana ary fandraisam-peo. Nentin’i Dada niaraka taminy matetika mantsy ny fianakaviany, rehefa niasa sy nitety ireny toerana ireny izy, hany ka nifandray akaiky foana izahay. Niray hina sy nanjakan’ny tena fitiavana ny fiainanay tao an-trano. Nifanohitra be tamin’izany kosa ny teo anivon’ny tontolon’ny fialam-boly! Tadidiko fa be fitiavana sy nankafy fiainana ary navitrika ny dadanay. Nalala-tanana be koa izy, ary tafahoatra mihitsy aza izany indraindray. Nampianariny aho fa ny manome no mahasambatra fa tsy ny manana.

Fiovana nampalahelo

Nilazan’i Neny izahay mianadahy, tamin’ny faramparan’ny 1971, fa nanana aretina tsy azo sitranina i Dada. Nahita azy nijaly sy niaritra ny mafy aho, nandritra ny herintaona sy tapany, noho ny fitsaboana nahery vaika natao taminy.

Mbola tsaroako ilay andro nahitako ny fiara mpitondra marary, naka azy tao an-trano ho any amin’ny hopitaly. Fantatro tamin’izay fa tsy hiverina intsony izy. Nitaintaina be aho. Nieritreritra aho fa tokony hijaly tahaka azy koa. Nodorako tamin’ny sigara àry ny felatanako, ary nitomany tsy laitra nampanginina aho. Maty tamin’ny 29 Jona 1973 i Dada. Nanjary nanontany tena aho hoe: ‘Nahoana no voatery nandao anay i Dada, nefa tena tsara fanahy sy nahay nampifaly olona izy? Aiza izy izao? Henony ve raha miresaka aminy aho? Mba hisy dikany ve ny fiainako tsy misy azy?’

Asa tsy nisy tanjona

Nianatra nandravaka trano aho, rehefa tony kokoa. Nikomy anefa aho indraindray, ka niala tsy nianatra. Nanapa-kevitra izahay sy Neny fa hifanerasera bebe kokoa tamin’ny olona. Nanatrika fanasana nalamin’ny mpanakanto àry izahay. Nilaza toy izao ny tompom-panasana matetika, rehefa nifarana ilay fety: “Mba anaovy hira iray izahay, ry Rosalía a!” Tian’izy ireo ny feoko sy ny fihetseham-po nampitaiko, ka nolazainy fa nandova ny talentan-dray aman-dreniko aho.

Nandre ahy nihira ny mpamoron-kira sady filohan’ny tarika Arturo Castro sy ny Castro 76, nandritra ny fety iray, ka nanasa ahy hiditra tao amin’ilay tarika. Tsy nazoto aho tamin’ny voalohany. Tsy te ho lasa mpanakanto matihanina mantsy aho, na dia tia mozika sy nitendry gitara ary efa namoron-kira nanomboka tamin’izaho 14 taona aza. Nanaiky ihany anefa aho tamin’ny farany, rehefa nampirisihin’i Neny. Ho afaka hanampy ara-bola ny fianakaviako koa aho amin’izay. Izany no nahatonga ahy hiaka-tsehatra voalohany, araka ny voatantara tetsy aloha.

Tsy niovaova asa aho tamin’ny voalohany. Nitety an’i Meksika ilay tarika nisy anay, ary nanao fampisehoana roa isan’alina. Nandeha tany Goatemalà, Venezoelà, New York ary Las Vegas izahay. Roa taona aho no tao amin’ilay tarika. Nisy nanasa ahy hilalao filma avy eo. Mpilalao tsotra aho tao amin’ny filma anankiroa. Mpilalao fototra kosa aho tao amin’ny iray hafa, ary nahazo loka lehibe roa.

