Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tonga Zavatra Rehetra Tamin’ny Olona Rehetra’ ve ny Zezoita?

‘Tonga Zavatra Rehetra Tamin’ny Olona Rehetra’ ve ny Zezoita?

‘Tonga Zavatra Rehetra Tamin’ny Olona Rehetra’ ve ny Zezoita?

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Espaina

TSY nirin’ny Zezoita mihitsy izany hoe halaza ho milefitra loatra izany. Namoaka didy ny papa tamin’ny 1540, mba hananganana ny Fikambanan’i Jesoa. * Nantsoina hoe “Ho Fitantanana ny Mpitolon’ny Eglizy”, io didy io. Toa natao hiarovana ny fivavahana katolika mihitsy izy io tamin’izany, satria nanjaka ny ady ara-pivavahana.

Nandidy ny mpanara-dia azy i Ignace de Loyola, mba “hitolona ... eo ambany fanevan’ny Lakroa.” Nanoro hevitra azy ireo koa anefa izy, mba ho ‘tonga zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.’ Nino ny Zezoita fa ho mora kokoa aminy ny hankatò ilay didy, raha arahiny ilay torohevitr’i Loyola. Nieritreritra izy ireo fa hahavita zavatra betsaka, raha mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy.

Tsy ela dia be mpitady ny Zezoita nahita fianarana sy nahay niaina nifanaraka tamin’ny zava-nisy, mba hatao mpampianatra, mpitondra fanjakana, tandapa, ary mpampikonfesy. Toa nihoatra lavitra noho izay nokasain’i Loyola ny zava-bitan’izy ireo. Nahomby tamin-javatra maro izy ireo, indrindra fa tamin’ny politika, ka lasa nanam-bola sy fahefana be. Niteraka olana lehibe koa anefa izany.

Nofoanan’ny Papa Clément Faha-14 tsy hisy “mandrakizay” ny Zezoita, tamin’ny 1773, noho ny faneren’i Frantsa sy Portogaly ary Espaina. Nahoana? Mba “hampisy tena filaminana maharitra eo anivon’ny Eglizy.” Niteraka olana maro ny Zezoita, noho izy ireo nanam-pahefana be teo amin’ny politika. Nofoanana ilay didin’ny papa, 41 taona tatỳ aoriana, nefa tsy nanam-pahefana be toy ny teo aloha intsony izy ireo.

Misy 23 000 eo ho eo izao ny Zezoita eran-tany. Mbola mampisy adihevitra be eo anivon’ny fivavahana katolika ihany izy ireo, satria manohana ny tolona atao ho an’ny mahantra sy ny fandraisan’ny pretra anjara amin’ny politika ary ny fanabeazana aizana. Tsy faly ny papa satria tsy nitovy hevitra tamin’ny besinimaro izy ireo. Tsy nanaraka ny lalàm-pifidianan’ny Zezoita àry ny Papa Jean-Paul II, tamin’ny 1981, fa izy mihitsy no nanendry izay ho mpitarika azy ireo.

Tato ho ato, dia tany amin’ny fikambanana Opus Dei * ny papa no tena nitady fanampiana, satria nanohana ny Eglizy foana izy ireo. Tsy fikambanana katolika tsotra anefa ny Zezoita. Nahoana àry izy ireo no niteraka adihevitra be foana, na dia teo amin’ny Katolika aza? Niaina nifanaraka tamin’ilay anarany hoe Fikambanan’i Jesoa ve izy ireo? Inona marina moa no asa nanirahana azy?

