Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ifehezako ny Fihetseham-poko?

Ahoana no Ifehezako ny Fihetseham-poko?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Ifehezako ny Fihetseham-poko?

“Rehefa tezitra be amin’ny Dada sy Mama aho, dia manao teny tsy voahevitra amin’izy ireo. Ataoko izay tsy hifankahitana aminy, raha tsy efa afaka ny foko.”—Kate, 13 taona.

“Tsy matoky tena mihitsy aho. Hafahafa indraindray ny zavatra tsapako, ka toy ny hoe tsy misy fihetseham-po mihitsy aho.”—Ivan, 19 taona.

MAHERY ny fihetseham-po. Misy vokany eo amin’ny fomba fisainanao sy ny zavatra ataonao izy io, ary mety hitarika anao ho amin’ny tsara na ny ratsy. Mety hahatonga anao tsy hisaina tsara aza izy io indraindray. Hoy i Jacob, 20 taona: “Tsy mety afa-po amin’ny zavatra ataoko mihitsy aho. Matetika no tsy araka ny eritreretiko ny zava-bitako. Mitomany aho indraindray na tezitra be, ka anamparako ny hatezerako ny olona manodidina ahy. Sarotra amiko ny mifehy ny fihetseham-poko.”

Mila mianatra mifehy tena anefa ianao, raha te ho olon-dehibe matotra sy mahay mandray andraikitra. Milaza ny manam-pahaizana sasany, fa sarobidy noho ny fahiratan-tsaina ny fahaizana mifandray amin’olona, sy ny mifehy ny fihetseham-po. Ny Baiboly mihitsy koa dia milaza fa zava-dehibe ny fifehezana ny fihetseham-po. Hoy, ohatra, ny Ohabolana 25:28: “Tanàna efa afaky ny fahavalo ka tsy misy manda, toy izany ny olona tsy mahay mifehy tena.” (Fandikan-teny Katolika) Nahoana no sarotra be ny mifehy ny fihetseham-po?

Zava-tsarotra ho an’ny tanora

Tsy mora mihitsy ny mifehy ny fihetseham-po, na firy taona ianao na firy taona, ary na inona na inona fiavianao. Vao mainka sarotra anefa izany, eo amin’ilay fotoana maha zatovo anao mandra-pahatonganao ho olon-dehibe. Hoy i Ruth Bell ao amin’ny boky Miova Vatana, Miova Fomba Fiaina (anglisy): “Fihetseham-po maro mifamahofaho no iainan’ny ankamaroan’ny zatovo. Hafahafa, ohatra, ilay izy indraindray. Mety hifandimby koa ny fifaliana sy ny tahotra ary ny fikorontanan-tsaina. Zavatra iray ihany dia efa miteraka fihetseham-po isan-karazany ao amin’ny olona maro. ... Mety ho hafa ny fihetseham-ponao amin’ny voalohany, vetivety eo anefa dia mifanohitra amin’izany indray no tsapanao.”

Mbola tsy nahita fiainana koa ianao satria tanora. (Ohabolana 1:4) Tsy mahagaga àry raha somary sahiran-tsaina ianao na angamba tsy mahita izay tokony hatao, rehefa tojo toe-javatra vaovao na zava-manahirana mbola tsy hitanao mihitsy. Soa ihany fa mahatakatra tsara ny fihetseham-ponao ny Mpamorona anao. Fantany hatramin’ny zavatra mampanahy anao mihitsy aza. (Salamo 139:23) Misy toro lalana afaka manampy anao ao amin’ny Teniny.

Fomba ifehezana ny fihetseham-po

Fomba iray ifehezana ny fihetseham-po ny fianarana mifehy ny eritreritra. Tsy hanana hery hanaovana na inona na inona ianao, raha mijery ny lafy ratsin-javatra. (Ohabolana 24:10) Ahoana anefa no hianaranao mijery ny lafy tsaran-javatra, ka hahaizanao hifehy ny fihetseham-ponao?

