Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Manjo ny Dokotera?

Inona no Manjo ny Dokotera?

Inona no Manjo ny Dokotera?

“Nisy mpivady tanora tonga tao amiko niaraka tamin’ny zanany vao teraka. Tena nino izy roa fa hahavita hanasitrana ilay zaza aho. Nalahelo be anefa aho rehefa nizaha azy, satria hitako fa tsy ho sitrana intsony izy. Azonareo an-tsaina ve ny fihetseham-poko rehefa nilaza tamin’ireo ray aman-dreny sambany vao niteraka ireo aho, fa ho jamba mandrakizay ny zanany lahy? Feno be ny foko rehefa lasa ry zareo. Tsy ela taorian’izay anefa, dia niditra ny marary hafa iray. Nanantena ahy hitsikitsiky izy teo am-pandraisana azy! Izany no hitako hoe mafy indrindra.”—Dokotera mpandidy maso any Amerika Atsimo.

TSY hamantatra ny olana manjo ny dokoterany no ahatongavan’ny marary any amin’ny toeram-pitsaboana. Izay hahasitrana azy no mibahana ao an-tsainy. Vitsy àry no mahalala ny adin-tsain’ny dokotera.

Marina fa samy manana ny mampiady saina azy daholo ny rehetra, ary tsy ny fitsaboana ihany no asa mampiady saina. Tsy maintsy hila dokotera anefa isika rehetra na ho ela na ho haingana, ka tsara hofantarina ny adin-tsaina mahazo azy ireny sy ny mety ho vokatr’izany eo aminy.

Aloha be dia efa miady saina ny dokotera. Mitaintaina izy, ohatra, rehefa miezaka mafy mba ho tafiditra any amin’ny sekoly fianarana ho dokotera. Ny fiandohan’ilay fianarana anefa no tena mafy aminy, ka matetika no tsy afaka ao an-tsainy mihitsy. Misy toe-javatra mifampitohitohy hitany manomboka eo, ka mety hanova ny fihetseham-pony sy ny toetrany mihitsy.

Mampahatahotra ny mianatra ho dokotera

Mety ho amin’ny herinandro voalohany anombohan’ny fianarana, dia efa mitsidika ny efitra fandidiana faty ny mpianatra. Mampivarahontsana ilay izy. Mety ho mbola tsy nahita faty mihitsy ny mpianatra maro. Miboridana sy miketronketrona ireo faty, ary voadidy amin’ny faritra samy hafa mba hampisehoana ny firafitry ny vatan’olombelona. Mety hampihoron-koditra be ny mahita azy ireo. Tsy maintsy mitady tetika àry ny mpianatra mba hampitonena ny fony. Mitady zavatra mampihomehy izy matetika, ka omeny anarana mahatsikaiky ny faty tsirairay. Mety hieritreritra izay olona mandre izany, fa tena mafy fo izy ireo sady tsy manaja. Ilain’izy ireo anefa ny manao izany, mba tsy hieritreretany ny mombamomba an’ilay olona tamin’izy mbola velona.

Ampiofanina any amin’ny hopitaly avy eo ny mpianatra. Rehefa zokinjokiny angamba ny ankamaroan’ny olona vao mahatsapa fa fohy ny fiainana. Mbola tanora anefa ny mpianatra ho dokotera dia efa mahita aretina tsy sitrana intsony sy fahafatesana. Nisy mpianatra nilaza fa ‘nahatsiravina be’ azy ny fotoana voalohany nampiofanana azy tany amin’ny hopitaly. Mety halahelo be koa ny mpianatra any amin’ny tany manan-karena sy mahantra, rehefa mahita fa imbetsaka ny marary no tsy mahazo ny fitsaboana ilainy, satria tsy ampy ny vola.

Ahoana no iatrehan’ny dokotera vaovao an’izany rehetra izany? Matetika no miezaka tsy hiraiki-po amin’ny marary ny mpiasan’ny hopitaly, ka tsy mampifantoka ny sainy amin’ny mombamomba azy ireny. Mety tsy hanonona ny anaran’ilay marary àry izy ireo, fa hilaza fotsiny hoe: “Dokotera a! Misy tongotra tapaka ao amin’ny efitra faharoa.” Mety hampihomehy anao izany raha tsy azonao ny antony.

