Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hataoko Raha Tantarainy Amiko ny Olana Mahazo Azy?

Ahoana no Hataoko Raha Tantarainy Amiko ny Olana Mahazo Azy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hataoko Raha Tantarainy Amiko ny Olana Mahazo Azy?

“Misy ankizivavy izay any am-pianaranay. Efa hisaraka ny dada sy mamany, ary miharatsy ny naotiny. Resahiny amiko foana ny olana mitranga any an-tranony.”—Jan, 14 taona.

“Nitantara tamiko ilay ankizivavy mpiara-mianatra amiko, fa nanao firaisana izy, ary bevohoka ka nanala zaza. Na ny ray aman-dreniny aza anefa tsy nahafantatra an’izany.”—Mira, 15 taona.

ERITRERETO hoe miresaka amin’ny namana na mpiara-mianatra iray ianao. Tsy ampoizinao akory, dia mamboraka aminao ny olana mahazo azy izy. Olana mpahazo ny tanora angamba ilay izy: momba ny akanjo, vola, hatsaran-tarehy, namana, naoty. Mety ho olana lehibe sy saro-bahana kokoa noho izany anefa ilay izy.

Manamarina izany ny zava-misy any Etazonia. “Hita fa ketraka ny 8 isan-jaton’ny zatovo sy ny 2 isan-jaton’ny ankizy (vao 4 taona monja ny sasany)”, any amin’io tany io. Izany no tombantomban’ny Ivon-toeram-pirenena Misahana ny Fahasalaman’ny Saina, navoakan’ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy). Hoy koa ny tatitra iray: ‘Tovovavy amerikanina 15-19 taona iray tapitrisa isan-taona no bevohoka, ary tsy naniry izany ny ankabeazan’izy ireo.’ An-tapitrisany koa ny tanora miaina ao anatin’ny fianakaviana mikorontana. An’arivony no iharan’ny herisetra na nisy nametaveta. Maherin’ny antsasaky ny mpianatry ny lise no mimamo. Be dia be ny tanora marary, ka tsy mazoto homana mihitsy na tenda an-kanina loatra.

Tsy mahagaga raha tena mila olona iresahana sy amborahana ny mahazo azy ny tanora maro! Ary matetika ny namany no iresahany voalohany. Inona no tokony hataonao raha ianao no amborahany izany? Tsy tokony ho gaga amin’izany ianao, raha Kristianina. Mandidy ny Kristianina mba ho “modely” amin’ny fitondran-tena sy hahay handanjalanja mantsy ny Baiboly. (1 Timoty 4:12; Filipianina 4:5) Noho izany, dia mety haniry hamboraka aminao ny zava-manahirana azy ny tanora sasany, anisan’izany ireo tsy Vavolombelon’i Jehovah. Inona no tokony hataonao raha mitranga izany? Ary ahoana raha hitanao fa tsy ho voavahanao ilay olana?

Mihainoa tsara

Milaza ny Baiboly fa “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana.” (Mpitoriteny 3:7) Ny mihaino fotsiny matetika no tena tsara, rehefa misy olona te hiresaka aminao ny olana mahazo azy. Melohin’ny Baiboly, raha ny marina, ny olona tsy miraharaha “ny fitarainan’ny malahelo.” (Ohabolana 21:13) Niandry elaela angamba ilay namanao vao sahy niresaka momba ilay izy. Mety ho mora kokoa aminy ny hiresaka, raha vonona hihaino ianao. Hoy i Hiram, tanora kristianina: “Avelako hiresaka fotsiny ilay olona matetika. Avelako izy hilaza izay manahiran-tsaina azy, ary miezaka hahatsapa ny manjo azy aho.” Hoy koa i Vincent: “Maniry hiresaka fotsiny ilay olona indraindray.”

Mety tsy hanantena anao hamaha ny olana mahazo azy àry ilay namanao. Olona mihaino azy tsara fotsiny angamba no ilainy. Henoy àry izy! Aza variana amin-javatra hafa na manapaka ny teniny tsy amin’antony. Ny maha eo anao sy ny fihainoanao fotsiny, dia mety tena hanampy azy. Mampiseho izany fa tena miahy azy ianao.

Midika ve izany fa tsy tokony hiteny mihitsy ianao? Arakaraka ilay zava-manahirana ilay izy. Mety ny manao teny voahevitra tsara sy amin-katsaram-panahy, amin’ny ankapobeny. (Ohabolana 25:11) Tena tsara koa angamba, ohatra, ny miara-miory amin’ilay namana, raha nisy loza nanjo azy. (Romanina 12:15) Hoy ny Ohabolana 12:25: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.” Fampaherezana fotsiny angamba no ilainy. Omeo toky izy fa ho voalaminy ilay olana. Afaka milaza ianao hoe: “Azoko ny mahatonga anao hahatsapa toy izany”, na “Mampalahelo izany zava-mitranga aminao izany.” Ho hitany amin’izay, fa tena miahy sy maniry hanampy azy ianao.

Mampitandrina anefa ny Ohabolana 12:18 hoe: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.” Aza miteny mihitsy hoe: “Tsy dia maninona izany”, na “Aza mieritreritra an’izany intsony”, na “Tsy tokony ho izany no tsapanao.” Aza manamaivana ilay olana koa, ka manao an’ilay izy ho vazivazy. Mety hanatsoaka hevitra mora foana mantsy ilay namanao amin’izay, fa tsy miraharaha ny fihetseham-pony ianao.—Ohabolana 25:20.

