Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Reny Mandresy Zava-tsarotra

Reny Mandresy Zava-tsarotra

Reny Mandresy Zava-tsarotra

MIATRIKA zava-tsarotra lehibe ny reny ankehitriny. Maro amin’izy ireo, ohatra, no tsy maintsy miasa mba hanampiana ny vola ao an-trano. Mbola mitaiza irery ny zanany koa anefa ny sasany, noho ny antony maro.

Renim-pianakaviana any Meksika i Margarita. Izy irery no mitaiza ny zanany mianadahy. Hoy izy: “Tsy mora ny nampianatra azy ireo ho tsara fitondran-tena sy ho tia an’Andriamanitra. Mamomamo ny zanako lahy, indray mandeha, rehefa avy namonjy fety. Nampitandrina azy aho hoe tsy havelako hiditra ao an-trano izy, raha mbola mamerina. Mbola namerina anefa izy, ka nohidiako tany ivelany tokoa, na dia tena mafy tamiko aza ny nanao izany. Soa ihany fa tsy namerina intsony izy taorian’izay.”

Nanomboka nianatra Baiboly i Margarita, tsy ela taorian’izay, ka afaka nampianatra ny zanany ho tsara fitondran-tena. Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro izao izy mianadahy.

Rehefa lasa any an-tany hafa ny vady

Lehilahy maro any amin’ny tany mahantra kokoa no mandeha any amin’ny tany manankarena kokoa, mba hitady asa. Ny vadiny irery àry no mitaiza ny ankizy. Hoy i Laxmi, renim-pianakaviana any Népal: “Fito taona izay no nandehanan’ny vadiko tany an-tany hafa. Izy anefa no ankatoavin’ny ankizy kokoa. Ho mora kokoa ny fiainanay, raha eo foana izy hitantana ny ankohonanay.”

Vitan’i Laxmi anefa ny niatrika izany zava-tsarotra izany. Tsy nianatra firy izy, ka nanakarama mpampianatra mba hanampy ny zanany efa lehibe amin’ny entimodin’izy ireo. Izy mihitsy anefa no mampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra. Mampianatra Baiboly azy ireo izy, ohatra, isan-kerinandro. Miara-mandinika andinin-teny iray amin’izy ireo koa izy isan’andro, ary mitondra azy ireo tsy tapaka any amin’ny fivoriana kristianina.

Reny tsy nianatra firy

Misy zava-tsarotra hafa atrehin’ny vehivavy any amin’ny tany sasany. Maromaro ihany no tsy mahay taratasy. Misy vokany ratsy rehefa tsy nianatra firy ny reny. Hoy i Aurelia, renim-pianakaviana any Meksika, manan-janaka enina: “Nilaza foana ny reniko hoe tsy natao hianatra ny vehivavy. Tsy nianatra namaky teny mihitsy àry aho, ka tsy afaka nanampy ny zanako hanao ny entimodiny. Mafy tamiko izany. Tsy tiako hijaly toa ahy anefa ny zanako, ka nanao izay rehetra azoko natao aho mba hahafahany hianatra.”

Mety hahavita zavatra miavaka ny reny, na dia tsy nianatra firy aza. Marina ilay fitenenana hoe: “Raha ampianarina ny vehivavy, dia hahavita hampianatra ny zanany lahy.” Tsy nahay taratasy i Bishnu, renim-pianakaviana any Népal, manan-janaka telo lahy. Niezaka mafy nianatra namaky teny sy nanoratra anefa izy, satria te hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy hampianatra izany ny zanany. Narahiny maso tsara raha nanao ny entimodiny ny zanany na tsia. Nankany am-pianaran’izy ireo tsy tapaka koa izy, mba hiresaka momba ny fianaran’izy ireo tamin’ny mpampianatra.

Hoy i Silash, zanak’i Bishnu, momba ny fanabeazana azy ho tsara fitondran-tena sy ho tia an’Andriamanitra: “Tantara ao amin’ny Baiboly foana no nampiasain’i Neny hanitsiana anay, rehefa nanao fahadisoana izahay. Izany no tiako indrindra tamin’ny fomba fampianarany. Nandaitra ilay izy, satria nanampy ahy hanaiky ny toroheviny.” Nahomby i Bishnu tamin’ny fanabeazana ny zanany telo lahy. Tovolahy matahotra an’Andriamanitra izao izy ireo.