Ny asa nanirahana azy ireo

Hampiova finoana ny olona any Palestina no nokasain’i Loyola hataon’izy ireo, tamin’ny voalohany. Lasa nanao asa hafa anefa izy ireo, noho ny zava-nitranga tamin’ny taonjato faha-16. Nanozongozona ny Eglizy Katolika Romanina mantsy ny fisarahan’ny Protestanta taminy. Nisokatra koa tamin’izay ny fifamoivoizana an-dranomasina nankany Azia sy Amerika. Tapa-kevitra hanao asa roa àry ny Zezoita: Hampitsahatra ny “fivadiham-pinoana” teo anivon’ny Fivavahana kristianina, ary hanomboka hampiova finoana ny tany tsy Katolika. Asa lehibe no niandry azy ireo, noho izany. Vitsy anefa izy ireo, ka tapa-kevitra i Loyola fa hampiofanina tsara ny Zezoita tsirairay.

Namorona voady efatra ho azy ireo izy, ary nasainy nanao fampiasan-tsaina mitohitohy ireo vaovao. Nanoratra fehezan-dalàna koa izy, na fitsipika mifehy ny fitondran-tenan’ny Zezoita. (Jereo ny efajoro.) Fankatoavana tanteraka ny eglizy no teny filamatry ny Zezoita. Hoy i François Xavier, anisan’ny mpanara-dia voalohany an’i Loyola: “Tsy hino ny Filazantsara intsony aho, raha izany no didin’ny Eglizy Masina.” Tsy nisy zavatra navelan’izy ireo hanakantsakana ny fanatanterahany ny asany. Hoy i Loyola tamin’izy ireo: “Miadia mba hahazo olona, na aiza na aiza ahitanareo azy. Ataovy izay rehetra azonareo atao.” Inona avy no azon’izy ireo natao?

Nampitsahatra ny fitaoman’ny Protestanta

Nihanatanjaka ny Fivavahana Protestanta, ka ny fampianarana sy ny konfesy no tena nentin’ny Zezoita nampitsahatra ny fitaoman’izy ireo. Kisendrasendra ihany no nahitan’ny Zezoita, fa tany amin’ireo sekoly ambony vao naoriny, fa tsy tamin’ny alalan’ny fitoriana, no nahomby kokoa ny fampianarana momba ny fivavahana katolika tamin’ny mpanjaka sy ny andriana. Nanana fahefana handidy izay ho fivavahana harahin’ny vahoakany koa mantsy ny andriana, tamin’ny taonjato faha-16. *

Nilaza mihitsy aza i Loyola hoe: “Tsy miankina amin’ny fitoriana loatra ny zavatra tsara azon’ny Fikambanana atao mba hampandrosoana ny fivavahana katolika, fa amin’ny fampianarana any amin’ireo sekolintsika.” Ny sekoly ambony zezoita no nampiofana ny maro tamin’ireo lasa mpitondra eoropeanina, sy nampianatra azy ireo ny finoana katolika. Nanafoana ny Protestanta izy ireo matetika, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana. Vao mainka nahomby koa ny Zezoita, noho ny fomba vaovao nanaovany ny konfesy. Hoy i Paul Johnson, mpahay tantara: “Toy ny fifandraisan’ny mpisolovava amin’ny olona mila vonjy any aminy, ny fifandraisan’ny Zezoita tamin’ireo olona ambony nikonfesy tany aminy.” Tsy mahagaga raha be mpitia kokoa io fomba vaovao io. Tsy ela dia nanana Zezoita mpampikonfesy azy ny mpanjaka eoropeanina maro. Tonga zavatra rehetra tamin’ireo olona ambony rehetra notoroany hevitra ny Zezoita.

Nilefitra tamin’ny resaka fitondran-tena, ny Zezoita mpampikonfesy. Tsy nilefitra mihitsy kosa izy tamin’ny resaka “fivadiham-pinoana.” Nanoro hevitra an’i Louis Faha-15, mpanjaka frantsay, ohatra, ny Zezoita iray, mba hanisy tohatra miafina mampitohy ny efitranony sy ny an’ny vadikeliny, “ho fanajana ny fahamendrehana.” Nandresy lahatra an’i Louis Faha-14 koa ny Zezoita iray hafa, mba hanafoana ny Lalàn’i Nantes (lalàna namela ny Protestanta Frantsay, na ny Huguenots, hanana fahalalahana kely ara-pivavahana). Lasa nenjehina mafy àry ny Huguenots, ka maro taminy no novonoina.

