Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Gazety Tohanan’Andriamanitra’

‘Gazety Tohanan’Andriamanitra’

‘Gazety Tohanan’Andriamanitra’

MIANATRA Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy iray any Nizeria. Nitondra gazety Mifohaza! roa nivoaka vao haingana izy, rehefa nanatrika ny fivoriana nalamin’ny Fikambanana Afrikanina Mikarakara ny Reny sy ny Zaza.

Tamin’ny andro voalohany, dia fantany fa fanazavana avy tao amin’ny iray amin’ireo gazety ireo no nampiasain’ilay mpanao famelabelarana. “Mamy ny Miaina” no foto-kevitr’ireo lahatsoratra nifampitohy tao amin’ilay gazety. (8 Novambra 2001) Navoakan’ilay lehilahy avy hatrany àry ny gazetiny ary narahiny tao ilay fanazavana.

“Ampio ny Vehivavy Vonoin’ny Vadiny” no foto-kevitr’ireo lahatsoratra nifampitohy tao amin’ilay Mifohaza! faharoa, nentin’ilay mpianatra Baiboly. Rehefa hariva ny andro, dia hitan’ny mpisolovava hanana anjara ny ampitso ilay gazety, ka nindraminy. Nopotehiny ny drafitra efa vitany, ary nanomana famelabelarana vaovao niorina tamin’ireo lahatsoratra tao izy, nandritra ny alina. Nanana io gazety io koa ny vehivavy iray teo amin’ny seza tsy lavitra an’ilay mpianatra Baiboly. Navoakany ilay izy ary narahiny tao ny famelabelarana nataon’ilay mpisolovava.

Namaky ireo lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! ilay mpianatra Baiboly, ka afaka nandroso hevitra tena nahasoa, nandritra ny fifanakalozan-kevitra tamin’ilay fivoriana. Hoy izy: ‘Azoko antoka fa tohanan’Andriamanitra ity gazety ity.’

Te hahazo tsy tapaka amin’io gazety io ve ianao? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanaterany izany any aminao.