Aza mifantoka amin’ny zavatra mahatonga anao ho kivy na tsy hatoky tena. Araho ny torohevitry ny Baiboly, ka mifantoha amin’izay “zava-dehibe” sy “mahitsy.” Hanjary hijery ny lafy tsaran-javatra ianao amin’izay. (Filipianina 4:8) Mety tsy ho mora izany, nefa ho vitanao raha miezaka ianao.

Eritrereto izay nanjo ny tovovavy iray atao hoe Jasmine. Nitaraina izy hoe: “Very hevitra tanteraka aho noho ny zavatra rehetra iainako. Manana asa vaovao sy andraikitra vaovao aho. Trotraka aho. Tsy hitako izay tany iainana.” Tsy mahagaga raha mahatsapa toy izany ny tanora indraindray, ary mety hahatonga azy tsy hatoky tena izany. Mitantara momba ny tovolahy iray atao hoe Timoty ny Baiboly. Tena nanana ny fahaizana nilaina tamin’ny andraikitra nankinina taminy izy, nefa mbola nahatsiaro tena ho tsy nahay.—1 Timoty 4:11-16; 2 Timoty 1:6, 7.

Mety tsy hatoky tena koa ianao, rehefa ampanaovina asa vaovao na tsy mahazatra anao. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy ho haiko mihitsy io.’ Azonao atao anefa ny mifehy izany fihetseham-po izany, ka tsy hijery ny lafy ratsin-javatra. Eritrereto kosa ny fomba hahaizana tsara ilay asa. Mangataha fanampiana, ary araho ny toromarika.—Ohabolana 1:5, 7.

Arakaraka ny hahaizanao ilay asa no hahatonga anao hatoky tena bebe kokoa. Aza atao mibahana ao an-tsaina ny zavatra tsy hainao, fa hisakana anao tsy hanatsara ny zava-bitanao izany. Rehefa nisy nanakiana ny apostoly Paoly indray mandeha, dia namaly izy hoe: “Na tsy mahay aza aho eo amin’ny fitenenana, dia tsy mba toy izany eo amin’ny fahalalana.” (2 Korintianina 10:10; 11:6) Hatoky tena kokoa ianao, raha mifantoka amin’ireo zavatra hainao tsara, ary mivavaka amin’i Jehovah mba hanampiany anao amin’izay zavatra tsy hainao. Tena afaka manampy anao izy, sahala amin’ny nataony tamin’ny olona fahiny.—Eksodosy 4:10.

Afaka mifehy ny fihetseham-ponao koa ianao, raha miezaka hanana tanjona tsy dia ambony loatra, fa azo tratrarina tsara. Ekeo fa misy fetrany ny zavatra mety ho vitanao. Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa koa. Manome torohevitra tsara ny Baiboly, ao amin’ny Galatianina 6:4, hoe: “Aoka ... ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”

Fampitonena ny hatezerana

Zava-tsarotra iray hafa koa ny mifehy ny hatezerana. Tanora maro toa an’i Kate, voaresaka terỳ am-piandohana, no manao zavatra misy vokany ratsy na mandratra ny fon’ny sasany rehefa tezitra.

Ekena aloha fa ara-dalàna raha tezitra isika indraindray. Tadidio anefa i Kaina, ilay mpamono olona voalohany. Rehefa “tezitra indrindra” izy, dia nampitandrina azy Andriamanitra fa mety hitarika azy hanao fahotana lehibe izany. Niteny tamin’ i Kaina izy hoe: ‘Ianao no tokony hanapaka [ny ota].’ (Genesisy 4:5-7) Tsy nanaraka izany fampitandremana izany i Kaina. Afaka mifehy ny fahatezeranao anefa ianao noho ny fanampian’Andriamanitra, ka tsy hanota!

Miankina amin’ny fifehezanao ny eritreritrao ihany izany. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 19:11: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” Rehefa misy olona manao zavatra mahatezitra anao, dia miezaha hahafantatra ny antony nanaovany izany. Fanahy iniany ve ilay izy? Mety ho fihetsika tsy tandrina ve ilay izy, na vokatry ny tsy fahalalana? Manahaka an’Andriamanitra mpamindra fo ianao, raha mandefitra ny fahadisoan’ny hafa. Hanampy anao hampitony ny hatezeranao izany.

