Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Boky Fianarana Tena Tian’ny Tanora

Ilay Boky Fianarana Tena Tian’ny Tanora

Ilay Boky Fianarana Tena Tian’ny Tanora

ANORATRA tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kenya, ny talen’ny Lisen’i Tigoni ho An’ny Ankizivavy any Limuru. Nangataka ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra izy, ka nanao hoe: “Sarotra ny mifandray amin’ny zatovo, araka ny fantatrareo. Manana roa amin’ny bokinareo anefa izahay, ary nanampy ny mpampianatra sy ny mpianatra izany. Ampy tsara ny hevitra ao anatiny, sady araka izay ilain’ny mpampianatra sy ireo zatovo.”

Hoy koa izy: “Naniry hampiasa an’io boky io ny fitantanan-draharahan’ny [sekoly], mba hampianarana ireo ankizivavy ato aminay. Tena tian’izy ireo ilay boky. Tena mankasitraka ny ezaka rehetra hanampiana ny zanany, ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Boky 25 aloha no ilainay.”

Manadihady ny hevitry ny tanora sy izay tsapany, ny boky Manontany ny Tanora. Anisan’ny zava-mahaliana resahina ao ireto foto-kevitra ireto: “Inona no Azoko Atao mba Hanomezan’ny Ray Aman-dreniko Ahy Fahalalahana Bebe Kokoa?”, “Tokony Hiala ao An-trano ve Aho?”, “Ahoana no Hahazoako Tena Namana?”, “Asa Inona no Tokony Hofidiko Hatao eo Amin’ny Fiainako?”, “Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?”, ary “Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?”

Vitsivitsy monja amin’ireo lohatenin’ny toko ao anatin’io boky io ireo. Misy toko 39 ilay izy, ary manazava foto-kevitra maro hafa. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eo ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.