Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Sangina ve ny Voay?

Azo Sangina ve ny Voay?

Azo Sangina ve ny Voay?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY INDE

EFA mba nieritreritra ny hisangy amin’ny voay ve ianao? Anisan’ny olona ao amin’ilay tantaran’ankizy hoe Peter Pan ny Kapiteny Hook. Natao hira io tantara io, ary tao amin’izany no nanazavan’ny Kapiteny Hook ny antony nanoroany hevitra hoe: “Aza misangy voay.” Hoy izy: “Mieritreritra ny fomba hihinanana anao” ny voay!

Marina fa mihinana olona ny karazany sasany amin’ny voay. “Tsy dia mpitranga loatra anefa izany ... ka tsy azo heverina ho mpihinana olona izy io.” (Ny Rakipahalalana Britannica, anglisy) Mihevitra ny voay ho biby ratsy tarehy sy mampahatahotra ny olona sasany. Mahaliana ny hafa kosa izy io. Andeha hojerentsika ireo karazam-boay telon’i Inde, dia ny voain-dranomasira, ny voain-keniheny, ary ny voay antsoina hoe gavial.

Ny Voain-dranomasira

Ny voain-dranomasira, na voaim-binany, no lehibe indrindra amin’ny biby mandady eto an-tany. Mety hahatratra fito metatra na mihoatra ny halavany, ary hatramin’ny 1 000 kilao ny lanjany. Tsy mivelona afa-tsy ao amin’ny ranomasira izy ireny. Izany no ahitana azy ireo eny amin’ny heniheny amoron-tsiraka (anirian’ny karazan-kazo) sy ny vinany, ary ny ranomasin’i Inde mitohy miantsinanana hatrany Fidji. Mpihinana nofom-biby izy ireo, ka mihinana voalavo, sahona, trondro, bibilava, foza, sokatra, ary serfa. Sombiny kely amin’ireo ihany anefa no haniny. Sakafo 500 ka hatramin’ny 700 grama monja isan’andro amin’ny antsalany no hanin’ny voay lahy. Kely ihany ny hery ilainy, satria miasa tsara ny taovam-pandevonan-kaniny, ary mitanina andro na mitsingevana eny ambonin’ny rano fotsiny no asany. Mety hanafika ny olona tsy mitandrina ny voain-dranomasira lehibe indraindray. Izao no ahafahany misosa ao anaty rano: hetsiketsehiny miankavia miankavanana ny rambony, alentiny ao anaty rano ny vatany rehetra afa-tsy ny orony sy ny masony, ary mandeha amin’ireo tongony fohy kely izy. Afaka miantsambotra manakatra sakafo izy, ary malaza ho manenjika ny rembiny, indraindray. Matsilo ny fanamboloany sy ny fahitany ary ny fandrenesany, toy ny an’ny voay rehetra. Miaro mafy ny toerana misy azy ny lahy mandritra ny fotoana fivadiany, ary toy izany koa no ataon’ny vavy amin’ny atodiny.

Reny be fandavan-tena

Manorina toerana fanatodizana eny amoron-drano ny voay vavy, ka fotaka sy zavamaniry efa lo no anaovany izany. Mety hanatody hatramin’ny 100 izy. Boribory somary lavalava ny atodiny sady misy akorany mafy be. Rakofany zavamaniry izy ireo, ary arovany amin’ny fahavalo. Lemany rano ireny zavamaniry ireny, mba ho lo haingana ka hiteraka hafanana hikotrehana ireo atody.

Mahatalanjona izao ny zava-mitranga. Miankina amin’ny hafanana ikotrehana ny atody ny hoe ho lahy, sa ho vavy ireo voay rehefa foy. Hevero ange izany e! Ho lasa voay vavy ireo atody, afaka 100 andro eo ho eo, raha hafanana 28 degre ka hatramin’ny 31 degre no hikotrehana azy. Ho lahy kosa izany, afaka 64 andro, raha 32,5 degre ny hafanana. Ary mety ho lahy na ho vavy ireo atody rehefa foy, raha hafanana eo anelanelan’ny 32,5 degre sy ny 33 degre no nikotrehana azy. Raha manaraka ny moron-drano ny lafiny iray amin’ilay toerana fanatodizana, ary mitodika any amin’ny masoandro ny lafiny iray hafa, dia ho lahy ny atody tandrifin’ilay faritra mafana, ary ho vavy kosa ny tandrifin’ny faritra mangatsiaka kokoa.