Hoy i Paul Johnson, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Tantaran’ny Kristianisma (anglisy): “Izao koa no tena nahafantarana ny Zezoita: Nihevitra izy ireo fa azo atao ny mandika ny fitsipi-pitondran-tena, rehefa voatohintohina ny tombontsoan’ny Katolika. ... Niavaka ny Zezoita, satria nahita fianarana sy nafana fo, nefa nampandefitra ny fitsipi-pitondran-tena narahiny noho ny tsy fifanarahana ara-pivavahana.”

Nandray anjara betsaka tamin’ny Fanoherana ny Fanavaozana Protestanta ny Zezoita, na dia niovaova aza ny fitsipi-pitondran-tena narahiny. Mety ho izany mihitsy aza no antony nandraisany anjara betsaka tamin’izy io. Hoy ny Papa Grégoire Faha-13, 41 taona monja taorian’ny niorenan’ny Zezoita: “Ny Fikambananareo masina izao no fikambanana matanjaka indrindra natsangan’Andriamanitra, mba hamongorana ny mpivadi-pinoana.” Nahavita nampitsahatra ny “fivadiham-pinoana” tokoa izy ireo, satria nahay niaina nifanaraka tamin’ny zava-nisy, ary nanam-pahefana be teo amin’ny mpitondra. Hanampy azy ireo hampiova finoana olona koa ve izany?

Niaina nifanaraka tamin’ny zava-nisy

Nanao izay hampiova finoana ny mpanjaka koa ny Zezoita tany Azia, toy ny nataony tany Eoropa. Hanaraka ho azy avy eo ny vahoaka. Mba hahatratrarany an’io tanjona io, dia lasa tafahoatra ny nampiharany ilay torohevitr’i Loyola hoe tokony ho tonga zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. Nandritra ny taonjato faha-17, dia naka tahaka ny fomba fiainan’ny Brahmane ambony saranga tany Inde i Roberto de Nobili, misionera zezoita, mba hitoriana tamin’ny mpitondra. Mba tsy hanafintohinana ny Brahmane, dia hazo no nanolorany ny Eokaristia, na ny mofo masin’ny Lamesa, tamin’ny olona ambany saranga, nantsoina hoe Tsy Fikasika.

Lasa tandapa sinoa tò teny i Matteo Ricci, satria nahay matematika sy astronomia. Tsy nitory ny finoany anefa izy. Nanangana toerana fanamboarana tafondro mihitsy aza i Johann von Bell, ilay Zezoita nandimby azy tao an-dapa, ary nampianatra ny miaramila sinoa ny fampiasana basy (izay nomena anaran’ny “olo-masina” katolika). Navelan’ny Zezoita hanohy hivavaka tamin’ny razana ny Katolika sinoa, mba hahazoana olona. Niteraka adihevitra be anefa izany, ka noraran’ny papa tamin’ny farany. Tsy niova finoana ny mpitondra tany Inde sy Chine, na dia niezaka niaina nifanaraka tamin’ny zava-nisy aza ny Zezoita.

Fanjanahana kosa no fomba nandraman’ny Zezoita, tany Amerika Atsimo. Nanorina tanàna nahazaka tena ny Zezoita tany amin’ny faritra afovoan-tany mbola tsy nisy nanjanaka, nonenan’ny Indianina guarani. Ny misionera zezoita no tena nitondra. Nampianarina fambolena, fiompiana, mozika, ary fivavahana ny mponina, ho takalon’izany. Nahatratra 100 000 ny mponina tamin’ireny tanàna ireny, tamin’ny fotoana nampahatanjaka azy indrindra. Noravana anefa izy ireny avy eo, satria nanembantsembana ny varotry ny Portogey sy ny Espaniola. Nampiofana miaramila indianina 30 000 ny Zezoita, ka nanao ady nahatsiravina tamin’ny Portogey. Rava ihany anefa ireo tanàna ireo tamin’ny 1766, ary natao sesitany ny Zezoita.

