Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hoavin’ny Fitsaboana

Ny Hoavin’ny Fitsaboana

Ny Hoavin’ny Fitsaboana

LASA manombantombana ny ho fandrosoan’ny teknolojia ny olona matetika, rehefa manontany momba ny hoavin’ny dokotera. Lasa manontany koa izy ireo raha hampihena ny asa fanaon’ny dokotera isan’andro ireny fandrosoana ireny, ka hahatonga azy hanam-potoana kokoa ho an’ny marary tsirairay. Mifandray akaiky amin’ny hoavin’ny olombelona ny hoavin’ny dokotera. Misy boky roa miresaka momba ny hoavin’ny olombelona sady mitantara ny fiainan’i Jesosy sy ny apostoliny, ao amin’ny Baiboly. Dokotera no nanoratra azy ireo.

Nahoana no tena mahaliana ny fomba fijerin’ilay dokotera? Inona no ifandraisan’ireo tantara ireo amin’ny hoavin’ny dokotera sy ny marary? Nahoana no tsindrian-daona ny dokotera sasany, miandry ny fotoana tsy hilana intsony ny asany?

Mandinika tsara ny zava-misy ny dokotera maro. I Lioka, nantsoina hoe “dokotera malala”, no nanoratra ireo boky roa voalaza etsy aloha. Noresahiny tamin’ny an-tsipiriany ny momba ny marary sasany nositranin’i Jesosy sy ny apostoly. (Kolosianina 4:14) Manampy antsika hamaly ireto fanontaniana ireto àry izy: Tena nitranga tokoa ve ireny fanasitranana ireny? Raha eny, inona no dikan’izy ireny ho an’ny dokotera sy ny marary ankehitriny?

Nanome porofo

Afaka nanaporofo i Lioka fa fahagagana tokoa ireny fanasitranana ireny, satria afaka nanontany an’ireo nahita izany izy. Niara-nanao dia imbetsaka tamin’ny apostoly Paoly koa izy. Azo antoka fa teo izy tamin’i Paoly nanasitrana olona maro. Andeha hodinihintsika ny fitantaran’i Lioka an’ireny fanasitranana ireny, ary mariho fa nataony tamin’ny an-tsipiriany izany.

Hijery fitantarana iray isika. Nolazain’i Lioka ny ora sy ny andro ary ny toerana nitrangan’ilay izy: Misasakalina, andro voalohany tamin’ny herinandro, ary nisy Kristianina maromaro tao amin’ny rihana faharoan’ny trano iray tany Troasy, any Azia, provansy romanina. (Asan’ny Apostoly 20:4-8) Notantarainy tamin’ny an-tsipiriany avy eo izay nitranga: “Nisy tovolahy atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ary resin-tory tanteraka izy raha mbola nanao ny lahateniny i Paoly. Dia nitambotsotra izy, raha iny mbola natory iny ka nianjera avy teny amin’ny rihana faharoa. Ary rehefa narenina izy, dia hita fa maty.” Noho ny herin’Andriamanitra anefa, dia nositranin’i Paoly ny ratrany, ary novelominy indray izy. Taorian’ny sakafo, dia “nentin’ny olona ilay zazalahy efa velona, ary fampiononana lehibe no azon’izy ireo.”—Asan’ny Apostoly 20:9-12.

Niaraka tamin’i Paoly koa i Lioka tany Malta. Nandray azy ireo tsara i Poplio, “lehiben’ilay nosy.” Nanao fahagagana hafa tamin’ny lehilahy iray koa i Paoly tamin’izay. Mety ho nahafaty ny aretin’io lehilahy io, satria mbola tsy nisy antibiotika tamin’izany. Hoy i Lioka: “Teo am-pandriana ny rain’i Poplio, fa nanavy sady nivalan-dra izy. Dia nankao aminy i Paoly ary nivavaka sy nametra-tanana taminy ka nanasitrana azy. Taorian’izany, dia tonga teo amin’i Paoly koa ny narary hafa tao amin’ilay nosy, ka nositranina.”—Asan’ny Apostoly 28:7-9.

Inona no nampiaiky an’ilay dokotera?