Hoy i Antonia, renim-pianakaviana any Meksika, manan-janaka roa: “Tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra fotsiny aho no nianatra. Tanàna mitokana no nisy anay, ary lavitra be avy eo ny sekoly ambaratonga faharoa akaiky indrindra. Tiako hahay kokoa noho izaho anefa ny zanako, ka nanokana fotoana be dia be ho azy ireo aho. Nampianariko abidy sy nanisa ry zareo. Efa nahay nanonona nisesy ny litera tsirairay tamin’ny anarany ny zanako vavy, talohan’ny nandehanany tany am-pianarana. Efa nahay nanisa sy nanoratra teny sasantsasany koa izy. Efa nahay namaky teny tsara ny zanako lahy talohan’ny nidirany tany amin’ny akanin-jaza.”

Hoy i Antonia, rehefa nanontaniana ny amin’izay nataony mba hampianarana ny zanany ho tsara fitondran-tena sy ho tia an’Andriamanitra: “Niresahako tantara ao amin’ny Baiboly ry zareo. Efa nahay namerina azy ireny tamin’ny alalan’ny fihetsika ny zanako vavy, talohan’ny nahaizany niteny. Efa-taona ny zanako lahy tamin’izy nanao famakiana Baiboly ampahibemaso voalohany, tany amin’ny fivoriana kristianina.” Maro àry ny reny tsy nianatra firy, nefa mahavita tsara ny fanabeazana ny zanany.

Fandavana fanao manimba

Fanaon’ny foko tzotzil any Meksika ny mivarotra ny zanany vavy ho vadin’olona, rehefa 12 na 13 taona izy io. Matetika ilay ankizivavy no amidy amin’ny lehilahy efa zokiny lavitra be. Te hanana vady faharoa na fahatelo fotsiny ilay lehilahy. Raha tsy mahafa-po azy ilay ankizivavy, dia azony alefa mody, ary averina ny volany. Saika natao toy izany i Petrona tamin’izy mbola kely. Efa namidy ho vadin’olona ny reniny, ary niteraka iray. Nisarahan’ilay lehilahy anefa izy avy eo. Vao 13 taona monja izy no niharan’izany rehetra izany! Maty ilay zaza, tatỳ aoriana. Mbola namidy indroa indray anefa izy taorian’izay. Valo ny isan’ny zanany rehetra.

Tsy tian’i Petrona hitovy amin’izany ny fiainany. Nohazavainy izay nataony, ka nahafahany niala tamin’izany: “Niteny tamin’i Neny aho, rehefa vita ny fianarako tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra, hoe mbola tsy te hanambady, fa te hanohy ny fianarako. Nilaza tamiko izy hoe tsy nahatapaka izany, fa nila niresaka tamin’ny raiko aho.”

“Izao no tenin’i Dada tamiko: ‘Hitadiavako vady amin’izay ianao izao. Efa mahay miteny espaniola ianao, sady efa mahay manoratra. Ka inona indray no mbola tadiavinao? Raha mbola te hianatra ianao, dia ianao ihany no mitady vola handoavana ny saram-pianaranao.’ ”

“Izany tokoa no nataoko”, hoy i Petrona. “Nanao petakofehy aho mba hahazoako vola handoavana ny saram-pianarako.” Tsy namidy àry i Petrona. Rehefa lehibe izy, dia nanomboka nianatra Baiboly ny reniny, ka sahy nampianatra ny fitsipi-pitondran-tena avy ao amin’ny Baiboly tamin’ireo zandrin’i Petrona vavy. Afaka nampianatra azy ireo ny voka-dratsin’ny fivarotana ankizivavy kely ho vady koa izy, noho ny zavatra niainany.

Mbola misy fomba hafa arahin’ny olona maro anefa, dia ilay hoe ny ray ihany no mahazo manafay ny zanany lahy. Hoy i Petrona: “Nampianarina ny vehivavy tzotzil hoe ambany noho ny lehilahy izy ireo. Manjakazaka be àry ny lehilahy. Maka tahaka ny rainy ny ankizilahy kely, ka miteny amin’ny reniny hoe: ‘Tsy mahazo mibaiko ahy ianao. Izaho tsy hanao, raha tsy i Dada no miteny ahy.’ Tsy afaka mampianatra ny zanany lahy àry ny reny. Nahomby tamin’ny fanabeazana ny anadahiko anefa ny reniko, rehefa nianatra Baiboly. Hain’ny anadahiko tsianjery ny Efesianina 6:1, 2 hoe: ‘Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo. ... Hajao ny rainao sy ny reninao.’ ”

Hoy koa i Mary, renim-pianakaviana any Nizeria: “Tsy mahazo mampianatra na manafay ny zanany lahy ny reny, any amin’ny toerana nahalehibe ahy. Te hanahaka an’i Loisa reniben’i Timoty sy Eonika reniny, voaresaka ao amin’ny Baiboly, anefa aho. Tapa-kevitra àry aho fa tsy hataoko hahasakana ahy tsy hampianatra ny zanako ny fanao eo an-toerana.”—2 Timoty 1:5.

