Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fijaliana Misaotra indrindra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Andriamanitra no Mamela Antsika Hijaly?” (8 Aprily 2004) Efatra ambin’ny folo taona aho. Nodimandry vao haingana ny olona roa tiako be, dia ny dadabeko sy ny nenitoako. Fantatro fa tsy Andriamanitra no tokony homena tsiny noho ny nahafatesan’izy ireo. I Satana kosa no tokony homena tsiny, ary fohy ny fotoana sisa ananany. Tena nampionona ahy iny lahatsoratra iny. Manorata lahatsoratra toy ireny foana. Misaotra indrindra.

B. B., Etazonia

Maty vao haingana tamin’ny lozam-piarakodia ny ankizivavy iray saika halaiko ho vady. Nangidy ilay fahoriana, na tamiko na tamin’ny fiangonana ary indrindra fa tamin’ny ray aman-dreniny. Isaorako anefa i Jehovah nanampy ahy handresy ny alaheloko. Misaotra anareo koa tamin’ilay lahatsoratra hoe “Nahoana Andriamanitra no Mamela Antsika Hijaly?” Tonga tamin’ny fotoana nilako azy indrindra izy io.

I. D., Alemaina

Tsy naniry hamaky an’io lahatsoratra io aho tamin’ny voalohany. Noheveriko fa zavatra mahakivy no voalaza tao. Maty noho ny aretina nahazo azy mantsy ny zokiko lahy, roa taona lasa izay, ary mbola malahelo be foana aho. Nampahatsiahy ahy anefa ilay lahatsoratra fa manome zava-tsoa antsika i Jehovah. Nisinda haingana àry ny alaheloko, ary nahazo hery indray aho hiatrehana ny fiainana eto amin’ity tontolo miovaova ity.

S. H., Japon

Siramamy Maromaro ny olona nilaza tamiko, fa manao dokam-barotra an-kolaka fanafody be mpitia, izay heverina fa manasitrana aretina toy ny kansera, ilay lahatsoratra hoe “Ireo Siramamy Mahavelona.” (8 Aprily 2004) Tsy manakiana ny lahatsoratrareo aho, fa matahotra kosa sao hisy hampiasa azy io mba hahazoana vola na hanohanana ny heviny.

P. K., Aostralia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Nilaza fotsiny ny amin’ny zavatra hitan’ireo biolojista, momba ny maha zava-dehibe ny siramamy eo amin’ny fahasalamana, ilay lahatsoratra hoe “Ireo Siramamy Mahavelona.” Tsy natao hanaovana dokam-barotra fanafody manokana mihitsy izy io. Tsy manoro fomba fitsaboana manokana ho an’ny mpamaky azy ny “Mifohaza!”, rehefa miresaka momba ny fahasalamana. Ny Kristianina tsirairay no tokony haneho fahendrena, ka hamantatra raha tsy mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fitsaboana arahiny.

Fibobohan-toaka Misaotra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Tena Ratsy ve ny Miboboka Toaka?” (8 Martsa 2004) Takatro izao fa ny toaka no nampiady anay mivady, ary takatro koa fa lanilany foana tamin’izy io ny volako. Tsy misotro firy intsony aho izao.

G. K., Tanzania

Zavamaniry Mahavariana Mahaliana sy mahavariana ilay lahatsoratra hoe “Ilay Zavamaniry Mateza Be.” (8 Martsa 2004) Mbola tsy namaky zavatra hoatran’iny mihitsy aho. Mahavariana tokoa ny zavamaniry lava ravina. Mahagaga mihitsy ny mampahateza be azy io, nefa tena ngazana ny tany aniriany. Mampiseho bebe kokoa amintsika ny lahatsoratra toy ireny, fa hendry i Jehovah, ilay Mpamorona mahay.

A. C., Rosia

Lehibe tany Angola aho, ary efa imbetsaka no nahita zavamaniry lava ravina. Nahavariana ahy foana io zavamaniry hafakely io. Nanitikitika ny saiko anefa ny zavatra maro inoan’ny olona momba azy io. Azoko izao ilay fanazavana notadiaviko, 27 taona atỳ aoriana.

A. O., Soisa

Efa 15 taona mahery izao no namakiako ny Mifohaza! Tsy mba afaka manao dia lavitra aho, ka ny lahatsoratra toy ireny no manampy ahy hianatra amin’ny an-tsipiriany ny zavatra noforonin’i Jehovah. Raha tsy ny Mifohaza!, dia tsy ho fantatro mihitsy fa ela velona be ny zavamaniry lava ravina.

L. Z., Frantsa