Mety handreraka ny fangorahana

Nampianarina ho lasa mpahay siansa ny dokotera. Tsy maintsy miresaka amin’ny marary anefa ny maro aminy, ary izany no tena maka ny fotoanany. Misy dokotera mahatsapa fa sarotra aminy ny manomana ny sainy hiresaka amin’ny marary. Voalaza teny am-piandohana, fa anisan’ny mafy indrindra amin’ny dokotera ny milaza vaovao mampalahelo. Tsy maintsy manao izany isan’andro ny sasany. Antenaina hihaino koa ny dokotera, rehefa misy olona kivy mila mamboraka ny fahoriany. Eo koa ny olona mitebiteby sy matahotra. Lasa reraka loatra àry ny dokotera sasany, noho izy tsy maintsy mangoraka foana.

Hoy ny dokotera iray any Kanada momba ny fotoana voalohandohany niasany: “Be loatra ny asako tamin’izany. Nisy olona nitady fanampiana tamiko. Ny hafa te hamboraka ny fahoriany. Teo koa ireo narary nila fitsaboana. Ny hafa indray nanery ahy hanao izay tiany. Nisy koa tonga nitady ahy. Ny sasany niangavy mafy ahy ho any aminy. Teo koa ireo niantso ahy an-telefaonina tany an-trano, ary na dia efa natory aza aho. Tsy maintsy nifanerasera tamin’ny olona foana aho. Te hanampy olona aho, nefa maro loatra no nila ahy.”—Ny Fahasahiranan’ny Dokotera (anglisy), nosoratan’i John Holland.

Tsy dia miady saina intsony ve ny dokotera rehefa mihantitra? Matetika no mitombo ny andraikitra rehefa mihantitra ny olona. Mazàna no misy fanapahan-kevitra iankinan’ny aina mila atao eo no ho eo, nefa tsy tena ampy ny fanazavana azo. Hoy ny dokotera britanika iray: “Tsy dia nampahatahotra ahy izany tamin’izaho mbola tanora, toy ny tsy atahoran’ny tanora mirimorimo amin’ny fiara. Sarobidy kokoa aminao anefa ny aina, rehefa mihantitra ianao. Mampahatahotra ahy kokoa izao ny mandray fanapahan-kevitra mahakasika ny fitsaboana.”

Inona no vokatr’izany rehetra izany eo amin’ny dokotera? Raha zatra tsy miraiki-po amin’ny marary izy, dia mety tsy hiraiki-po amin’ny fianakaviany koa, ka hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisany amin’izy ireo izany. Mety ho sarotra anefa ny miala amin’io fahazarana io. Na izany aza, dia misy dokotera tena mangoraka rehefa manampy ny marary amin’ny fahoriany. Tsy maintsy ho reraka anefa izy ireny amin’ny farany, fa tsy hahavita izany foana. Olana lehibe iray atrehin’ny dokotera izany.

Marary manahirana

Rehefa anontaniana ny dokotera hoe inona no mandreraka eo amin’ny fifandraisana amin’ny marary, dia matetika ny marary manahirana no resahiny voalohany. Angamba efa renao ireto sasany ireto:

Voalohany, ao ny marary miresaka zavatra tsy misy ifandraisany amin’izay mahazo azy, ka mandany ny fotoanan’ny dokotera. Ao koa ny marary mitaky be loatra. Antsoiny amin’ny alina na amin’ny faran’ny herinandro, ohatra, ilay dokotera, nefa tsy misy antony lehibe akory. Misy koa mangataka fitsaboana tsy eken’ilay dokotera. Ao koa ny marary tsy matoky ny dokotera. Misy olona mikaroka fanazavana mahasoa momba ny aretiny, angamba ao amin’ny Internet. Mety hilaina izany, nefa mety hahatonga azy tsy hatoky intsony an’ilay dokoterany. Tsy voatery hanam-potoana hiresahana momba ny maha tsara sy maha ratsy ny fanazavana hitan’ilay olona ny dokotera. Kivy izy rehefa tsy mazoto manaraka ny toromariny intsony ny marariny, satria lasa tsy matoky azy. Farany, dia ao ireo marary tsy manam-paharetana. Ajanony ilay fitsaboana, na dia mbola tsy nisy vokany akory aza, ary mety hitady torohevitra any an-kafa izy.

Tsy ny marary anefa no tena mampiady saina ny dokotera any amin’ny tany sasany, fa ny mpisolovava.