Zezoita maro no nahafoy zavatra be dia be, nandritra ny taonjato maro, mba hitoriana ny finoana katolika maneran-tany. Novonoina tamin-kabibiana ny sasany, indrindra fa tany Japon. Nahomby kely ihany izy ireo, talohan’ny nandraran’ny mpitondra japoney ny asany. *

Be zotom-po sy vonona hamoy zavatra maro ny Zezoita. Ny tetika nataony anefa no tena tsy nampahomby ny fiezahan’izy ireo hampiova finoana an’izao tontolo izao.

Nafangaro ny filazantsara sy ny politika

Toa mbola tsy nazoto niala tamin’ny politika ihany ny Zezoita tamin’ny taonjato faha-20, na dia teo aza ny olana tamin’ny lasa. Nanao fiovana lehibe anefa izy ireo. Tsy nanohana ny fitondrana tsy tia fiovana intsony izy ireo, na dia izany aza no nataony nandritra ny taonjato maro. Ireo mpitaky fiovana kosa no tena notohanany, indrindra raha nipetraka tany amin’ny tany an-dalam-pandrosoana izy. Miavaka amin’izany izay nitranga tany Nikaragoà.

Nanantena ny fanohanan’i Fernando Cardenal sy Álvaro Argüello, ny Sandinista, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana. Samy mompera zezoita nalaza izy ireo, ary nanaiky homena toerana tao amin’ny governemanta. Hoy i Argüello, mba hanamarinana ny fanaovany politika: “Tsy Kristianina mihitsy izay olona eto Nikaragoà tsy manohana ny tolom-bahoaka. Tsy maintsy manohana ny tolom-bahoaka ankehitriny izay te ho Kristianina.” Mazava ho azy fa nanafintohina olona tso-po maro, izany fampifangaroana ny filazantsara tamin’ny politika izany.

Efa tamin’ireo taona 1930 no nokianin’i Miguel de Unamuno, filozofa espaniola nalaza, ny Zezoita, noho izy ireo nanao politika. Nilaza izy fa mifanohitra amin’ny fampianaran’i Jesosy ny ataon’izy ireo. Izao no nosoratany: ‘Izany fitondrana sosialista tarihin’i Jesosy Kristy izany foana no firehan-kevitry ny Zezoita. Izany no entiny hamahana ny olana ara-politika sy ara-toe-karena ary ny olana eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy misy idiran’i Kristy amin’ny sosialisma na amin’ny fananan’olona manokana anefa. Nilaza izy fa tsy avy eto amin’ity tontolo ity ny fanjakany.’

Tia manova zavatra eo amin’ny resaka finoana koa ny Zezoita ankehitriny. Nanakiana ampahibemaso ny didin’i Vatikana momba ny vehivavy te ho mompera i Michael Buckley, Zezoita amerikanina malaza. Nanohana ny tolona atao ho an’ny mahantra sy ny “hevitr’i Marx momba ny fampianaran’ny fivavahana” i Jon Sobrino, Zezoita any Salvadaoro. Tsy maintsy nandefa taratasy ho an’ny Zezoita rehetra ny lehiben’izy ireo, tamin’ny 1989, mba handrarana azy ireo tsy hanakiana ny didin’i Vatikana momba ny fanabeazana aizana.

Rehefa jerena ny zava-bitan’ny Zezoita taloha sy ankehitriny, azo atao ve ny milaza fa tena fikambanan’i Jesosy izy ireo?

Tena fikambanan’i Jesosy ve izy ireo?