Naharay antso an-telefaonina, avy tamin’ny televiziona nalaza indrindra teto Meksika aho indray andro. Nangataka ny hanao fifanarahana manokana tamiko izy ireo. Niriny ho iray amin’ireo mpilalao malaza tao amin’izy ireo ihany aho, ka ho mpilalao fototra tao amin’ny tantara mitohy iray hampitondraina ny anarako. Nety ho lasa nalaza be aho, ary afaka ny ho tsara karama koa, na dia tsy miasa isan’andro aza. Nahatsapa aho fa tsy mendrika izany rehetra izany, sady natahotra ny ho voafehifehy, ka nolaviko ilay fifanarahana. Tsy nanaiky hilalao an’ilay tantara mitohy aho, raha tsy navela hanohy fianarana teatra tany amin’ny oniversite. Tsy sambatra anefa aho. Sahiran-tsaina kosa aho rehefa nahita ny olona niezaka an-taonany maro, mba ho tonga mpilalao fototra, nefa izaho nasaina nanao izany, satria fotsiny hoe zanak’i Tin-Tán.

Namorona ny tonony sy ny feon’ny hira hampiarahina amin’ilay tantara mitohy aho, ary nanomboka noraisim-peo izy io. Noraisim-peo tao amin’ny toerana malaza tao Londres aho tatỳ aoriana. Nihabetsaka ny filma sy tantara mitohy nolalaoviko. Niresaka momba ahy ny gazety, teo amin’ireo pejy voalohany natokana ho an’ny fialam-boly. Mety ho nisy nihevitra àry fa tena tafita aho. Nisy zavatra tsy ampy anefa tamin’ny fiainako. Hitako fa nieboebo sy tia nifaninana ireo mpilalao, sady tena ratsy fitondran-tena sy nihatsaravelatsihy. Lasa tsy natoky olona àry aho.

Nihaona tany amin’ny fivoriam-pianakaviana izahay sy Dadafara Julio, tamin’ny faramparan’ny 1980. Tsy nihira an-tsehatra intsony izy, ary niresaka momba ny paradisa nampanantenain’Andriamanitra. Nilaza izy fa ho foana ny tsy rariny sy ny alahelo eto an-tany, ary hanjaka ny fitiavana. Nolazainy koa fa i Jehovah no anaran’Andriamanitra. Ny tena nanintona ahy anefa dia ny hoe mbola hatsangana amin’ny maty ao amin’ny Paradisa ny havantsika. Faly aho fa mety hahita an’i Dada indray. Nalahelo azy foana mantsy aho, ary niriko erỳ raha mba teo izy hanampy sy ho tia ahy. Tena hahafinaritra ny hahita azy indray! Toa tsy nampino ahy anefa ilay izy. Nomen’i Dadafara Julio Baiboly aho, ary nilaza izy fa hisy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa afaka herinandro vitsivitsy. Nanasa anay sy Neny hanatrika izany izy, ary nilaza izahay fa mety handeha.

Tapa-kevitra ny hiova aho

Namaky ilay Baiboly nomen’i Dadafara aho indray alina. Teo am-pandriana aho tamin’izay ary nifoka sigara. Rehefa avy namaky ny bokin’ny Ohabolana aho dia nanatsoaka hevitra, fa Andriamanitra no manome hazavana sy fahalalana ary fiainana. Avy amin’ny fahavalony kosa ny haizina sy ny hevi-diso ary ny fahafatesana. Novonoiko ilay sigara farany nofohiko, ary niandry an’i Neny aho. Nitomany aho sady niangavy azy hanohana ahy amin’ny fanapahan-kevitra lehibe sasany horaisiko. Nilalao tao amin’ny tantara an-tsehatra Le roi Lear aho tamin’izany. Nosoratan’i Shakespeare izy io ary Cordelia no nolalaoviko. Nankany amin’ny toerana famerenana azy io aho, ary niala tsy hilalao intsony. Nisaraka tamin’ilay ankizilahy, anisan’ny mpilalao fototra, niaraka tamiko koa aho.

