Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ela Fihaingo Kokoa ny Lehilahy Eoropeanina

Milaza ny gazety The Daily Telegraph any Londres, fa ‘tato anatin’ny dimy taona farany, dia lasa mandany adiny telo mahery kely isan-kerinandro ny lehilahy mba hihaingoana. Mandany adiny roa sy sasany kosa anefa ny vehivavy.’ Hita fa mifantoka kokoa amin’ny paoziny ny lehilahy, satria mihabetsaka no mankany amin’ny toerana fanatsarana hoditra, fanamboarana volo, fikarakarana vatana, ary fividianana ranomanitra ho an’ny lehilahy. “Vola £13 600 tapitrisa [no lany tamin’izany] tamin’ny taon-dasa, ary mety ho tafakatra £16 100 tapitrisa izany amin’ny 2008.” Nilaza tao amin’ilay gazety ny mpitantana toerana fampihaingoana lehilahy hoe: “Mihabetsaka ny olona mandany £200 tsy tapaka, mba hanatsarana tarehy, tanana, tongotra, ary hanamboarana hoho.” Milaza koa ilay gazety fa “ankehitriny dia amidy mivantana amin’ny lehilahy, ny antsasa-manilan’ny ranomanitra ho an’ny lehilahy, fa tsy amin’ny vadiny na amin’ny ankizivavy miaraka aminy intsony.”

Be Loatra ny Manana Diplaoma

Milaza ny gazety El Universal any Mexico, fa “tsy antoka hahazoana asa ny fananana diplaoma ankehitriny.” Hita tamin’ny fandinihana natao vao haingana tany Meksika, fa “teo anelanelan’ny taona 1991 sy 2000, dia efa ho ny antsasaky ny mpiasa no nanao asa tsy nifanentana tamin’ny diplaomany.” Eo amin’ny 750 000 no nahazo diplaoman’ny oniversite, nefa manao asa toy ny “mpandray antso an-telefaonina, mpamily, mpanao mazia, mpanao hatsikana, [ary] mpiasa amin’ny bara.” Asa tsy ilana diplaoma akory ireo. Tombanan’ilay tatitra fa amin’ny 2006 dia hihoatra 131 000 ny mpitantan-draharaha, raha oharina amin’ny asana mpitantan-draharaha misy. Hihoatra 100 000 koa ny mpitana kaonty, 92 000 ny injenieran’ny ordinatera, 92 000 ny mpampianatra any amin’ny ambaratonga voalohany, ary 87 000 ny mpisolovava.

Mifaninana ny Fiara sy ny Bisikileta any Chine

Mandroso ny toe-karena sinoa, ka aleon’ny olona mitondra fiara toy izay bisikileta. Ohatra: ny ampahefatry ny olona any Beijing izao sisa no tena mampiasa bisikileta, raha antsasany mahery izany, folo taona lasa izay. Milaza ny gazety kanadianina Toronto Star fa “mitombo 400 000 mahery isan-taona ny fiara eny amin’ny araben’i Beijing fotsiny.” Lasa “12 kilaometatra isan’ora eo ho eo monja ankehitriny, ny hafainganam-pandeha eny amin’ny arabe” any. Manao tatitra ny gazety National Geographic, fa nandritra ny 2003, dia “nividy fiara maherin’ny roa tapitrisa ireo mpiasa nanan-karena vao haingana [tany Chine]. Mihoatra 70 isan-jato noho ny tamin’ny 2002 izany.” Lazainy koa fa “mety ho efa nihoatra an’i Japon i Chine, ka izy indray izao no firenena faharoa mampiasa solika indrindra.” Manjary miantehitra be amin’ny solika mantsy ny olona, fa tsy mivoy bisikileta intsony. Na izany aza, dia mbola misy bisikileta 470 tapitrisa eo ho eo any.

Tsara Hamakiana Teny ny Zaza Menavava

Milaza ny gazety The Toronto Star hoe: “Misy fiantraikany lalina eo amin’ny fiainan’ny ankizy ny famakian-teny. Mampirisika ny ray aman-dreny àry ny manam-pahaizana ankehitriny, mba hanomboka hanao izany raha vao teraka ora vitsivitsy monja ny zanany.” Nisy hetsika fampianarana ny zaza menavava mba hahay taratasy, natao tany Kanada, roa taona lasa izay. Nilaza toy izao ny Dr. Richard Goldbloom, izay nitarika an’ilay hetsika: ‘Hitanay sy nianaranay fa tena manaraka sy mihaino tsara ny zaza rehefa amakiana teny, na dia menavava aza.’ Hita tamin’izany, fa lasa mahay voambolana betsaka sy mahay mamaky teny kokoa ny zaza, na dia omena boky fotsiny aza dieny mbola kely. Milaza koa ilay gazety hoe: ‘Tsy hanery ny zaza hianatra hamaky teny akory no tanjona, fa ny handrenesany fiteny mety. Hahay voambolana sy litera ary hamantatra feo izy ireo amin’izay, ka hahay hamaky teny tsara amin’ny farany.’