Mbola afaka nanamarina ny fitantaran’i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly ireo olona voalohany namaky izany. Mbola teo mantsy ireo olona nositranina, ka azon’izy ireo nanontaniana. Hoy i Lioka momba izay nosoratany ao amin’ny boky mitondra ny anarany, ao amin’ny Baiboly: ‘Efa nofotorako tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra, eny, nofotorako tsara tsy misy diso, mba hahafantaranao tsara fa azo antoka izany.’ (Lioka 1:3, 4) Ny zavatra hitany sy nokarohiny no nampiaiky an’io dokotera io fa marina ny fampianaran’i Jesosy. Anisan’ireny ny fanasitranana mahagaga, ka nahatonga ny olona hino ilay faminanian’ny Baiboly hoe hofoanan’Andriamanitra ny aretina. (Isaia 35:5, 6) Nahita olona nijaly foana i Lioka noho izy dokotera, ka azo antoka fa tena nahafaly azy ny nieritreritra ny fotoana tsy hilana intsony ny asany. Mahafaly anao koa ve izany?

Tsara homarihina, fa izany no hoavin’ireo tia an’Andriamanitra, na aiza na aiza misy azy ireo eto an-tany. Mampanantena ny Baiboly fa rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ‘tsy hisy mponina hilaza hoe: Marary aho.’ (Isaia 33:24) Dokotera maro ankehitriny no nanatsoaka hevitra fa tena azo inoana ny fampanantenan’ny Baiboly.

‘Tena nahasarika ahy ilay izy’

Hoy ny Dr. Jon Schiller, any Amerika Avaratra: “Toy ny ankamaroan’ny olona, dia nianatra ho dokotera aho, mba hanampiana ireo mijaly noho ny aretina. Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ka tena nahasarika ahy ilay fanantenana fa tsy hisy intsony ny aretina. Nianatra ny tantaran’ny kolontsaina tandrefana tany amin’ny oniversite mantsy aho, ary nianarako fa nahatonga olana be dia be ny fivavahana. Nilaza ho nankatò izay lazain’ny Baiboly izy ireo, nefa toa tsy nanao izany akory. Nanontany tena àry aho hoe: ‘Inona marina no lazain’ny Baiboly?’ ”

“Sariaka ny olona tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy toy ny olom-pantatro maro. Izany no nahasarika ahy voalohany. Nanatona ahy ny Vavolombelona iray, ary nilaza tamiko fa afaka nitsidika ahy izy, mba hiara-midinika amiko ny Baiboly. Izao no tena nahavariana ahy: Nampiasa Baiboly foana izy mba hamaliana ny fanontaniako rehetra.”

“Lasa tiako kokoa izany hoe Vavolombelon’i Jehovah izany, arakaraka ny nandrosoan’ny taonako. Manantena hahavita zavatra tsara ianao, raha mbola tanora no lasa dokotera. Matetika anefa aho no mahita olona kivy, satria nahatsapa fa tsy dia nahavita zavatra betsaka. Izao amiko no tena mahatsara ny hoe Vavolombelon’i Jehovah: Manana fanantenana sy zava-kendrena izahay. Na dokotera izahay, na mpanamboatra fiarakodia, na mpanadio, dia fantatray fa tsara izay ataonay eo amin’ny fanompoanay an’Andriamanitra. Ho an’i Jehovah ny zavatra ataonay, ka mahafa-po anay izany.”

‘Nanatsara ny fiainanay ny toro lalan’ny Baiboly’

Dokotera any Failandy i Krister Renvall. Tia miresaka amin’ny ankizy izy. Hoy izy: “Niresaka tamin’ny ankizivavy iray 12 taona, efa ho fatin’ny kansera aho, indray andro. Nomeny boky hoe Ahoana no Hahitanao ny Tena Fiadanana sy Filaminana? * [amin’ny teny failandey] aho. Nampiaiky ahy ny fanehoany ny finoany, tamin’izy efa ho faty. Tsy nanam-potoana namakiana ilay boky anefa aho. Tena variana niasa tany amin’ny hopitaly iray any Helsinki mantsy aho. Nisy vokany ratsy taminay mianakavy izany.”

