Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niova ny Fiainan’ny Dokotera

Niova ny Fiainan’ny Dokotera

Niova ny Fiainan’ny Dokotera

Voatendry ho dokoteran’ny mpanjakan’i Ejipta i Maimonide tamin’ny 1174, ka nandany fotoana betsaka tao an-dapa. Izao no nosoratany momba izay nataony, isaky ny tonga tany an-trano izy isan’andro: ‘Misakafo kely aho, ary izay ihany no mba zavatra haniko ao anatin’ny 24 ora. Mandeha mikarakara ny marariko aho avy eo, ary manoratra ny taratasim-panafodiny sy ny toromarika ilainy amin’ny aretiny. Misy marary foana mandra-pahalin’ny andro. Vizana loatra aho indraindray ka zara raha afaka miteny.’

ILANA fandavan-tena foana hatramin’izay ny asan’ny dokotera. Miova haingana anefa ny fiainan’ny dokotera ankehitriny. Mety handreraka toy ny an’i Maimonide ihany ny asany. Kanefa, mbola hajaina tsara toy ny dokotera taloha ve izy? Inona no vokatry ny zava-mitranga ankehitriny eo amin’ny fiainany? Ary inona no vokatry ny fandrosoana vao haingana eo amin’ny fifandraisany amin’ny marary?

Niova ny fifandraisana

Misy olona mbola mahatadidy fa taloha dia antonona tao anaty kitapon’ny dokotera daholo ny fanafody rehetra nilainy. Tsy nitovy ny fomba nitondran’ny olona ny dokotera tamin’izany, toy ny ankehitriny ihany. Nohajaina ny ankamaroany noho ny fahaizany sy ny toerana notanany ary ny hevitra nijoroany. Mety ho nokianina koa anefa izy ireny noho ny saram-pitsaboany, nomena tsiny satria tsy nahomby, ary nomelohina satria noheverina fa tsy nangoraka.

Na izany aza, dia dokotera maro no tena faly, satria afaka nitsabo fianakaviana manontolo, nanomboka tamin’ny raibe sy renibe ka hatramin’ny zafikely. Matetika no nankany an-tranon’ny olona ny dokotera tamin’izany. Nijanona nisakafo izy indraindray na natory mihitsy aza, raha nampiteraka tany ambanivohitra. Nikarakara ny fanafodin’ny marariny mihitsy aza ny maro. Nitsabo maimaim-poana ny mahantra ny dokotera tsara fanahy, sady azo nantsoina foana.

Marina fa mbola misy dokotera manao toy izany ankehitriny. Toa niova anefa tato ho ato ny fifandraisan’ny dokotera sy ny marary any amin’ny faritra maro, fa tsy toy ny tamin’ny taonjato maro lasa intsony. Inona no nahatonga izany? Aleo hojerentsika aloha ny amin’ny fankanesana any an-trano.

Nahoana no tsy mankany an-trano intsony?

Fanaon’ny dokotera taloha ny nankany an-tranon’ny marary, ary mbola misy manao izany ihany any amin’ny tany sasany. Nihena anefa io fanao io maneran-tany. Hoy Ny Gazetin’i Inde (anglisy): ‘Tsy dia misy intsony ny dokotera manome toky ny marary, mahafantatra tsara ny mpianakavy rehetra, ary vonona hankany an-trano rehefa ilaina. Lasa manam-pahaizana manokana mantsy izao ny dokotera maro.’

Mandroso be ny fitsaboana, ka nampitombo ny fahaizany ny dokotera maro, ary lasa miara-miasa. Vokatr’izany, dia mety ho dokotera hafa foana no mitsabo ny marary isaky ny tonga izy. Maro àry ny dokotera tsy afaka manana fifandraisana maharitra intsony amin’ny fianakaviana, toy ny taloha.

Efa ho 100 taona izay no tsy nankany an-trano firy intsony ny dokotera. Nihabetsaka mantsy ny fitsirihana nataony tany amin’ny laboratoara, ary lasa nampiasa bebe kokoa fitaovana fandinihana izy. Nanjary nihevitra koa ny fikambanana maro misahana fahasalamana, fa mandany ny fotoanan’ny dokotera ny fankanesana any an-trano. Afaka mandeha fiara kosa ankehitriny ny ankamaroan’ny marary, ary mankany amin’ny dokotera. Efa ataon’ny mpitsabo mpanampy sy ny mpiasa ao amin’ny fitsaboana vonjy aina koa izao, ny asa sasany fanaon’ny dokotera teo aloha.

Toe-javatra vaovao

Mihavitsy ny dokotera miasa tena ankehitriny. Matetika izy ireny no miasa amin’ny hopitalim-panjakana na fikambanana hafa misahana fahasalamana. Tsy tian’ny dokotera maro anefa ny hoe misy olon-kafa mibaiko azy ny amin’ny tokony ho fifandraisany amin’ny marary. Matetika, ohatra, no takin’ilay hopitaly na fikambanana, ny hampihenan’ny dokotera ny fotoana izahany marary iray. Hoy ny Dr. Sheila Perkins avy any Grande-Bretagne: “Fito ka hatramin’ny folo minitra ihany no fotoana ahazoako mizaha marary iray. Lany ampidirana fanazavana ao anaty ordinatera anefa ny ankamaroan’io fotoana io. Zara raha misy fotoana hifankahalalana bebe kokoa amin’ilay marary. Tena mahakivy ilay izy.”

Ny marary koa izao no lasa tò teny kokoa noho ny dokotera. Tsy azo notoherina, fahiny, ny tenin’ny dokotera. Any amin’ny tany maro anefa ankehitriny, dia tsy maintsy ampahafantarin’ny dokotera an’ilay marary ny fitsaboana rehetra azony isafidianana sy ny mety ho vokatr’izany. Anjarany avy eo ny mifidy izay fitsaboana tiany harahina. Niova àry ny fifandraisan’ny dokotera sy ny marary. Heverin’ny olona sasany ho manam-pahaizana amin-javatra sasany fotsiny ny dokotera.

Vehivavy koa ankehitriny ny ankamaroan’ny dokotera. Be mpitia izy ireny matetika satria heverina fa mihaino kokoa. Lasa mino àry ny olona fa mbola misy ihany ny dokotera mangoraka.

Tian’ny ankamaroan’ny olona ny dokotera mangoraka, izany hoe mahatakatra ny fihetseham-pony sy ny adin-tsainy. Tsara koa anefa ny manontany hoe: Ary mba firy ny marary mahafantatra ny fihetseham-pon’ny dokoterany sy ny adin-tsainy? Azo antoka fa hanatsara ny fifandraisan’ny dokotera sy ny marary izany. Hiresaka momba izay manjo ny dokotera ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 3]

Maimonide

[Sary nahazoan-dalana]

Brown Brothers

[Sary, pejy 4]

Nankany an-tranon’ny olona ny dokotera taloha