Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Kafe Tsy Misy Kafeinina

Tena be mpamboly ny kafe arabikà. Manao tatitra ny gazety espaniola El País, fa nahita karazany vaovao tamin’io kafe io ny mpahay siansa brezilianina. Any Etiopia no ahitana an’io karazany zara raha misy kafeinina io. Tena mahaliana ny indostria mpanao kafe tokoa izy io. Aleon’ny 10 isan-jaton’ny mpisotro kafe eran-tany mantsy kafe tsy misy kafeinina, ary mihamitombo io isa io. Misy kafeinina 12 miligrama eo ho eo ao anaty voan-kafe mahazatra 1 grama. Kafeinina 0,76 miligrama monja anefa no ao anatin’ny 1 grama amin’ilay karazany vaovao. Hoy ihany ilay gazety: “Mandany vola be ny fanalana kafeinina any amin’ny indostria. Milaza ny mpahay siansa fa tsy manala ny kafeinina fotsiny izany, fa ny zavatra sasany tena mampisy tsirony ny kafe koa.” Hamaha ireo olana roa fahita amin’ny fanalana kafeinina àry ilay karazany vaovao.

Tsy Misy Heriny eo Amin’ny Hala ny Sinton’ny Tany

Milaza ny gazety The Times any Londres fa “hitan’ny mpahay siansa ny antony ahafahan’ny hala mamikitra amin’ny rindrina sy ny valindrihana.” Valo ny tongony ary rakotra volo kely ny lohatongony tsirairay. Mbola misy volo faran’izay kely 624 000 anefa isaky ny volo kely tsirairay. Tena mahatonga ny hala hahay hamikitra mafy amin’ny rindrina na ny valindrihana ireny volo faran’izay kely ireny, ka mahazaka zavatra avo 170 heny noho ny lanjany izy. Nisy mpikaroka alemà sy soisa nandinika tamin’ny mikraoskaopy elektronika ny tongotry ny karazana hala mitsambikina. Araka ny voalazan’ilay gazety, dia hita tamin’io fikarohana io fa ‘mety ho azo alaina tahaka io fomba io mba hanamboarana lakaoly vaovao faran’izay mafy, tsy ho simban’ny hamandoana.’ Hoy koa ny Profesora Antonia Kesel, lehiben’ilay ekipa mpikaroka: “Alao sary an-tsaina ny mpanamory sambon-danitra manao akanjo manokana, ahafahany miraikitra amin’ny sambon-danitra.”

Fakana An-keriny any Meksika

Nilaza tao amin’ny gazety The Miami Herald ny kompaniam-piarovana iray fa manarakaraka an’i Kolombia, dia i Meksika no firenena faharoa misy fakana an-keriny be indrindra any Amerika Latinina. “Nisy 3 000 no nalaina an-keriny [tamin’ny 2003] nefa tsy nampahafantarina ny manam-pahefana.” Mbola betsaka anefa no tsy nanaovana tatitra, fa naleon’ny fianakaviana nifampiraharaha mivantana tamin’ny mpaka an-keriny. Tsy tafiditra ao anatin’io isa io koa ireo olona nalaina an-keriny, izay novotsorana rehefa avy noterena haka vola tamin’ireo masinina mpamoaka vola. Tombanana ho 16 isan’andro, fara fahakeliny, no misy maka an-keriny vetivety toy izany any Mexico. Nilaza anefa ilay gazety fa mety ho 80 mihitsy aza izany. Tena mampanahy fa lasa mihamahery setra ny mpaka an-keriny, ary mihabetsaka ny nalaina an-keriny novonoina, na dia efa voaloa aza ny vola.

Taona Nahitana Olona Voan’ny SIDA Be Indrindra

Olona dimy tapitrisa no voan’ny SIDA tamin’ny 2003. Manao tatitra ny gazety The Wall Street Journal, fa izany no “isa be indrindra tao anatin’ny taona iray, hatramin’ny roapolo taona nisian’io aretina io. ... Miady amin’ny tsimokaretina VIH ny tany an-dalam-pandrosoana. Mihabetsaka foana anefa ny olona voan’ny SIDA, ary an-tapitrisany isan-taona no maty.” Mikarakara hetsika hiadiana amin’ny SIDA ny ONUSIDA, tohanan’ny Firenena Mikambana sy ny fikambanana hafa. Manao tatitra izy io, fa 3 tapitrisa teo ho eo no matin’ny SIDA tamin’ny 2003, ary 20 tapitrisa mahery no maty hatramin’ny nahafantarana an’io aretina io voalohany tamin’ny 1981. Tombanan’izy io ho 38 tapitrisa ankehitriny ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH. Ny faritr’i Afrika atsimon’i Sahara no tena tratra, satria 25 tapitrisa no voa any. I Azia Atsimo sy Atsimoatsinanana no manarakaraka, ary 6,5 tapitrisa kosa no voa. Hoy ihany io gazety io: “Maneran-tany, dia efa ho ny antsasaky ny olona mitondra VIH vao haingana, no tanora 15 ka hatramin’ny 24 taona.”