Biby Mihalany Tamingana

Milaza ny gazety El Comercio any Peroa, fa vao haingana dia nahavita niaro ny ampahafolon’ny zavaboary eto an-tany ireo mpiaro ny loharanon-karena voajanahary. Mendri-piderana izany ezaka izany, nefa “tena atahorana ho lany tamingana ny karazany 300, fara fahakeliny, amin’ny vorona, biby mampinono, sokatra, ary ny biby mivelona anaty rano sy an-tanety.” Tsy voaron’ireo tahirin-javaboary misy ankehitriny mantsy izy ireo. Milaza i Gustavo Fonseca, tale lefitry ny fikambanana iray iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana, fa “tsara erỳ” ny tanjon’ilay fikambanana, saingy tsy ho tratra. Hoy koa izy: ‘Ireo faritra tena ahitana ny biby atahorana ho lany tamingana no tsy maintsy harovana.’ Nasongadin’ilay gazety fa mety hampanjavona tanteraka ny biby atahorana ho lany tamingana ny fivarotana azy ireo. Anisan’ny varotra tsy ara-dalàna indrindra eran-tany izany, manarakaraka ny fivarotana zava-mahadomelina sy fitaovam-piadiana an-tsokosoko. Saika avy any amin’ny alan’i Amerika Atsimo ny antsasaky ny biby atao varo-maizina eran-tany.

Tandremo ny Zava-pisotro Misy Fangarony

Mampitandrina ny gazety The Australian fa “efa ho olona dimy isan’andro [any Aostralia] no misy manolana, rehefa avy nisotro zavatra nisy fangarony tany amin’ny bara, toeram-pandihizana, ary fiaraha-mikorana.” Tsy fantany akory, fa nisy nandraraka zava-mahadomelina na toaka ny zavatra hosotroiny. Tsy misy lokony, na tsirony, na fofony mantsy ny zava-mahadomelina sasany. Mety tsy ho tonga saina, na tsy ho afa-mihetsika, na tsy hahatsiaro tena ilay olona. Maty mihitsy aza ny sasany. Nanao fikarohana nanerana an’i Aostralia ny Fikambanana Misahana ny Heloka Bevava any. Hita tamin’izany, hoy ilay gazety, fa “olona 4 500 eo ho eo isan-taona no nisotro zavatra nisy fangarony, ary efa ho ny antsasany no nisy nanolana.” Mety tsy ho tadidin’ilay olona akory izay nanjo azy, rehefa lefy ny herin’ilay zava-pisotro.

Mbola Mety ho Avotra ve ny Sosona Ôzônina?

Milaza ny ECOS, gazety avoakan’ny fikambanana iray mpanao fikarohana any Aostralia (CSIRO), fa “nihena ihany ny gaza chlorofluorocarbone (CFC) teny amin’ny atmosfera.” Mbola tsy nisy CFC ny atmosfera, talohan’ireo taona 1950. Manimba ny sosona ôzônina miaro ny tany anefa izy io. Nihabetsaka foana ny CFC teny amin’ny atmosfera nandritra ny 50 taona mahery, mandra-pahatongan’ny taona 2000. Milaza ny ECOS fa “nihena efa ho iray isan-jato isan-taona” ny CFC, nanomboka tamin’io taona io. Hoy koa izy io: “Toa manondro [io fihenana io] fa mety ho tampina ny lavaky ny sosona ôzônina, any antenatenan’ity taonjato ity.” Mbola manimba foana anefa io zavatra simika io. Hoy ihany ilay gazety: “Mbola ilay lavaky ny sosona ôzônina any amin’ny Tendrontany Atsimo ihany no lehibe indrindra tamin’ity taona ity, na dia eo aza ilay fihenana. Efa ho 29 tapitrisa kilaometatra toradroa ny velarany, izany hoe mihoatra ny intelon’i Aostralia.”