Esorin’ilay reny ireo zavamaniry nanarona ny atody, rehefa mandre ny feon’ireo zanany izy. Vakiny indraindray ilay akoran’atody, raha mbola tsy nanao izany tamin’ireo nify manokana, famakiana ilay akora mafy be ireo zanany kely. Batainy moramora amin’ny valanoranony lehibe ireo zanany ireo, ataony ao amin’ilay kitapo kely ao ambany lelany, ary entiny mankeny amoron-drano. Mahavita tena izy ireo raha vao teraka, ary avy hatrany dia mihaza bibikely sy sahona ary trondro kely. Miaro ny zanany anefa ny reny voay sasany, ka mijanona eny akaikin’izy ireo mandritra ny volana maromaro. Asiany toerana ahafahan’izy sy ny voay lahy mikarakara sy miaro ny zanany koa, ao anatin’ilay heniheny.

Ny voain-keniheny sy ny gavial lava orona

Any Inde ihany no ahitana ny voain-keniheny sy ny gavial. Kely kokoa noho ny voain-dranomasira ny voain-keniheny. Efa-metatra ny halavany, ary any amin’ireo ranomamy (honahona sy farihy ary renirano) manerana an’i Inde no ahitana azy. Samboriny amin’ny valanoranony matanjaka ny biby madinika, alentiny ao anaty rano ho faty, ary akipilipiliny hahazoany nofo hohaniny.

Ahoana no ihaonan’ny voain-keniheny te hanao firaisana? Mikapoka ny rano amin’ny valanoranony ny voay lahy sady mierona, rehefa mitady vady. Miaraka amin’ilay voay vavy miambina ny toerana misy an’ireo atody izy, atỳ aoriana. Manampy ireo zana-boay hivoaka avy ao amin’ny akorany izy, ary mijanona eo anilan’izy ireo mandritra ny fotoana elaela.

Mora fantatra ny gavial, satria betsaka ny zavatra mampiavaka azy amin’ny voay tsotra. Lava sady kely velarana ny valanoranony, ka mety tsara hisamborana trondro, izay foto-tsakafony. Tsy malaza ho mpihinana olona ny gavial, na dia mitovy halava amin’ny voain-dranomasira aza izy. Afaka misosa haingana ao amin’ireo ony lalina, any amin’ny faritra avaratr’i Inde izy, noho ny vatany malama sy mahitsy be. Mampibontsina ny tendron’ny vavany ny gavial lahy mandritra ny fotoana fivadiany. Manamafy ny sioka mahazatra ataony izany, ka mahatonga ilay izy ho ngonongonona mafy hisarihana ny voay vavy.

Manatsara ny tontolo iainana

Zava-dehibe eo amin’ny tontolo iainantsika ve ny voay? Izany tokoa. Mpitelina fatina trondro sy biby mantsy izy ireny, ka manadio ny renirano sy ny farihy ary ny tany manodidina. Manampy eo amin’ny fitandroana ny fahadiovan’ny rano izany zavatra ataony izany. Ny biby malemy sy maratra ary marary no enjehin’io mpiremby io. Haniny koa ny trondro mpanimba zavatra, toy ny poisson-chat, izay mivelona amin’ny besisika sy tilapia. Ireo karazan-trondro ireo mantsy no tena fanjono sy fivarotry ny olona ary ataony sakafo.

Fiarovana azy ireo tsy ho lany tamingana

Efa renao ve ilay fitenenana hoe ‘manao ranomasom-boay’? Midika hoe ranomaso sy alahelo tsy tena izy izany. Natao hanesorana ny sira be loatra amin’ny vatany ny ranomason’ny voay, raha ny marina. Mety ho tena ranomaso anefa no narotsaka ho an’ny voay, teo am-piandohan’ireo taona 1970. An’arivony vitsivitsy mantsy sisa tavela tamin’ny voay tany Inde, izany hoe ampahafolony eo ho eo amin’ny isany teo aloha. Fa nahoana? Novonoina ny voay rehefa nanakaiky kokoa ny toerana misy azy ireo ny olona. Noheverina mantsy fa loza mitatao ho an’ny biby fiompy mbola kely sy malemy izy ireny. Olona maro no mihevitra ny henam-boay sy ny atodiny ho sakafo matsiro, ary anaovana ranomanitra ny fihary ao aminy. Mampihena ny isan’ny voay koa ny fanamboarana tohodrano sy ny fandotoana ny rano. Ny fampiasana ny hodiny angamba no tena mahatonga azy ireny hila ho lany tamingana. Tsara sy mateza ary be mpitia mantsy ny kiraro, poketra, valizy, fehin-kibo, ary zavatra hafa vita amin’ny hodi-boay. Mbola mitohy izany olana izany ankehitriny. Voaporofo anefa fa nahomby ny ezaka natao ho fiarovana azy ireny!—Jereo ilay efa-joro eo ambany.