Hoy i Jesosy: “Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo ianareo.” (Jaona 15:14) Mankatò tanteraka an’Andriamanitra sy Kristy, fa tsy olon-kafa, ny tena naman’i Jesosy sy mpianany. (Asan’ny Apostoly 5:29) Tsy maintsy miteraka fanamparam-pahefana sy fampifangaroana ny politika amin’ny hafatr’i Kristy, ny fankatoavana olona fa tsy Andriamanitra.

Marina fa nandresy ny Zezoita tamin’ny ady sasany nataony ho fanoherana ny Fivavahana Protestanta. Inona anefa no vokany? Natakalon’izy ireo tetika ara-politika ny fitiavana ny mpiara-belona. Nampifangaroiny tamin’ny firehan-kevitra sy tanjona ara-politika ny filazantsara notoriny. Niezaka nampiova finoana an’izao tontolo izao ny Zezoita, nefa lasa anisan’izy io. Izany ve no fanirian’i Jesosy?

Hoy izy momba ny tena mpianany: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Marina fa ‘tonga zavatra rehetra tamin’ny olona rehetra’ ny apostoly Paoly. (1 Korintianina 9:22, Fandikan-teny Protestanta) Ny dikan’izany anefa dia hoe nampifanaraka ny hafatra notoriny tamin’ny mpihaino azy izy, fa tsy hoe nampandefitra ny toro lalana kristianina mba hampiova finoana olona na hanana fahefana be eo amin’ny politika.

Izao no tanjon’i Loyola: Tokony hasehon’ny Zezoita amin’izao tontolo izao, fa manahaka an’i Jesosy Kristy izy ireo. Lasa ratsy laza anefa izy ireo satria nanao politika sady fetsifetsy. ‘Tonga zavatra rehetra tamin’ny olona rehetra’ izy ireo, fa tsy ‘nanao ny zava-drehetra ho voninahitr’Andriamanitra.’—1 Korintianina 10:31.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ilay Espaniola nanangana azy io, atao hoe Ignace de Loyola, no namorona ilay anarana hoe Fikambanan’i Jesoa. Ny Protestanta kosa no namorona ilay hoe “Zezoita”, ary io no tena ahafantarana azy ireo.

^ feh. 8 Avy amin’ny teny latinina midika hoe “Asan’Andriamanitra.” Olona ambony katolika no tena mpikambana ao. I José Escrivá, pretra katolika, no nanangana azy teto Espaina, tamin’ny 1928.

^ feh. 13 Tany amin’ny Fifaneken’i Augsbourg, tamin’ny 1555, no namoronana ilay lalàna amin’ny teny latinina hoe cuius regio eius religio (izay fivavahan’ny andriana no fivavahan’ny vahoakany).

^ feh. 22 Namono Zezoita sy Fransiskanina maromaro i Hideyoshi, mpitondra japoney, satria nilaza ny Espaniola fa handefa miaramila aorian’ny misionera. Nikasa hampiasa olona nanolo-tena avy any Philippines sy Japon ny Zezoita, mba hahazoana an’i Chine. Azo antoka fa izany no vao mainka nahatonga ny Japoney hiahiahy azy ireo. Nivoaka tamin’ny 1614 àry ny didy nandrara ny asan’izy ireo. Voalaza tao fa manahy ny Japoney sao ny “hanova ny governemanta sy haka ilay tany” no tanjon’ny Katolika.

[Efajoro, pejy 12]

Fepetra Takina Amin’ny Zezoita

Ireo voady efatra. Telo no atao voalohany: voadin’ny fahantrana sy fahadiovam-pitondran-tena ary fankatoavana. Afaka 12 taona no atao ny fahefatra. Hivoady ilay Zezoita amin’izay, fa “hankatò ny toromarika rehetra omen’ny Papan’i Roma.”

