Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fihaonan’ny Kontinanta Enina

Fihaonan’ny Kontinanta Enina

Fihaonan’ny Kontinanta Enina

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Ukraine

TIA mijery biby ao amin’ny fonenany voajanahary ve ianao? Raha izany no izy, dia mety hahafinaritra anao ny hitsidika an’i Afrika, Amerika Atsimo, Amerika Avaratra, Aostralia, Azia, ary Eoropa ao amin’ny toerana iray ihany. Aiza no ahitana ireo kontinanta ireo indray miaraka? Ao amin’ny Valan-javaboarin’i Askaniya-Nova, any amin’ny faritra atsimon’i Ukraine. Mandehandeha eran’ny tampon-tanety ao amin’io vala io mantsy, ny andiam-bibidia avy amin’ireo kontinanta enina ireo, ary miara-miaina amim-pilaminana.

Tamin’ny 1883 no naorina io valan-javaboary io. Tamin’izay, dia nifidy tany lemaka mbola tsy nampiasaina ilay alemà atao hoe Friedrich Pfalz-Pfein, mba hanorenana valan-javaboary iray. Efa nanana toeram-pijerem-biby tao izy, ary nahitana karazam-borona sy biby mampinono 50 mahery ilay izy. Nasiana sahan-javamaniry koa ilay toerana, tamin’ny 1887. Misy sahan-javamaniry sy tany lemaka 11 000 hektara ary toeram-pijerem-biby izao, ao amin’ny Valan-javaboarin’i Askaniya-Nova.

Ilay sahan-javamaniry no tazana voalohany, raha vao tonga eto ianao. Karazan-kazo maro be avy amin’ny firenena samy hafa no nampidirin’ny mpahay siansa teto. Velaran-tany 200 hektara no rakotra hazo. Toerana maina no misy ity valan-javaboary ity. Noho izany, dia nasiana lava-drano sy tatatra hielezan’ny rano, mba hanondrahana ireo hazo lehibe sy madinika. Nahazoana meday volamena tany amin’ny Foara Iraisam-pirenena tany Paris tamin’ny 1889, ny endrik’ilay valan-javaboary sy ilay fomba fanondrahana hafakely.

Biby avy any amin’ny kontinanta enina

Avy eo amin’ilay saha nisy alokaloka izahay, dia nandeha teo amin’ny tany lemaka azon’ny hainandro. Andiam-bibidia 50 karazana no mivezivezy ao amin’io faritra voafefy 2 500 hektara io. Hijery ny biby sasany avy any Afrika aloha isika.

Anisan’ny biby fihaza malaza sy mampidi-doza indrindra ny ombidia afrikanina. Tena mahavariana ny haben’izy io satria 1,7 metatra ny fivelatry ny sorony. Ary tsy izay ihany fa ngeza be koa ny tandrony, mahatratra iray metatra. Tsy azo hatonina akaiky loatra ny ombidia lahy, satria mamely tampoka.

Nahaliana anay koa ny éland, karazana antilopa avy any atsimoatsinanan’i Afrika. Voarara ny fihazana ato amin’ity valan-javaboary ity, ka miaina an-kalalahana izy ireo hatramin’ny nampidirana azy teto tamin’ny 1892. Tsy taitra akory izy ireo miraoka ahitra, na dia jeren’ny mpitsidika aza. Ompiana mihitsy aza ny éland sasany ary azo akana ronono toy ny ombivavy. Anamboarana fanafody hitsaboana aretina toy ny aretim-bavony, ny ronono mahavelona sy matavy tsara omen’izy ireo.

Ao koa ny émeu, karazana vorombe tsy manidina, avy any Aostralia. Io no vorona lehibe indrindra manarakaraka ny aotirisy. Mahatratra 1,8 metatra ny haavon’ny sasany ary milanja 59 kilao. Malalaka tsara ahafahany mikarenjy ny faritra misy azy, na dia misy fefy harato aza manasaraka azy amin’ny biby hafa.

Mahavariana tokoa ny vorona émeu, satria mihetsika ny zanany kely mbola ao anaty atody, rehefa mandre ny feon’ny rainy. Nisy nilaza, ohatra, fa rehefa noraisim-peo ny émeu lahy ka nalefa teo akaikin’ny atody efa ho foy, dia nihetsiketsika ireo atody, satria nihetsika ny vorona kely tao anatiny. Tsy mihontsina anefa izy ireo rehefa mandre ny feon’ny reniny. Nahoana?

Ny lahy no mikotrika, na dia ny vavy aza no manatody. Mikotrika mandritra ny 50 andro izy, ary avy eo mitarika ireo vorona kely vao foy. Fantatr’ireo zanany tsara àry hoe iza no mikarakara azy ireo, na dia mbola ao anaty atody aza izy. Tsy hoatran’ny atody mahazatra ny atodin’ny émeu, fa maitso be sy vaventy, ary milanja antsasa-kilao mahery!

Hita ato amin’ity valan-javaboary ity koa ny soavaly Przewalski. Nalaina tany amin’ny lemak’i Mongolia izy ireo, ary nentina teto tamin’ny 1899. Voalaza fa efa lany tamingana tany amin’ny toerana voajanahary nisy azy izy io, tany amin’ireo taona 1960, vokatry ny fihazana sy ny tsy fisian’ny kijana hiraofany.

Miisa 1 100 eo ho eo izao ny soavaly Przewalski, any amin’ireo toeram-pijerem-biby sy valan-javaboary. Misy zato eo ho eo eto Askaniya-Nova. Miezaka mamerina azy ireo any amin’ny fonenany voajanahary indray ireo mpahay siansa, ka soavaly 21 no nalefa sambo niverina tany Mongolia tamin’ny 1992 sy 1993.