Mbola tsy nanompo an’Andriamanitra anefa aho, ka tsy nisy nianteherako. Kivy tanteraka aho. Nangataka tamin’Andriamanitra aho mba ho ny toetrako no hitiavan’ny olona ahy, fa tsy noho izaho malaza na hoe manan-talenta. Najanoko daholo ny zavatra fanaoko, ary tsy niaraka tamin’ireo namako intsony aho.

Ny lalan’ny tena fahombiazana

Tsaroako ilay fanasan’i Dadafara anay hanatrika fivoriambe, raha mbola nikorontana iny ny saiko. Nantsoiko izy ka tonga naka ahy, ho any amin’ny kianja hanaovana an’ilay izy. Nanohina ny foko izay hitako tany. Nilamina tsara ny olona, tsy niteny ratsy na nifoka sigara, ary tsy nirehareha. Nampahatsiahy ahy izay novakiko tao amin’ilay bokikely hoe Tenin’Andriamanitra Tokoa ve ny Baiboly? *, ny fanazavana ara-baiboly reko tany. Hitako tao an-tranonay io bokikely io taoriana kelin’ny nahafatesan’i Dada.

Nisy nangataka ahy ho mpilalao fototra tao amin’ny tantara mitohy hafa iray, tamin’izay fotoana izay. Tiako ilay anjara, sady toa nifanaraka tamin’ny fitsipik’Andriamanitra nianarako tany amin’ilay fivoriambe. Nanaiky hanao ilay izy àry aho. Tsy afaka tao an-tsaiko anefa ity andinin-teny ity: ‘Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?’—2 Korintianina 6:14.

Te hampifaly an’Andriamanitra aho, ka naniry hiara-mivory tamin’i Dadafara sy Nenifara tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Adiny iray avy teo an-tranonay no nisy an’ilay efitrano, nefa nankany aho alahady intelo nisesy. Nanapa-kevitra àry i Dadafara fa hitondra ahy tany amin’ny efitrano teny akaikinay. Tapitra ny fivoriana vao tonga izahay, ary tany no nahitako an’i Isabel, tovovavy nitovy taona tamiko. Tsara fanahy sy tsy mieboebo izy. Tsy taitra akory izy, rehefa nilaza i Dadafara fa Rosalía Valdés no anarako. Tena nahafaly ahy izany. Nilaza izy fa hampianatra Baiboly ahy any an-tranoko.

Ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay * no nianaranay tamin’ny voalohany. Vonona hanaraka ny fandaharam-potoanako i Isabel. Voatery niandry ela be izy indraindray, satria alina be vao vita ny filalaovana ilay tantara mitohy. Velom-pankasitrahana tokoa aho nahita olona tia ahy, satria fotsiny hoe te hianatra ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly aho! Olona tsotra, azo atokisana, ary mahalala fomba sy mahafanta-javatra izy. Nihevitra anefa aho fa ny olona nianatra zavakanto sy filozofia ihany no nanana ireo toetra ireo. Nianatra nandritra ny ora maro izahay ary imbetsaka isan-kerinandro indraindray.

Sarotra tamiko tamin’ny voalohany ny nanitsy ny hevi-diso nananako. Nisolo tsikelikely azy ireny anefa ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly. Tsaroako fa nampahery ahy ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10, 11) Vao mainka aho nino fa tena hahita an’i Dada indray ao amin’ny Paradisa. Noeritreretiko foana ilay tenin’i Jesosy hoe: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana.”—Jaona 5:28, 29.

Raha vao vita ilay tantara mitohy, dia efa nisy nanolotra asa hafa indray. Nety ho vao mainka hampahalaza ahy izany. Raha nandray anjara tamin’izany anefa aho, dia nidika fa nilefitra tamin’ny fitondran-tena maloto sy ny fanompoan-tsampy, ary hevi-diso hafa koa. Nianarako fa tena misy i Satana, ary tsy tiany hanompo an’i Jehovah isika. Nolaviko àry ilay asa, ary nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra aho. Mazava ho azy fa tsy azon’i Neny sy ny anadahiko hoe nahoana no nolaviko ny asa sy ny vola be toy izany. Hitan’izy ireo koa anefa fa niova aho. Nalahelo sy kivy aho taloha, nefa lasa falifaly sy navitrika. Nisy heviny amin’izay ny fiainako!