Ny Fampiasan-tsaina dia boky misy fandaharam-pisaintsainana maharitra iray volana. Ny hahatonga ilay mpianatra haniry hanokan-tena ho Zezoita mandra-pahafatiny no tanjon’izy io.

Maka sary an-tsaina ny fijalijaliana ao amin’ny afobe ilay mpianatra, mandritra ny herinandro voalohany. Ampiasainy ny vavahadin-tsainy rehetra amin’izany. Amin’ny herinandro faharoa, dia tsy maintsy manapa-kevitra izy raha te ho lasa Zezoita na tsia. Atokana hisaintsainana ny fijalian’i Jesosy sy ny nahafatesany ny herinandro fahatelo, ary “hiainana” ny fitsanganany kosa ny herinandro farany.

Ampianarina tsikelikely koa ilay mpianatra. Amin’ny herinandro voalohany, ohatra, dia asaina “mifoka ny setroka, ny solifara, ny fofona maimbo, ary ny fofon-javatra lo ao amin’ny Afobe” izy, sady “maka sary an-tsaina ny fomba ahatratraran’ny afo ny fanahy, ka andevonany azy io.”

Ny Fehezan-dalàna dia boky mitovy amin’ny Talmoda, izay lalàna mifehy ny Jodaisma. Lalàna noforonin’i Ignace de Loyola no ao anatiny. Resahina ao, ohatra, hoe ahoana no tokony ho paozin’ny tanana, ahoana no fijerena olona manam-pahefana, ary nahoana no tsy tokony hiketrona.

Ny fankatoavana tanteraka ny lehibe no tena asongadin’ny Fehezan-dalàna. Izao no voalaza ao: “Toy ny faty ny olona ambany, eo anatrehan’ny lehibeny.”

[Efajoro, pejy 15]

Nahoana no Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny Zezoita Iray?

Tamin’izaho niasa tany amin’ny paroasy mahantra tany Bolivia no nanomboka nisalasala tamin’ilay fivavahana narahiko. Tsy ny eglizy no nahatonga izany, tamin’ny voalohany, fa ny solontenany. Tsy maintsy nankany amin’ny eveka teo an-toerana aho, ohatra, isam-bolana, mba hitondra ny anjarany avy tamin’ny rakitra sy ny vola azo tamin’ny Lamesa manokana, mariazy, fandevenana, ary ny zavatra hafa. Kely foana ny anjarany, satria nahantra ny paroasy niadidiako. Tena nalahelo aho, satria isaky ny nanokatra ilay valopy izy, dia niteny tamin’ny feo manambany hoe: “Ity ve no mba fanomezana nentinao ho ahy?” Hita fa tsy nisy dikany taminy ny ‘vola madinika roa nalatsak’ilay mpitondratena.’—Lioka 21:1-4.

Izao koa no nanelingelina ny saiko: Nampidirana fampianarana sy fanaon’ny mpanompo sampy avy teo an-toerana ny fivavahana tamin’ny Cristo de la Vera-Cruz (Kristin’ny Tena Lakroa). Sary tao amin’ilay paroasy niadidiako izy io. Nalahelo aho, satria neken’ireo lohandohany ao amin’ny eglizy izany. Tena hita matetika fa avy tamin’ny demonia ireny fanao ireny, ary nanao zavatra tafahoatra ireo nandray anjara tamin’izy ireny. Mazàna no mamo be koa ny olona nandritra io fety ara-pivavahana io, nefa mbola tsy nisy tompon’andraikitra nanohitra izany mihitsy.

Nanjary niaiky aho fa tsy nanaraka intsony ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny Eglizy Katolika, rehefa afaka taonjato maro, fa nosoloany lovantsofin’olombelona sy filozofia kosa izany. Tsy olona vitsivitsy koa no nanao izany. Tsy tena narisika tamin’ny fivavahana katolika intsony àry aho.—Notantarain’i Julio García. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 52 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 15 Febroary 1983 ny tantaram-piainany.