Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Lehibe ny Andraikitry ny Reny

Tena Lehibe ny Andraikitry ny Reny

Tena Lehibe ny Andraikitry ny Reny

MATETIKA no tsy ankasitrahana firy, ary ambanina mihitsy aza ny andraikitry ny reny. Lasa nataon’ny olona sasany tsinontsinona ny fitaizan-janaka, tato ho ato. Ambany, hono, izany raha oharina amin’ny asa fivelomana, ary karazana fampahoriana mihitsy aza. Mety hiteny ny ankamaroantsika hoe tafahoatra loatra izany fiheverana izany. Matetika anefa no atao izay hahatsapan’ny reny fa asa ambany ny fikarakarana tokantrano sy ny fitaizan-janaka. Misy mieritreritra mihitsy aza fa mila miasa any ivelan’ny tokantrano ny vehivavy mba hahitana ny tena zava-bitany.

Raim-pianakaviana sy ankizy maro anefa no lasa mankasitraka ny andraikitra tanan’ny reny ao an-tokantrano. Hoy i Carlo, miasa any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines: “Tsy ho tonga teto aho, raha tsy noho ny fanabeazana avy tamin’i Neny. Hentitra be ny dadanay, ka nanasazy avy hatrany. I Neny kosa niezaka nanazava sy nampisaintsaina, rehefa nanitsy anay. Tena tiako ny fomba fampianarany.”

Enina mianadahy ry Peter, atsy Afrika Atsimo, ary tsy nianatra firy ny reniny. Nandao azy mianakavy ny rainy. Hoy i Peter: “Tsy nanam-bola firy i Neny, satria mpiasa an-trano sy mpanadio no asany. Sarotra taminy ny nahita saram-pianarana ho anay rehetra. Nandry fotsy izahay matetika. Nila tsy ho voaloany na dia ny hofan-tranonay aza. Tsy kivy mihitsy anefa izy, na dia teo aza izany olana rehetra izany. Nampianariny tsy hampitaha ny tenanay tamin’ny olon-kafa izahay. Tsy ho nahavita niatrika ny fiainana mihitsy izahay, raha tsy be herim-po sy nahafoy tena izy.”

Hoy ny lehilahy nizerianina, atao hoe Ahmed, momba ny fanampian’ny vadiny azy amin’ny fitaizana ny zanak’izy ireo: “Ankasitrahako izay ataon’ny vadiko. Milamin-tsaina aho na dia rehefa tsy ao an-trano aza, satria fantatro fa voakarakara tsara ny zanako. Tsy mieritreritra aho hoe mifaninana amiko ny vadiko. Misaotra azy kosa aza aho, ary miteny amin’ireo zanako mba hanaja azy toy ny fanajan’izy ireo ahy.”

Midera ny vadiny koa ny lehilahy palestinianina iray, noho izy mahomby eo amin’ny fanabeazana ny zanany. Hoy izy: “Lina no tena nanampy ny zanakay vavy ho hendry. Izy koa no tena nahatonga ny fianakavianay ho tia an’Andriamanitra. Tsy ho nahomby toy izao izy, araka ny hevitro, raha tsy teo ny fivavahany.” Vavolombelon’i Jehovah i Lina, ary manaraka ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny fanabeazana ny zanany vavy.

Inona no sasany amin’ireo toro lalana ireo? Ahoana no fiheveran’ny Baiboly ny reny? Inona no porofo fa nomem-boninahitra sy nohajaina ny reny fahiny, noho izy nanabe ny zanany?

Ahoana no tokony hiheverana ny reny?

Nomena andraikitra tena lehibe eo anivon’ny tokantrano ny vehivavy, tamin’izy noforonina. Hoy ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly: “Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.” (Genesisy 2:18) Natao ho vady sahaza na fameno ho an’i Adama àry i Eva, ilay vehivavy voalohany. Noforonina ho mpanampy tena nety tsara ho azy izy. Notendren’Andriamanitra handray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fikasany koa izy. Fikasan’Andriamanitra mantsy ny hananan’izy mivady zanaka sy hitaizany azy ireo, ary hikarakarany ny tany sy ny biby eo aminy. Tokony ho tena namana ho an’i Adama koa izy, ka hanampy azy hahita hevitra sy hanohana azy. Tena faly i Adama nahazo an’io fanomezana sarobidy io avy tamin’ny Mpamorona!—Genesisy 1:26-28; 2:23.