Mbola ho afaka hisangy aminy ianao!

Inona no tsapanao momba ny voay, rehefa lasa nahafantatra ny karazany sasany aminy ianao? Antenainay fa hanjary ho liana amin’izy ireny ianao, ka tsy hihevitra azy ireny ho ratsy intsony. Olona maro eran-tany no tia biby. Tsy andrin’izy ireo ny hahatongavan’ny fotoana tsy hatahorana intsony ny voay, na dia ny voain-dranomasira lehibe aza. Ho afaka hisangy amin’ny voay rehetra isika amin’izay, rehefa hanavao ny tany ilay Mpamorona ny biby mandady.—Isaia 11:8, 9.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Toeram-piompiana Voay any Madras

Hita tamin’ny fanadihadiana tamin’ny 1972, fa vitsy kely sisa ny voaidia, any amin’ny tany sasany any Azia. Nanomboka niompy voay àry ny tao amin’ny Toeram-piompiana Bibilava any Madras. Izy io no tranainy sy lehibe indrindra, amin’ireo toerana 30 mahery fiompiana biby mandady, any Inde. Tamin’ny 1976 izy io no naorin’ilay mpandinika ny biby mandady, antsoina hoe Romulus Whitaker. Mivelatra eo amin’ny faritra 3,5 hektara ao amin’ny Morontsirak’i Coromandel ilay toeram-piompiana, ary ahitana karazan-kazo 150, mahasarika vorona sy bibikely mahafatifaty.

Nosamborina sy nampanatodizina tao amin’io toerana io ny voay sy ny gavial. Navotsotra teny amin’ny heniheny sy renirano izy ireny avy eo, na nafindra tany amin’ny toeram-piompiana sy foibem-pikarohana hafa. Manana toerana fikarakarana zana-boay vao foy ilay toeram-piompiana. Atao ao anaty dobo izy ireo ary fahanana trondro voatetika, aterin’ny mpanjono eo an-toerana isan’andro. Nisy fotoana, efa nahatratra 2 500 ny isan’ireny zana-boay ireny. Nasiana harato teo ambonin’ny dobo, mba hisakanana ny vorona mpihaza tsy haka ny trondro na ireo zana-boay mbola marefo. Nafindra tao amin’ny dobo lehibe kokoa izy ireny, rehefa nihalehibe. Trondro iray manontolo no nomena ho sakafony tao. Nitohy foana izany, raha mbola latsaka ny telo taona ilay zana-boay, ary raha mbola teo anelanelan’ny 1,25 ka hatramin’ny 1,5 metatra ny halavany. Nofahanana taovan-kena avy tamin’ny orinasa lehibe mpamatsy hena izy ireny, taorian’izay. Ireo karazam-boay telo avy any Inde ihany tamin’ny voalohany, no nompiana tao. Misy karazam-boay fito hafa anefa any izao. Kasaina hompiana any ireo karazam-boay rehetra fantatra maneran-tany. Niadian-kevitra ny fiompiana an’io biby mandady io ho fitadiavam-bola. Amidin’ny olona mantsy ny hoditra sy henan’ilay biby. Nolazain’i Whitaker tamin’ny Mifohaza! fa matsiro sady tsy misy kolesterola firy ny henan’izy io. Nahomby anefa ny fiarovana an’io biby lehibe io, ka mitady ho maro loatra indray aza ilay biby saika lany tamingana teo. Mahasarika mpizaha tany maro ny Toeram-piompiana Voay any Madras. Tanjon’izy io ny hamongotra ao an-tsain’ny olona ilay fiheveran-diso momba ny voay, ary ny hahatonga ny olona hanana fomba fijery mety momba azy ireny.

[Sary nahazoan-dalana]

Romulus Whitaker, Toeram-piompiana Voay any Madras

[Sary, pejy 21]

Voain-dranomasira

[Sary, pejy 22]

Voain-dranomasira vavy mibata ny zanany amin’ny valanoranony

[Sary nahazoan-dalana]

© Adam Britton, http://crocodilian.com

[Sary, pejy 22]

Voain-keniheny

[Sary nahazoan-dalana]

© E. Hanumantha Rao/Photo Researchers, Inc.

[Sary, pejy 22]

“Gavial” lava orona