Ny serfa mipentimpentina avy any Chine sy Japon, no betsaka indrindra ato amin’ity valan-javaboary ity. Antsoina koa hoe serfa voninkazo io biby io, satria toy ny voninkazo no fahitana azy rehefa jerena avy ato aoriana. Tsara tarehy izy io noho ny vatany marotsadrotsaka, sy ny tandrony lehibe mitsangana eo ambony lohany.

Tazana miraoka ahitra amim-pilaminana eny an-tampon-tanety koa ny omby lehibe indianina. Any Inde, dia mirenireny any anaty ala izy ireny amin’ny antoandro, ary miverina ao an-tanàna amin’ny alina. Tsy misy ala na tanàna kosa atỳ Askaniya-Nova, nefa mahazo aina tsara izy ireo eny amin’ny kijana, miaraka amin’ny andiam-biby hafa.

Mahavariana koa ny ombidia amerikanina, satria matanjaka sy ngeza be. An-tapitrisany tamin’izy ireny no niriaria teny an-tampon-tanetin’i Amerika Avaratra, 150 taona lasa izay. Tapitra nohazaina anefa izy ireny, ka efa ho lany tamingana. Izy ireo ihany no ombidia amin’io karazany io atỳ Eoropa. Tamana tsara izy ireo eny amin’ny kijanan’ity vala ity, na fahavaratra na ririnina.

Misolo tena an’i Amerika Atsimo ny nandou, vorona lehibe tsy manidina. Mitovitovy amin’ny émeu izy. Mirefy iray metatra sy sasany izy, ary milanja 50 kilao. Ny nandou lahy no mikotrika, sahala amin’ny émeu ihany. Ny maha samy hafa azy fotsiny, dia ny émeu manambady tokana, fa ny nandou manambady maro. Mety hanatody ao amin’ny akany iray ihany àry ny nandou vavy telo na dimy.

Ahitana karazana serfa eoropeanina maromaro koa eto Askaniya-Nova. Mahazaka hatsiaka sy hafanana ireo biby matanjaka ireo, ary mahazo aina tsara eny amin’ny kijana. Ampiasaina mba hamenoana ny tahirin-javaboary any amin’ny toerana samihafa eto Eoropa izy ireo, na alefa any amin’ny toerana fihazana. Ny soavaly kelin’i Shetland indray, dia nalaina avy tany Eoropa Avaratra tamin’ny 1960. Nitombo be ny isan’izy ireo nanomboka tamin’izay fotoana izay.

Fonenan’ny zebra, gnou manga (karazana antilopa avy any Afrika), ampondradia sy antilopa avy any Azia, ary karazam-borona maro be koa ity vala ity. Mandehandeha eny an-kalamanjana mandavantaona ny biby sasany, fa ny hafa kosa ampidirina ao anaty toeram-piompiana rehefa ririnina.

Fikojakojana ilay valan-javaboary

Foibe fanaovana fikarohana ara-tsiansa eto Ukraine i Askaniya-Nova ankehitriny. Miezaka mafy miaro ilay tany lemaka midadasika ny mpiasan’io foibe io, ary manao izay hahatamana ireo biby ao amin’ny fonenany vaovao. Manao izay hanatsarana ny fiainan’ireo biby avy any amin’ny firenen-kafa sy ireo biby tsy fahita firy koa ny mpahay siansa.

Maro ny toerana ahitana valan-javaboary eto an-tany. Afaka mahita izany ianao any amin’ny tany lemaka midadasik’i Amerika Avaratra sy Atsimo, any Afrika, any amin’ny kijanan’i Aostralia, ary any Azia sy Eoropa. Samy manana ny mampiavaka azy sy ny karazan-javamaniry sy biby misy ao aminy ireny valan-javaboary ireny. Biby avy amin’ny firenena maro no hita ao amin’ny Valan-javaboarin’i Askaniya-Nova. Hita amin’izany fa afaka mizatra amin’ny fonenana hafa ny biby, sady afaka miara-miaina amim-pilaminana.

Miandry mafy ny fotoana hahatanterahan’ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly ny olona maro. Ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny tany manontolo amin’izay fotoana izay, ka hihavana ny olona, ary ho toy izany koa ny biby isan-karazany.—Isaia 11:6-9; Hosea 2:20; Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

[Sarintany, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

Valan-javaboarin’i Askaniya-Nova

[Sary, pejy 15]

“Éland”

[Sary, pejy 15]

Ombidia afrikanina

[Sary, pejy 15]

“Émeu”

[Sary, pejy 16]

Serfa mipentimpentina

[Sary, pejy 16]

Soavaly Przewalski

[Sary, pejy 16]

Ombidia amerikanina

[Sary, pejy 16, 17]

Misy karazam-borona maro koa ao amin’ilay valan-javaboary

[Sary, pejy 17]

“Nandou”

[Sary, pejy 17]

Serfa kely

[Sary, pejy 17]

Serfa

[Sary, pejy 17]

Sahan-javamaniry

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Éland sy émeu: Biosphere Reserve “Askaniya-Nova,” Ukraine; bolan-tany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Serfa: Biosphere Reserve “Askaniya-Nova,” Ukraine; bolan-tany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Vorona: Biosphere Reserve “Askaniya-Nova,” Ukraine; voninkazo sy saha: Olha Dvorna/Biosphere Reserve “Askaniya-Nova,” Ukraine; bolan-tany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.