Tatỳ aoriana, dia nanome toro lalana ny amin’ny tokony hitondrana ny vehivavy Andriamanitra. Tokony hohajaina, ohatra, ny reny israelita, fa tsy hatao tsinontsinona. Hovonoina ho faty ny zanakalahy, raha “manozona ny rainy na ny reniny.” Nampirisihina ‘hankatò ny ray aman-dreniny’ ny tanora kristianina.—Levitikosy 19:3; 20:9; Efesianina 6:1; Deoteronomia 5:16; 27:16; Ohabolana 30:17.

Samy tokony hampianarin’ny reniny, na ny zanany vavy na ny zanany lahy, ary hanara-maso izany ny rainy. Nomena baiko ny zanaka lahy mba tsy ‘hahafoy ny lalàn-dreniny.’ (Ohabolana 6:20) Resahin’i Lemoela Mpanjaka ao amin’ny Ohabolana toko faha-31 koa ny ‘teny mavesa-danja nananaran-dreniny azy.’ Nananatra ny zanany lahy, ohatra, io reny io mba handanjalanja amin’ny zava-pisotro misy alkaola. Hoy izy: “Tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay, na amin’ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.”—Ohabolana 31:1, 4, 5.

Tsara koa raha mandinika ny filazalazan’ny renin’i Lemoela Mpanjaka momba ny “vehivavy tsara” ny tovolahy rehetra te hanambady. Hoy izy momba ny vehivavy toy izany: “Ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.” Niteny toy izao izy avy eo, rehefa avy nitanisa ireo soa lehibe entin’ny vehivavy toy izany ao an-trano: “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.” (Ohabolana 31:10-31) Nataon’ny Mpamorona antsika hanana ny hasiny sy hitana andraikitra lehibe àry ny vehivavy, eo anivon’ny tokantrano.

Tiana sy hajaina koa ny vehivavy manambady sy ny renim-pianakaviana eo anivon’ny fiangonana kristianina. Hoy ny Efesianina 5:25: “Ry lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo.” Nahazo izao torohevitra avy amin’ny fanahy masina izao koa i Timoty, tovolahy nampianarin’ny reniny sy ny renibeny hanaja ny “Soratra Masina”: ‘Iangavio ... toy ny reny ny vehivavy zokiolona.’ (2 Timoty 3:15; 1 Timoty 5:1, 2) Tokony hohajain’ny lehilahy toy ny reniny àry ny vehivavy zokiolona. Sarobidy sy manana ny hasiny tokoa ny vehivavy, amin’Andriamanitra.

Asehoy fa mankasitraka azy ianao

Noheverina ho ambany ny vehivavy tany amin’ny toerana nahalehibe ny lehilahy iray. Hoy izy: “Ny lehilahy no tena nampianarina tany aminay. Nampijalina sy tsy nohajaina kosa ny vehivavy. Tsy maintsy niezaka mafy àry aho mba hihevitra ny vehivavy toy ny fiheveran’ny Mpamorona azy, dia fameno, namana, mpanampy, ary mpiara-miasa amiko amin’ny fanabeazana ny ankizy. Sarotra amiko ny midera ny vadiko, nefa miaiky aho fa ny ezaka mafy nataony no nahatonga ny zanako ho hendry.”

Afaka mirehareha àry ireo reny miantsoroka ny andraikiny eo amin’ny fanabeazana ny zanany. Asa tsara izany. Tena mendrika ny hahazo teny fiderana avy amin’ny fo izy ireo. Betsaka ny zavatra ampianariny antsika. Ampianariny hanana fahazarana mahasoa mandritra ny fiainana, ohatra, isika. Ampianariny hahalala fomba koa isika, satria tena ilaina izany mba hifandraisana tsara amin’ny olona. Mety hampianariny ho tsara fitondran-tena sy ho tia an’Andriamanitra koa isika, ka voaro mandritra ny fahatanorana. Efa mba nankasitraka ny reninao ve ianao tato ho ato, noho izay nataony ho anao?

[Sary, pejy 9]

Nampianatra an’i Peter tsy ho kivy ny reniny

[Sary, pejy 10]

Tena ankasitrahan’i Ahmed ny fanampian’ny vadiny azy teo amin’ny fitaizana ny zanany

[Sary, pejy 10]

Ny fivavahan’i Lina no nahatonga ny zanany vavy ho hendry, araka ny hevitry ny vadiny