Mba tsy hotorin’ny olona

Manao tatitra ny tany maro fa lasa be dia be ny dokotera torin’ny olona satria, hono, tsy nitsabo tsara ny marariny. Manao fiampangana tsy dia lehibe akory ny mpisolovava sasany mba hahazoam-bola be. Hoy ny filohan’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana: “Lasa niakatra be ny saram-piantohana aloan’ny dokotera noho izany fanararaotana izany. Miteraka fahoriana hafa koa anefa ireny fitoriana ireny. Mety hitondra fahavoazana lehibe ho an’ny dokotera ilay izy raha tsy mitombina. Mety ho menatra, ohatra, izy, ho lany fotoana, ... hiady saina, ary hitebiteby.” Namono tena mihitsy aza ny sasany.

Vokatr’izany, dia tsy izay tena mety amin’ilay marary no ataon’ny dokotera maro, fa izay tsy hitorian’ny olona azy. Milaza ny Famintinana ny Vaovaon’ny Dokotera (anglisy), fa “lasa mahazatra” izany fanao izany.

Mihabetsaka hatrany ny zava-manahirana ny dokotera, ka manontany tena momba ny hoavy ny maro aminy. Manontany tena momba ny hoaviny koa anefa ny marary maro, satria hitan’izy ireo fa lasa mampijaly kokoa ny aretina sasany, na dia mandroso aza ny fitsaboana. Hiresaka fomba fijery voalanjalanja momba ny hoavin’ny dokotera sy ny marary ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

MIARAHA MIASA AMIN’NY DOKOTERANAO

1. Eritrereto mialoha ny fomba hanazavanao tsara sy fohy ny mahazo anao, mba hizotra tsara ny resaka ifanaovanao sy ny dokoteranao. Atombohy amin’izay tena mampanahy anao izany

2. Aza miantso ny dokoteranao amin’ny ora tsy fiasana raha tsy misy antony tena lehibe

3. Manàna faharetana. Mitaky fotoana ny famantarana ny aretina sy ny fitsaboana

[Efajoro/Sary, pejy 7]

‘MAHAFINARITRA NA DIA NY FITSABOANA EFA MAHAZATRA AZA’

“Samy hafa be mihitsy ny fitsaboana eto sy any amin’ny faritra mandroso kokoa. Heverina ho fomba ialana amin’ny fahantrana ny fianarana ambony, ka maro no mianatra ho dokotera. Vitsy anefa ny asa, ary tena kely karama ny dokotera. Vitsy koa ny olona mahaloa vola ho azy ireny. Hopitaly efa tranainy be no iasako. Mitete ny tafo, ary izay fitaovana tena ilaina ihany no misy. Dokotera roa sy mpitsabo mpanampy dimy izahay no ao. Olona 14 000 no tsaboinay.”

“Mieritreritra ny marary indraindray, fa tsy mijery tsara ny aretiny aho. Tsy afaka mandany fotoana be amin’ny marary iray anefa ianao, rehefa mbola misy marary 25 miandry anao. Mahafinaritra ahy anefa ny mitsabo, eny fa na dia ny fitsaboana efa mahazatra ahy aza. Matetika, ohatra, no misy reny mitondra ny zanany tratran’ny aretim-pivalanana, ka tsy ampy sakafo sy rano. Lalina ny mason’ilay zaza, ary matahotra izy. Lazaiko amin’ilay reny fotsiny ny fomba fampiasa sira mamerina rano ao amin’ny vatana, sy fanafody miady amin’ny katsentsitra, ary antibiotika. Manomboka misakafo indray ilay zaza, rehefa miasa ireo. Toy ny hoe zaza hafa izy, herinandro aorian’izay. Tsy lalina intsony ny masony, mitsikitsiky izy, ary milalao tsara. Ny hahita zavatra toy izany no tena nitiavako ho lasa dokotera.”

“Efa tamin’ny mbola kely aho no naniry hitsabo marary. Nanova ahy tsy araka ny noeritreretiko anefa ny fianarana ho dokotera. Nahita olona maty aho, satria tsy nanam-bola nitsaboana tena izy. Tsy maintsy nanamafy ny foko àry aho mba tsy hisy vokany eo amiko ny alaheloko. Naseho ahy tao amin’ny Baiboly ny nahatonga ny fijaliana, ka fantatro fa mangoraka Andriamanitra. Tamin’izay aho vao nahay nangoraka indray. Nahavita nitomany indray aho.”

[Sary]

Dr. Marco Villegas, miasa any amin’ny tanàna amazonianina mitokana, any Bolivia