Ahoana kosa anefa raha ara-drariny ny hatezeranao? Hoy ny Soratra Masina: “Tezera nefa aza manota.” (Efesianina 4:26) Resaho amin’ilay olona ilay izy, raha ilaina. (Matio 5:23, 24) Ny tena tsara angamba dia ny miezaka hanadino fotsiny, ka manohy ny fiainanao sady miezaka ny tsy ho tezitra intsony.

Tsara homarihina fa mety hahatonga anao tsy hahay hifehy ny hatezeranao ny namana ifaneraseranao. Manoro hevitra àry ny Baiboly hoe: “Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra, ary aza miara-dia amin’ny olona foizina, fandrao hianao mianatra ny fanaony ka mahazo fandrika ho an’ny ainao.”—Ohabolana 22:24, 25.

Hanampy anao hahay hifehy tena ny fifaneraserana amin’ny olona miezaka mifehy ny hatezerany. Feno olona matotra toy izany ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Zokinao sy nahita fiainana noho ianao ny ankamaroan’izy ireny. Mifankazara amin’izy ireny. Jereo ny fomba iatrehany olana. Mety ho afaka hanome torohevitra tsara anao koa izy ireo, rehefa tojo zava-manahirana ianao. (Ohabolana 24:6) Hoy i Jacob, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tena sarobidy amiko ny namana matotra mampahatsiahy ahy ny Tenin’Andriamanitra. Voafehiko ny fihetseham-poko ary tony foana aho, rehefa mitadidy fa tia ahy i Jehovah na dia tsy matoky tena aza aho.”

Zavatra hafa azo atao

Milaza toy izao ny boky iray be mpitia momba ny fanatanjahan-tena: “Porofoin’ny fandinihana maro, fa mampiova ny toe-po ny fampihetsehana ny vatana, satria mampiova ny zavatra simika ao anaty. Miova, ohatra, ny fatran’ny hormonina sy oksizenina ao amin’ny vatanao, arakaraka ny fihetsika ataonao.” Tsy misy isalasalana fa mahasoa ny fampiasan-tena. Milaza amintsika ny Baiboly hoe: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena.” (1 Timoty 4:8) Nahoana raha manao fanatanjahan-tena kely tsy tapaka? Mety hisy vokany tsara eo amin’ny fihetseham-ponao izany. Mitondra soa koa ny fihinanana sakafo mahasalama.

Jereo tsara koa ny mozika sy ny fialam-boly fidinao. Hoy Ny Gazetini Harvard Momba ny Fahasalamanny Saina (anglisy): “Mampirongatra ny hatezerana sy mahatonga ho vonon-kiady ... ny fijerena herisetra. ... Ny olona mijery filma feno herisetra, dia tia ady kokoa ary misondrotra tosidra.” Fidio tsara àry izay henoinao sy jerenao.—Salamo 1:1-3; 1 Korintianina 15:33.

Ny fiezahana hifandray akaiky amin’ny Mpamorona, no fomba tsara indrindra hahaizanao hifehy ny fihetseham-ponao. Manasa antsika tsirairay hivavaka aminy izy, ka hamboraka aminy ny fihetseham-pontsika. Nampirisika antsika ny apostoly Paoly hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa ... ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo. ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.” Tena afaka ny hanana herin-tsaina hiatrehana ny zava-drehetra mitranga eo amin’ny fiainana ianao. Hoy koa ny apostoly Paoly: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:6, 7, 13.

Hoy ny tovovavy iray atao hoe Malika: “Nivavaka foana aho. Tony sy nahay nifehy kokoa ny fihetseham-poko aho, satria fantatro fa miahy ahy i Jehovah.” Afaka mifehy ny fihetseham-ponao koa ianao, noho ny fanampian’Andriamanitra.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Fomba iray ifehezana ny fihetseham-po ny fifehezana ny eritreritra

[Sary, pejy 20]

Afaka manampy anao hahay hifehy ny fihetseham-ponao ny fifaneraserana amin’ny olon-dehibe