Tiako horesahina tamin’ny hafa ny zavatra nianarako, ka tsy ela aho dia lasa mpitory ilay hafatra mahafinaritra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Mpanakanto anefa no nahafantaran’ny maro ahy, ka indraindray dia tsy nifantoka tsara ny olona rehefa nitory aho. Mazàna no nandeha tamin’ny tele ilay tantara mitohy nolalaoviko, rehefa tonga teo am-baravarana izaho sy izay niara-nitory tamiko. Tsy nino ny olona fa izaho tokoa no tonga tao aminy!

Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho, ary natao batisa tamin’ny 11 Septambra 1982. Nisy heviny amin’izay ny fiainako, sady nisy asa vaovao niandry ahy. Nandrisika ahy ny zotom-pon’i Isabel tamin’ny fanompoana. Mpisava lalana maharitra izy, na mpitory manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela aho dia niaraka taminy, rehefa nampianatra Baiboly izy. Lasa mpinamana be izahay.

Najanoko ny ankabeazan’ny asako, ka tsy maintsy nianina tamin’ny fari-piainana ambany kokoa izahay sy Neny. Nanomana ny raki-kirako fahefatra aho tamin’izay, ary niresaka ny zavatra vaovao inoako ny hira sasany tao amin’izy io. Miresaka momba ny fanantenako fa tena hahita indray an’i Dada ny iray tamin’izy ireny, ka nampitondraiko ny lohateny hoe “Voasoratra fa Hahita Azy Aho.” Nihetsi-po be i Neny rehefa nandre ahy nihira ilay izy voalohany. Hitany fa tena mafy orina ny finoako. Faly be aho rehefa nilaza izy fa te hianatra Baiboly. Natao batisa izy roa taona tatỳ aoriana, ary mbola mazoto manompo an’i Jehovah hatramin’izao.

Lasa tsy dia sarotra tamiko ny nanda ireo asa nomena ahy, rehefa nandeha ny fotoana. Rehefa notsapaina sy nalaim-panahy aho, dia naka sary an-tsaina an’i Dada miaraka aminay ao amin’ny paradisa tsara tarehy. Nanjary natoky bebe kokoa an’i Jehovah àry aho, ka vao mainka tapa-kevitra ny hanompo azy.

Nisy fotoana nasaina nandraisako anjara tamin’ilay fandaharana ho an’ny ankizikely hoe La rue Sésame, tamin’ny teny espaniola. Nieritreritra aho hoe tsy azoko natao izany. Nilazako àry ny mpikarakara an’ilay izy, fa tsy afaka mampirisika ny olona hankalaza fety sasany sy aniversera aho, satria manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Nilaza anefa izy fa raha nekeko ilay asa, dia hanao fifanarahana misy ny tsipirian’ny zavatra inoako izahay, ary hanaja izany izy. Nanaiky àry aho, ka 200 ny fandaharana nataonay. Tamin’izay aho no nilalao an-tsehatra farany.

Mbola nisy fifanarahana iray tsy vita niaraka tamin’ny mpamokatra raki-kira. Noraisim-peo àry ny hira folo noforoniko, ka anisan’izany ilay hira momba an’i Dada sy ny fitsanganana amin’ny maty. Afaka nihira azy io aho rehefa niseho sehatra sy tao amin’ny tele, ka nohararaotiko ireny fotoana ireny mba hiresahana foana momba ny finoako. Nanomboka nanery ahy hanao zavatra manaitaitra ny filana anefa ireo mpamokatra raki-kira, ka najanoko ilay izy.

