Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriana Tena Lehibe—Anasana Anao Amim-pitiavana!

Fivoriana Tena Lehibe—Anasana Anao Amim-pitiavana!

Fivoriana Tena Lehibe—Anasana Anao Amim-pitiavana!

Alakamisy 24 Martsa 2005: Fotoan-dehibe tsy tianao handalo fotsiny. Hivory ny Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa mahery maneran-tany amin’io andro io, mba hahatsiaro ny sakafo hariva farany niarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany. Hisy namany an-tapitrisany hiaraka amin’izy ireo. Harahina ny toromarika nomen’i Jesosy, ka hisy mofo tsy misy lalivay, sy divay mena hampandalovina mandritra ilay fivoriana. Hohazavaina koa ny dikan’io fankalazana io. —Marka 14:22-24.

Fanasan’ny Tompo no ahalalan’ny maro azy io. Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy kosa no iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah azy. Tena zava-dehibe izy io, satria mampahatsiahy ny sorona nataon’i Jesosy Kristy. Nandray soa tamin’izy io ny olombelona mpanota. ( Jaona 3:16; 1 Jaona 2:2) Rehefa vita ilay sakafo farany niarahany tamin’ny mpianany, dia nosamborina izy ary novonoina teo amin’ny tsato-kazo toy ny olon-dratsy.—Jaona 19:17, 18.

Asaina amim-pitiavana àry ianao hanatrika io fivoriana manokana io. Io no fivoriana lehibe indrindra fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona. Mba anontanio any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao, ny toerana sy ny ora marina hanaovana azy io.