“Nalain’ny vadiko avy teo amin’ny fitoerany anefa ilay boky taoriana kelin’izay, ka novakiny. Niaiky avy hatrany izy fa ny fahamarinana no tao anatin’izy io. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika azy, ary nanomboka niara-nianatra Baiboly taminy. Somary natahotra ny hiteny tamiko izy tamin’ny voalohany. Hoy anefa aho, rehefa niteny tamiko izy: ‘Rehefa hanatsara ny fiainantsika mianakavy, dia mety daholo.’ Nanomboka niara-nianatra taminy koa aho. Nanatsara ny fiainanay mianakavy ny toro lalan’ny Baiboly. Niova koa ny fahitanay ny fiainana. Faly aho nahalala fa tsy hisy intsony ny aretina. Hitako fa ara-dalàna raha manana izany fikasana izany momba ny olombelona Andriamanitra. Tsy ela dia natao batisa izahay mivady, ary tatỳ aoriana, ny zanakay rehetra. Ilay ankizivavikely niresaka tamiko no maty, fa ny finoany mbola velona.”

Mihasarotra hatrany ny asan’ny dokotera amin’izao fiainantsika miova haingana izao. Tena mendri-piderana àry ny ezaka mafy ataon’izy ireo hanampiana ny marary. Efa tena kely anefa sisa dia hitranga ny fiovana lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny olombelona. Dokotera maro ankehitriny no miandrandra sy matoky ny hoavy ampanantenain’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy inona izany fa tontolo iray tsy hisian’ny aretina intsony! (Apokalypsy 21:1-4) Foto-kevitra mendrika hohalalinina izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 10, 11]

“HITAKO FA MISY ZAVA-KENDRENA NY FIAINANA”

“Hitako fa tena hafa ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’izaho nitsabo mpianatra sembana. Toa nahay kokoa niatrika ny fiainana izy ireo na dia nanan-janaka sembana aza, fa tsy toy ny ray aman-dreny hafa. Tsy nampoiziko koa fa mahalala zavatra kokoa izy ireo, raha jerena ny asa ataony. Nampiaiky ahy ny finoan’izy ireo. Saika tsy nanam-pinoana intsony aho noho ireo mpampianatra ny evolisiona. Na izany aza, dia nahatonga ahy ho talanjona tamin’ny firafitry ny zavamananaina, ny fianarako ho dokotera.”

“Hitako koa anefa tamin’izay, fa tsy nahay nitaiza ny zanako aho. Inona no toetra tsy tokony hananany? Ary inona no tokony hampirisihako hananany? Inona no tanjona hasaiko hotratrariny? Lasa tsy nisy dikany ny fiainako. Nivavaka mihitsy aza aho mba hahazo fanampiana.”

“Tamin’izay no nisy Vavolombelon’i Jehovah nanome ahy gazety miresaka ny fomba fanitsiana ny ankizy amim-pitiavana. Hitako fa tena tsara ny toro lalan’ny Baiboly tao amin’izy io. Nanaiky hiara-mianatra Baiboly tamin’izy ireo àry aho. Hitako fa misy zava-kendrena ny fiainana, rehefa nianatra ny antony namoronan’i Jehovah antsika sy ny antony nahafatesan’i Jesosy aho. (Jaona 3:16; Romanina 5:12, 18, 19) Nanakorontana ny saiko ny evolisiona. Tena maivamaivana anefa aho, rehefa nahalala fa tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ny aretina sy ny fahafatesana! Mbola mahafa-po ahy hatramin’izao ny mampianatra olona tso-po, ny fomba hanafoanan’Andriamanitra ny aretina tsy ho ela.”

[Sary]

Helena Bouwhuis, dokotera mitsabo mpianatra any Holandy

[Sary, pejy 9]

Tamin’ny apostoly Paoly nanasitrana ny rain’i Poplio sy nanangana an’i Eotyka, dia niaraka taminy i Lioka, dokotera sy mpanoratra Baiboly

[Sary, pejy 10]

Dr. Jon Schiller, Etazonia

[Sary, pejy 10]

Dr. Krister Renvall, Failandy