Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manerana Izao Rehetra Izao ve Andriamanitra?

Manerana Izao Rehetra Izao ve Andriamanitra?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Manerana Izao Rehetra Izao ve Andriamanitra?

AZO lazaina ho tompon’ny hery fara tampony sy manana ny fahalalana rehetra Andriamanitra. Te hanasongadina kokoa ny fahalehibeazan’Andriamanitra anefa ny olona sasany, ka milaza fa eny rehetra eny amin’ny fotoana rehetra izy.

Mifanaraka tsara amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina ireo filazana roa voalohany ireo. (Genesisy 17:1; Hebreo 4:13; Apokalypsy 11:17) Tompon’ny hery fara tampony sy manana ny fahalalana rehetra tokoa Andriamanitra, satria tsy misy azo afenina aminy. Manerana izao rehetra izao ve anefa izy, sa manana fonenana voafaritra tsara?

Aiza no fonenan’Andriamanitra?

Milaza ny andinin-teny maromaro fa “any an-danitra” no ‘fonenany.’ (1 Mpanjaka 8:39, 43, 49; 2 Tantara 6:33, 39) Hoy anefa ny andinin-teny iray momba ny fahalehibeazany: “Andriamanitra va dia honina amin’ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao.”—2 Tantara 6:18.

“Andriamanitra dia Fanahy”, hoy ny Baiboly. (Jaona 4:24) Any amin’ny faritra tsy hita maso àry no misy azy, fa tsy etỳ amin’izao rehetra izao hita maso. Te hilaza ny maha ambony ny fonenan’Andriamanitra ny Baiboly, rehefa milaza fa “any an-danitra” izy io. Ampifanoheriny amin’izao rehetra izao hita maso onenantsika izany. Ny tena zava-dehibe ampianarin’ny Baiboly dia hoe: Toerana voafaritra tsara ny fonenan’Andriamanitra, saingy tsy eo amin’izao rehetra izao hita maso.—Joba 2:1, 2.

Tsy hery manerana izao rehetra izao izy

Niresaka momba ny fonenan’Andriamanitra i Jesosy rehefa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro. ... Handeha hanomana toerana ho anareo aho.” (Jaona 14:2) Nankaiza i Jesosy? ‘Niditra ny lanitra mihitsy [izy tamin’ny farany], mba hisehoany ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.’ (Hebreo 9:24) Mampianatra antsika zavatra roa lehibe momba an’i Jehovah izany. Voalohany, tena manana fonenana izy, ary faharoa, tsy hery manerana izao rehetra izao izy.

Izany no nahatonga an’i Jesosy hampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka hoe: “Rainay izay any an-danitra”, ka hiresaka amin’i Jehovah, izay mipetraka any amin’ny faritra tsy hita maso, any an-danitra. (Matio 6:9; 12:50) Nitovy tamin’io ny fomba fivavaka efa nampianarina ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ny 1 500 taona mahery. Misy izao vavaka izao ao amin’ny soratra tranainy avy amin’ny fanahy masina: ‘Tsinjovy ao amin’ny fonenanao masina any an-danitra, ka tahio ny olonao.’—Deoteronomia 26:15.

Tonga hatraiza hatraiza ny fanahy masina

Milaza foana ny Baiboly fa manana fonenana voafaritra tsara Andriamanitra. Resahiny kosa matetika fa manerana izao rehetra izao ny fanahiny masina. Nanontany toy izao i Davida mpanao salamo: “Aiza no hialako amin’ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?” (Salamo 139:7) Nampisafotofoto ny sain’ny olona sasany ny teny toy ireo, ka nahatonga azy hilaza fa manerana izao rehetra izao Andriamanitra. Fantatsika avy amin’ny teny manodidina an’io andininy io sy ny hafa koa anefa, fa azon’i Jehovah alefa avy any amin’ny fonenany ny fanahy masina, na ny hery ampiasainy, ka tonga hatraiza hatraiza.

Mampiasa ny tanany, ohatra, ny ray mba hanambatambazana sy hampaherezana ny zanany. Toy izany koa, fa mampiasa ny tanany, na ny fanahiny masina i Jehovah, mba hanatanterahana ny fikasany any amin’ny faritra hita maso sy tsy hita maso. Afaka nilaza toy izao àry ny mpanao salamo: “Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, mba hitoetra any am-paran’ny ranomasina, dia mbola entin’ny tànanao ihany aho, na dia any aza, sy hazonin’ny tànanao ankavanana.”—Salamo 139:9, 10.

Afaka ho naman’Andriamanitra ianao

Manetry tena sy be fitiavana i Jehovah, ka navelany hohazavaina amin’ny fitenintsika olombelona ny mombamomba azy sy ny fonenany. Toy ny hoe “miondrika mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany” izy amin’izany. (Salamo 113:6) Tsy tena ho azon’ny olombelona amin’ny fomba feno anefa ny mombamomba an’Andriamanitra rehetra.

Faran’izay mahatalanjona sy lehibe ary tsara i Jehovah, ka tsy tena ho voazava amin’ny fitenintsika ny mombamomba azy rehetra. Na milaza aza ny Soratra Masina fa any an-danitra ny fonenan’Andriamanitra, dia tsy ho takatry ny olombelona amin’ny fomba feno ny momba ny faritra tsy hita maso toy izany.—Salamo 139:6.

Mahafaly anefa ny mahatakatra zavatra sasany momba an’i Jehovah. Fantatsika, ohatra, fa tsy hery manerana izao rehetra izao izy fa manana ny maha izy azy kosa. Manana fonenana voafaritra tsara izy, sady manana toetra mampiavaka azy, toy ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy. Manana tombontsoa tena sarobidy ny olombelona rehetra, noho ny fahalalana toy izany. Azony atao mantsy ny hinamana akaiky foana, amin’ilay Mpanjaka sy Hery Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao.—Jakoba 4:8.