Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eto ambany ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)
1. Araka ny nolazain’i Petera, nahoana no nataon’Andriamanitra ho “firazanana voafidy” ny Israely ara-panahy? (1 Petera 2:9)
2. Inona no fahagagana voalohany nataon’i Jesosy, ary taiza no nanaovany izany? (Jaona 2:1-11)
3. Avy tamin’ny inona no nanamboaran’Andriamanitra an’i Eva, ilay famenon’i Adama? (Genesisy 2:22)
4. Iza ilay lehilahy nitana andraikitra lehibe teo amin’ny Israely, izay nanana zanakalahy “tena ratsy fanahy”? (1 Samoela 2:12)
5. Inona no famarana fahiny mitovy amin’ny iray homera sady mitovy amin’ny impolon’ny daba? (Lioka 16:7)
6. Na dia nahay namantatra ny toetrandro avy tamin’ny endriky ny lanitra aza ny Fariseo, inona no nolazain’i Jesosy fa tsy hain’izy ireo fantarina? (Matio 16:3)
7. Araka ny faminanian’i Ezekiela, iza no hanafika ny vahoakan’Andriamanitra, izay mandry fahizay sy mahazo fitahiana be dia be? (Ezekiela 38:14-16; 39:11)
8. Nahoana i Jesosy no nilaza fa very maina ny fivavahana “an-tendro-molotra” nataon’ireo mpitondra fivavahana? (Marka 7:6, 7)
9. Iza tamin’ny zanak’i Noa no nahatonga ozona ho an’i Kanana? (Genesisy 9:22-25)
10. Ny tanin’ny fokon’iza no nanjary niantsoana ny faritra farany avaratra tamin’ny tanin’ny Israely? (Mpitsara 20:1)
11. Inona no anaran’ilay kofehy mitsangana fanatsofohana ny fahan-damba rehefa manenona lamba? (Isaia 38:12)
12. Nisy sazy telo nasaina nisafidianan’i Davida, rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra izy tamin’ny fanisana ny Israely. Iza tamin’ireo no nofidiny? (2 Samoela 24:12-15)
13. Inona ireo boky telo ao amin’ny Baiboly nosoratan’i Ezra mpisorona jiosy?
14. Avy aiza marina moa i Paoly, araka ny nirin’i Feliksa Governora ho fantatra? (Asan’ny Apostoly 23:34)
15. Iza no komandin’ny tafik’i Absaloma tamin’izy nikomy tamin’i Davida, ary lasa komandin’ny tafik’i Davida indray rehefa maty i Absaloma? (2 Samoela 17:25; 19:14)
16. Iza no nirahin’ny Jeneraly Joaba hilaza tamin’i Davida Mpanjaka fa maty i Absaloma zanany? (2 Samoela 18:21, 32)
17. Inona no nahatonga an’i Jakoba hieritreritra fa lanin’ny bibidia i Josefa zanany? (Genesisy 37:31-33)
18. Iza no anaran’ilay anjely nilaza tamin’i Maria fa nofidina hiteraka an’i Jesosy izy? (Lioka 1:26-31)
[Efajoro, pejy 14]
Valiny
1. Mba ‘hanambarana hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’Andriamanitra’
2. Nanova ny rano ho divay; Kana
3. Taolan-tehezana nalaina tamin’i Adama
4. Ely
5. Barìka
6. “Ny famantarana ny fotoana voatondro”
7. Goga sy ny “olony maro be”
8. Satria ‘lavitra azy ny fon’izy ireo’
9. Hama
10. Dana
11. Haraka
12. Areti-mandringana
13. Tantara Voalohany, Tantara Faharoa, Ezra
14. Kilikia
15. Amasa
16. Kosita tsy fantatra anarana
17. Naseho azy ny akanjon’i Josefa, izay natsoboka tao anaty ran’osy
18. Gabriela