Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ankizy Simba Tarehy Tena nalahelo aho rehefa namaky ny tantaran’i Mailyn. (“Tarehy Vaovao ho An’i Mailyn”, 8 Jona 2004) Na dia teo aza anefa ny fijaliany, dia mbola niresaka ny fanantenany miorina amin’ny Baiboly io ankizy 11 taona io. Tena nampahery ahy izany.

M. B., Italia

Tena nampahery ahy ny fahaizan’i Mailyn sy ny fianakaviany mijery ny lafy tsaran-javatra. Manindrahindra loatra ny hatsaran-tarehy ny fampitam-baovao ankehitriny, ka mety hahakivy izany. Tiako ho fantatr’i Mailyn fa hitako ny tena hatsarany. Manantena aho fa hiara-paly aminy rehefa hanome tarehy vaovao azy i Jehovah ao amin’ny tontolo vaovao. Nampahery ahy ny finoany.

M. S., Etazonia

Hodidiana tsy ho ela aho, mba hanesorana ny nonoko. Mila tanjaka sy herim-po ianao mba tsy ho kivy, rehefa simba ny bika aman’endrikao. Nampahery ahy ny herim-pon’i Mailyn sy ny fijereny ny lafy tsaran-javatra. Mirary soa ho anao aho ry Mailyn. Tsara tarehy ianao amiko!

G. R., Frantsa

Sima hatrany an-kibon-dreniko aho. Hafahafa fijery ahy ny ankizy tany am-pianarana. Nandrora ahy mihitsy aza ny sasany. Mino aho fa ny zavatra nampianarin’ny reniko ahy avy tao amin’ny Baiboly, no nanampy ahy hanana herim-po sy hatoky tena. Efa 31 taona aho izao, nefa mbola mahakivy ahy foana ny endriko. Tena nanohina ny foko àry ny tantaran’i Mailyn. Fantatro fa na inona na inona zava-tsarotra lehibe kokoa hatrehintsika, dia hanampy antsika hiatrika izany i Jehovah.

T. S., Japon

Tsy ny hatsaran-tarehy no tena mahasambatra sy mahafa-po, fa ny fanompoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra. Noporofoin’i Mailyn tamiko izany. Nisy vokany tsara tamiko ny ohatra navelany.

A. T., Philippines

Ankizilahy Mampijaly Tena nankasitrahako ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Izy no Mampijaly Ahy toy Izao?” (8 Jona 2004) Nampijaly ahy ilay ankizilahy niarahako. Izaho foana no nomeny tsiny rehefa nisy zavatra tsy nety. Notezaina tao amin’ny fianakaviana mahery setra sy mpanao teny maharary aho, ka hoatran’ny ara-dalàna tamiko ny fihetsiny. Faly aho izao satria nisaraka izahay. Hita tamin’ny fihetsiny fa tsy ho vady tsara izy.

Tsy mitonona anarana, Belize

Ny fihetseham-poko mihitsy no resahin’ilay lahatsoratra. Miresaka ny zavatra niainako taloha sy taorian’ny mariaziko ilay lahatsoratrareo. Nanjary tsy nanana ny hajan’ny tenako intsony aho noho ny fanevatevana ahy. Manantena aho fa hanampy ny mpifankatia iny lahatsoratra iny, mba handinika tsara ny fomba ifampitondrany. Tena fahendrena tokoa ny mifankahalala tsara alohan’ny fanambadiana, mba tsy hisian’ny olana toy izany.

M. M., Alemaina

Vorona Manadio ny Tenany Mahazatra atỳ amin’ny misy anay, ny mahita vorona manadio ny tenany. Novakiko ilay lahatsoratra hoe: “Te ho Tsara Tarehy Fotsiny ve Izy ireo?” (8 Mey 2004) Fantatro izao fa mitondra soa maro ho an’ny vorona ny fanadiovany ny tenany amin’ny vavany. Tiako ny hisaotra anareo fa mampiana-javatra ny fomba namelabelaranareo mahakasika ny zavaboary mahatalanjon’Andriamanitra.

F. K., Nizeria