Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Anehoana Fiheverana ny Zanaka

Mila Anehoana Fiheverana ny Zanaka

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Mila Anehoana Fiheverana ny Zanaka

NANAM-POTOANA niarahana tamin’ny ankizy ve ny Zanak’Andriamanitra? Nieritreritra ny mpianany sasany, fa tsy nanam-potoana ho amin’izany i Jesosy. Indray mandeha mantsy dia tsy navelan-dry zareo hanatona an’i Jesosy ny ankizy madinika. Nilaza anefa izy hoe: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza tadiavinareo hosakanana.” Noraisiny tsara ireo ankizy sady niresahany. (Marka 10:13-16) Nasehony àry fa vonona haneho fiheverana ny ankizy izy. Ahoana no anahafan’ny ray aman-dreny azy ankehitriny? Manao izany izy ireo rehefa mampianatra tsara ny zanany, sy manokana fotoana iarahana aminy.

Mazava ho azy fa miezaka mafy mikarakara izay mahasoa an-janany ny ray aman-dreny mahay mandray andraikitra, ary tsy mampijaly azy ireo. Mety ho azo lazaina aza fa “voajanahary” amin’ny ray aman-dreny ny manaja sy mihevitra ny zanany. Nampitandrina anefa ny Baiboly, fa olona maro ankehitriny no ‘tsy tia ny mpianakaviny.’ (2 Timoty 3:1-3) Mbola misy ihany anefa ny ray aman-dreny tia sy miahy ny zanany. Vonona hiana-javatra foana izy ireo, mba hahaizana handray andraikitra kokoa. Tena hankasitraka ireo toro lalana ara-baiboly ampahatsiahivina ato, ireo ray aman-dreny maniry ny tsara indrindra ho an-janany.

Mampianatra nefa tsy mampahatezitra

Mpampianatra malaza sady mpikaroka momba ny aretin-tsaina ny Dr. Robert Coles. Hoy izy: ‘Mihamahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ny ankizy, satria voajanahary aminy izany. Ary araka ny hevitro, dia avy amin’Andriamanitra ny faniriana hahazo tari-dalana ara-pitondran-tena.’ Iza àry no afaka hanome izany?

Mampirisika toy izao ny Efesianina 6:4: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” Voamarikao eo ve fa ny ray no tena asaina mampianatra ny zanany ho tia an’Andriamanitra sy tena hankasitraka ny fitsipiny? Ny ray sy ny reny kosa no noresahin’i Paoly ao amin’ny Efesianina toko faha-6 andininy 1, rehefa nasainy ‘nankatò ny ray aman-dreniny’ ny ankizy. *

Marina aloha fa ny reny no handray izany andraikitra izany, raha tsy eo ny ray. Reny tokan-tena maro no nahavita nitaiza tsara ny zanany tamin’ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah Andriamanitra. Raha manambady anefa izy dia ny vadiny kristianina no tokony hanao izany. Izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampianarana sy fananarana ny zanany, ary tokony ho vonona hanaiky izany ilay reny.

Ahoana no atao mba tsy ‘hampahatezitra’ ny zanakao, rehefa mananatra na mampianatra azy? Tsy misy fomba voafaritra tsara, satria tsy mitovy ny ankizy. Tsy maintsy mandinika tsara anefa ny ray aman-dreny, mba hampiseho fitiavana sy fanajana ny zanany foana ny fomba fananarany. Mahaliana fa miverina ao amin’ny Kolosianina 3:21, ilay hoe aza mampahatezitra ny zanakao. Manoro hevitra ny ray indray izy ao hoe: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”

Misy ray aman-dreny mivazavaza sy milelalela amin’ny zanany. Azo antoka fa mampahatezitra ny ankizy izany. Mampirisika toy izao kosa ny Baiboly: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra sy ny fahatezerana rehetra sy ny fahavinirana rehetra sy ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.” (Efesianina 4:31) Lazainy koa fa “tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.”—2 Timoty 2:24.

Manokàna fotoana hiarahana amin’izy ireo

Raha maneho fiheverana ny zanakao ianao, dia ho vonona hampandefitra izay tianao sy mahasoa anao, mba hahasambatra azy ireo. Milaza toy izao ny Baiboly: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.”—Deoteronomia 6:6, 7.

Sarotra kokoa ankehitriny ny mitady vola. Vitsy àry ny ray aman-dreny afaka miaraka amin’ny zanany tontolo andro. Manantitrantitra anefa ny Deoteronomia, fa tsy maintsy ataon’ny ray aman-dreny izay ahitany fotoana hiarahana amin-janany. Mila mahay mandamin-javatra sy mahafoy tena koa izy ireo rehefa manao izany. Fiheverana toy izany no ilain’ny ankizy.

Diniho ny vokatry ny fikarohana natao tamin’ny zatovo maherin’ny 12 000. Hita fa ‘mahasalama tsara, ary misakana ny zatovo tsy hanao zavatra hanimba azy, ny fifankahazoana am-po tsara amin’ny ray aman-dreniny.’ Maniry mafy ny hanehoan’ny ray aman-dreniny fiheverana tokoa ny ankizy. Nanontany ny zanany toy izao ny reny iray, indray mandeha: “Inona no tianareo indrindra, raha afaka mahazo izay rehetra irinareo ianareo?” Namaly izy efatra hoe: “Miaraka bebe kokoa amin’i Dada sy Neny.”

Raha mahay mandray andraikitra àry ny ray aman-dreny, dia ataony azo antoka fa manome izay ilain-janany izy, ka mampianatra Soratra Masina azy ireo sady minamana akaiky aminy. Ampiany koa izy ireo ho lasa olon-dehibe mahay manaja sy mandray andraikitra ary manao ny marina, ka ho tsara fanahy amin’ny hafa sy hanome voninahitra ny Mpamorona azy. (1 Samoela 2:26) Mahay mandray andraikitra tokoa ny ray aman-dreny mampianatra sy mananatra ny zanany araka ny fomba fisainan’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Go·neuʹsin no teny grika nampiasain’i Paoly eto. Avy amin’ny go·neus, izay midika hoe “ray aman-dreny” izy io. Midika hoe “ray” kosa, ilay teny grika hoe pa·teʹres, nampiasainy eo amin’ny andininy faha-4.

[Sary, pejy 13]

Sorena ny ankizy rehefa ilelalelana sy ivazavazàna

[Sary, pejy 13]

Manokàna fotoana hiarahana amin-janakao