Fitahiana entin’ny fanompoana an’Andriamanitra

Nitsidika ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, izahay sy Isabel, tamin’ny Desambra 1983. Tany no nihaonako tamin’i Russell Phillips, ilay ho lasa vadiko. Nifanoratra izahay nandritra ny roa taona teo ho eo. Tadidiko tsara ny andro nanombohako ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Nandefasan’i Russell raozy avy any New York aho tamin’izay!

Niara-nanao mpisava lalana izahay sy Isabel nandritra ny herintaona. Nasaina hanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Meksika izy avy eo. Ny resany momba ilay fanendrena vaovao no nahatonga ahy ho te hanitatra ny fanompoako, ka hanompo any amin’ny Betela koa raha sitrak’i Jehovah.

Fitahiana iray hafa teo amin’ny fiainako i Russell. Nianatra nankafy ny fanompoana manontolo andro aho, rehefa nahita ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fandaminany. Tia niasa tao amin’ny Betela izy, ka nanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn nandritra ny telo taona. Nivady izahay tatỳ aoriana, ary niara-nanao mpisava lalana maharitra tany Colorado, Etazonia. Notendrena ho mpanao fanorenana iraisam-pirenena izahay tatỳ aoriana, mba hanorina sampana vaovao tany an-tany hafa. Gaga be izahay, rehefa nahafantatra fa voatendry ho eto Meksika! Faly izahay nanaiky ny tombontsoa ho anisan’ny mpianakavin’ny Betela eto Meksika, tamin’ny Aprily 1990. Tena nampahery ahy ny ohatr’i Russell. Nahafinaritra ahy koa ny toe-tsainy. Nahafoy tena izy ka nandao ny taniny sy ny fianakaviany, mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana eto Meksika.

Nankafizinay tokoa ny tombontsoanay nanompo tao amin’ny sampan’i Meksika. Niova tampoka anefa ny zava-drehetra, rehefa bevohoka aho. Tsy nampoizinay ilay izy, nefa nekenay ho toy ny fanendrena vaovao. Noderainay foana mantsy ny ray aman-dreny nitaiza ny zanany tamin’ny lalan’ny fahamarinana. Teraka tamin’ny Oktobra 1993 i Evan, ary i Gianna roa taona sy tapany tatỳ aoriana. Mitaky ezaka mitohy ny fitaizana, nefa mahatsiaro ho afa-po izahay rehefa mahita ny zanakay 11 taona sy 8 taona, mandeha manompo sy miresaka ny finoany.

Anisan’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana Efitrano Fanjakana izao i Russell, ary izaho kosa niverina nanao mpisava lalana, vao haingana izay. Afaka nanampy olona maromaro hianatra ny fahamarinana ara-baiboly sy hanompo an’i Jehovah aho, tao anatin’izay 20 taona lasa izay. Fianakaviako ihany ny 12 tamin’izany ary olon-kafa ny 8.

Rehefa manontany ahy ny zanako hoe: “Mafy tamin’i Neny ve ny niala tsy ho mpanakanto?”, dia lazaiko aminy ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Tena heveriko ho fatiantoka ... ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Fa noho ny aminy no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny mba hahazoako an’i Kristy.” (Filipianina 3:8) Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, satria izy no nahatonga ahy hanana fiainana misy tanjona sy ho anisan’ny vahoakany mahafinaritra! Tsy mitsahatra misaotra azy aho, noho ny fitahiana sesehena nomeny tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Faly erỳ aho mihira matetika ilay hira noforoniko momba an’i Dada. Matoky àry aho fa hahita azy indray.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 24 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 10]

Niaraka tamin’i Dada sy Neny ary ny anadahiko, tamin’izaho herintaona

[Sary, pejy 12, 13]

Nihira tao amin’ny tarika Arturo Castro sy ny Castro 76

[Sary nahazoan-dalana]

Angel Otero

[Sary, pejy 14]

Miaraka amin’ny fianakaviako ankehitriny

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Activa, 1979