Fanao fahita any amin’ny tany sasany koa ny fandidiana ny fivavian’ny ankizivavy. Antsoin’ny olona sasany hoe “famorana vehivavy” izy io. Mety ho kely na betsaka no hesorina amin’ny fivaviana. Nampahafantatra io fanao io tamin’ny besinimaro i Waris Dirie, mpampiranty lamaody malaza sady ambasadaoro manokana ao amin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana Momba ny Mponina. Nasain’ny reniny noforana izy tamin’izy dimy taona, ho fanarahana ny fanaon’ny Somalianina. Voalazan’ny tatitra iray, fa vehivavy sy ankizivavy valo ka hatramin’ny folo tapitrisa no atahorana hampiharana io fanao io, any Moyen-Orient sy atsy Afrika. Na dia any Etazonia aza, dia ankizivavy 10 000 no mety hiharan’izany.

Inona no antony hanaovan’ny olona azy io? Misy mihevitra fa ratsy ny fivaviana, sady mahatonga ny ankizivavy haloto, ka tsy ho azo vadina. Misy mieritreritra koa fa raha esorina ny fivavian’ny ankizivavy, dia ho voaro izy, ka ho virjiny foana mandra-pananany tokantrano, ary tsy hatahorana hijangajanga aorian’izay. Mety hotezeran’ny vadiny na ny mpiara-monina aminy ny renim-pianakaviana, raha tsy manaiky intsony ny hanaovana izany amin’ny zanany.

Maro anefa ny reny lasa nahatsapa fa tsy misy antony marim-pototra hanekena io fanao mampijaly io, na ara-pivavahana izany, na ara-pitsaboana, na ara-pahasalamana. Milaza ny boky Fandavana Fanao Maharikoriko (anglisy) fa maro ny reny sahy nanda ny hampiharana io fanao io tamin’ny zanany vavy.

Betsaka tokoa àry maneran-tany ny reny mahavita miaro sy manabe ny zanany, na dia eo aza ny zava-tsarotra maro. Tena ankasitrahana ve anefa ny ezaka ataon’izy ireny?

[Efajoro/Sary, pejy 5]

‘Hita tamin’ny fandinihana maro natao, fa mahomby ny tetikasa fampandrosoana, isaky ny mandray anjara betsaka ny vehivavy. Misongadina avy hatrany ny vokatra: Salama kokoa sy tsara sakafo kokoa ny fianakaviana, mitombo ny vola miditra ao aminy sy ny tahiriny ary ny petra-bola azony ampiasaina. Mandray soa ny fiaraha-monina avy eo, ary ny firenena iray manontolo mihitsy amin’ny farany.’—Kofi Annan, Sekretera Jeneralin’ny ONU, 8 Martsa 2003.

[Sary nahazoan-dalana]

UN/DPI photo by Milton Grant

[Efajoro/Sary, pejy 8]

Niala Tamin’ny Asany Izy Noho ny Aminay

Hoy ny tovolahy brezilianina, atao hoe Juliano: “Nanana asa tsara karama ny reniko tamin’izaho dimy taona. Rehefa niteraka ny anabaviko anefa izy, dia tapa-kevitra ny hiala tamin’ny asany, mba hikarakarana anay. Niezaka nandresy lahatra azy tsy hanao izany ny mpanolo-tsaina tany am-piasany. Nilaza ry zareo hoe ho very maina fotsiny ny zavatra hataony, rehefa hanambady ny zanany, ka hiala ao an-trano. Hiezaka mafy izy, nefa tsy handray soa. Sahiko anefa ny milaza fa diso ry zareo. Tsy hohadinoiko mihitsy ny fitiavan’ny reniko anay.”

[Sary]

Juliano sy ny reniny ary ny iray tam-po aminy. Ankavia: Juliano tamin’izy dimy taona

[Sary, pejy 6]

Nianatra namaky teny sy nanoratra i Bishnu, ka nanampy ny zanany lahy hahazo fanabeazana tsara

[Sary, pejy 7]

Mamaky Baiboly any amin’ny fivoriana kristianina ny zanakalahin’i Antonia

[Sary, pejy 7]

Mpiasa an-tsitrapo any amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika i Petrona. Lasa Vavolombelona ny reniny tatỳ aoriana, ka mampianatra ireo zanany hafa

[Sary, pejy 8]

Waris Dirie, mpitondra teny malaza, manohitra ny famorana vehivavy

[Sary nahazoan-dalana]

Photo by Sean Gallup/ Getty Images