Ankizy Milondolondo Maso

Manao tatitra ny gazety espaniola ABC, fa ‘manomboka heverina ho mandany andro ny matory. Tsy ampy tory na dia ny ankizikely aza. Tsy ampy mba hahasalama ny sainy sy hitomboany ny fotoana atoriany.’ Milaza ny sampan’asa iray ao amin’ny Hopitaly Dexeus any Barcelone, fa mitebiteby ny ankizy tsy ampy torimaso, tezitezitra, tsy mahay any am-pianarana, kivy, ary mety tsy hitombo araka ny tokony ho izy mihitsy aza. Milaza ny manam-pahaizana fa maro ny ankizy tsy ampy torimaso, satria mampiasa ordinatera na telefaonina entin-tanana, mijery tele, na manao lalao video alohan’ny hatoriany. Tsy vitan’ny hoe miari-tory izy ireo, fa lasa tsy manana ny fahatoniana ilaina mba hahitana tory koa. Hoy ilay psikology antsoina hoe Victoria de la Fuente: “Fantatry ny ankizy rehetra fa manimba ny fifohana sigara. Tsy mba misy milaza aminy anefa hoe tokony ho ampy torimaso tsara izy ireo. Mety hijaly izy ireny vao hahita tory rehefa lasa olon-dehibe, raha avelantsika amin’izao fotsiny izany.”

Voafetra ny Haavon’ny Hazo

Milaza ny gazety Las Vegas Review-Journal fa “ny séquoia no hazo avo indrindra eto ambonin’ny tany. Voafetra anefa ny haavony, na dia mahazo izay rehetra ilainy aza izy io.” Hita fa 130 metatra eo ho eo ny haavo farany tratran’izy io, rehefa nodinihina ny efatra tamin’izy ireo sy ny hazo hafa faran’izay avo misy ankehitriny (mirefy 110 metatra, mitovitovy haavo amin’ny trano misy rihana 29). Mamoaka rano mantsy ny raviny, noho izany dia tsy maintsy mitroka rano ny fakan’ilay hazo mba hisy ho tonga hatrany amin’ny tendrony. Manohitra ny sinton’ny tany anefa izany. Tombanan’ny mpikaroka fa mety hahatratra 24 andro ny fanaovan’ilay hazo izany. Mihamavesatra ny rano arakaraka ny hiakarany ny lalan-dranon-kazo, ka tsy tafakatra intsony izy io rehefa lasa mavesatra loatra. Izany no mahatonga ilay hazo tsy hitombo intsony. Ny hazo kesika Douglas no avo indrindra fantatra hatramin’izay. Mahatratra 126 metatra izy io.

Telefaonina Mampirisika Hivavaka

Efa misy mivarotra ankehitriny ny telefaonina vaovao entin-tanana natao ho an’ny Silamo. Milaza ny gazety alemà Die Zeit, fa sady misy Kôrana iray manontolo ao anatiny, no azo atao koa izay hanairany ny mpino silamo hivavaka indimy isan’andro. Hita ao amin’io telefaonina io mihitsy aza ny fanondroana ny toerana misy an’i Lameka, avy any amin’ny tanàn-dehibe 5 000 mahery. Ahitana ny daty ao amin’ny kalandrie gregorianina sy ny kalandrie silamo atao hoe Hijri koa izy io. Mirehareha ny mpanao azy io fa nahazo sitraka tamin’ny lehiben’ny sekoly silamo, na dia lafo be aza ilay izy.

Mihamaizina ny Tany

Milaza ny gazety Scientific American hoe: “Hitan’ireo mpahay siansa fa mihena ny hazavan’ny masoandro tonga eto an-tany, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Ny rahona sy ny rivotra maloto, ary ireo zavatra simika afantsitsitra no manakana ny hazavana, fa tsy ny masoandro akory no lasa maizina.” Hita tamin’ireo fitaovana an-jatony nampiasaina, fa nihena efa ho 10 isan-jato ny hazavana, nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1950 ka hatramin’ny fiandohan’ireo taona 1990. Be kokoa noho izany aza ny any Azia sy Eoropa, ary Etazonia. Nihena 37 isan-jato, ohatra, ny hazavana any Hong Kong. Eken’ny mpahay siansa fa mbola tsy tena fantatra tsara ny momba izany.