Ahoana anefa raha tsy hitanao izay holazaina? Lazao ny marina. Resaho aminy fa tena tsy hitanao mihitsy izay holazaina, nefa vonona hanampy azy foana ianao. Anontanio izy hoe: “Inona no azoko anampiana anao?” Mety hisy zavatra sasany tokoa azonao atao, mba hanamaivanana azy.—Galatianina 6:2.

Manomeza torohevitra amin-katsaram-panahy

Ahoana raha hitanao fa mila torohevitra ilay namanao? Ekena aloha fa mbola tsy nahita fiainana firy ianao, satria tanora. (Ohabolana 1:4) Mety ho mbola tsy hahay hanome torohevitra momba ny olana rehetra àry ianao. Hoy anefa ny Salamo 19:7: “Mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina.” Mety hahalala tsara ny toro lalana ao amin’ny Baiboly tokoa ianao, na dia mbola tsy nahita fiainana aza, ka afaka manampy ny namana mila izany. (Ohabolana 27:9) Afaka miresaka hevitra sasany avy ao amin’ny Baiboly ianao, nefa aza manao toriteny be. Manaova fikarohana, raha tsy hitanao hoe inona ny toro lalana azo ampiharina amin’ilay izy. Efa an-taonany maro izao ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora” amin’itony gazety itony, no nanome torohevitra ara-baiboly maro momba ny foto-kevitra isan-karazany. Ahitana fanazavana mahasoa koa ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. *

Mety hanampy azy ny fitantaranao ny zavatra niainanao. Manana soso-kevitra azo ampiharina mihitsy aza angamba ianao. Azonao resahina izay nanampy anao, nefa aza terena hanaraka ny hevitrao izy. (Ohabolana 27:17) Tadidio fa samy hafa ny toe-javatra iainan’ny tsirairay, ka tsy voatery handaitra amin’ny olona rehetra ny vahaolana nandaitra taminao.

Fampitandremana

Aza mandany fotoana hihainoana ireo olana mahazo ny tanora tsy matahotra an’i Jehovah, na tsy manaraka ny fitsipika kristianina. Mety ho vokatry ny tsy fanarahana izay atoron’ny Baiboly, ny ankamaroan’ny olana mahazo azy ireo. Mety ho kivy ianao raha manandrana manampy olona tsy miraharaha ny torohevitry ny Baiboly, ary mety ho kivy koa izy. (Ohabolana 9:7) Hadalana na resaka maloto mihitsy aza angamba no ho renao. (Efesianina 5:3) Raha tsy azoazonao àry ilay resaka, dia lazao fa mahasadaikatra anao ilay izy, na manàna herim-po ka lazao fa tsy afaka ny hanampy azy ianao.

Mitandrema raha ankizivavy ianao ka misy ankizilahy mitady hamboraka aminao ny fihetseham-pony, na ny mifamadika amin’izany raha ankizilahy ianao. Mampitandrina ny Baiboly fa mety hamitaka ny fo. (Jeremia 17:9) Mety hampifoha ny fitiavana ny fifaneraserana akaiky, ary mety hahatonga ny olon-droa haloto fitondran-tena mihitsy aza.

Aza mampanantena koa hoe tsy hilaza ilay olana na amin’iza na amin’iza ianao. Manetre tena ary ekeo fa mety hila fanampiana mihoatra noho izay azonao omena, ilay olona.—Ohabolana 11:2.

Ilaina ny fanampian’ny hafa indraindray

Tena tsara matetika ny mangataka torohevitra mba hanampianao ilay namanao. Hoy i Mira, ilay noresahina terỳ am-piandohana: “Tena tsy hitako mihitsy izay natao mba hanampiana ilay mpiara-mianatra tamiko. Noresahiko tamin’ny anti-panahy iray tao amin’ny fiangonana àry ilay izy, ary nomeny soso-kevitra tsara aho.” Tena misy lehilahy za-draharaha afaka manampy anao tokoa, eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Efesianina 4:11, 12) Nanoro hevitra an’i Mira ilay anti-panahy, mba hampirisika ilay namany hiresaka amin’ny ray aman-dreniny. Nanao izany ilay namany, ary hoy i Mira: “Nilamina tsikelikely ilay olana nahazo azy, ary maniry hahafantatra misimisy kokoa ny Baiboly izy izao.”

Ahoana raha milaza aminao ny olana mahazo azy ny Kristianina iray? Tena tokony hanampy azy araka izay azonao atao ianao. (Galatianina 6:10) Aza matahotra ny ‘hilaza ny marina’ aminy, raha hitanao fa manomboka mandika ny fitsipik’i Jehovah izy. (Efesianina 4:25) Milazà ny marina, nefa aza mihevi-tena ho marina. Ny fahasahianao miteny dia mampiseho fa tena namana ianao.—Salamo 141:5; Ohabolana 27:6.

Tsy maintsy ampirisihinao koa izy hitady fanampiana any amin’ny ray aman-dreniny, na anti-panahy, na Kristianina matotra izay hajainy. Raha efa niandry elaela ianao, nefa mbola tsy niresaka tamin’iza na iza izy, dia ianao angamba no tsy maintsy hiresaka momba ilay izy. (Jakoba 5:13-15) Mety hitaky herim-po izany, nefa mampiseho fa tena miahy sy mitady izay hahasoa azy ianao.

Mazava ho azy fa tsy manantena anao hamaha ny zava-manahirana mahazo ny olona rehetra i Jehovah. Raha misy olona milaza aminao ny olana mahazo azy anefa, dia tsy tokony hihevitra ianao hoe tsy misy azonao atao. Ampiharo ny fampiofanana kristianina noraisinao, ary porofoy fa “tena sakaiza” ianao.—Ohabolana 17:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 17]

Ilainao indraindray ny mitady fanampiana ho an’ny namanao