Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona Handeha Lavitra Kokoa

Vonona Handeha Lavitra Kokoa

Vonona Handeha Lavitra Kokoa

NOTANTARAIN’I VAVY CLAIRE

NOSY be tendrombohitra i Madagasikara, sady misy ala mikitroka. Tokotokony ho 400 kilaometatra ny elanelany amin’i Mozambika, tany iray atsy Afrika Atsinanana. Teraka tany amin’ny faritra atsinanan’io nosy io aho, izany hoe tany amin’ny tanàna kelin’i Betoko II. Nandeha nianatra tany Mahanoro aho, tamin’ny 1987, tamin’izaho 15 taona. Tanàna amoron-tsiraka i Mahanoro.

Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Célestin, zokiko lahy niara-nipetraka tamiko tany Mahanoro. Lasa Vavolombelona aho, roa taona taorian’izay. Tapa-kevitra aho fa hanompo an’i Jehovah Andriamanitra araka izay fara heriko, raha mbola azoko atao koa.

Niezaka nanatratra ny tanjoko aho

Anisan’ny tanjoko voalohany ny hampianatra ny fianakaviako tany Betoko II, ary nataoko antom-bavaka tamin’i Jehovah izany. Rehefa vakansy ihany anefa aho vao afaka nankany Betoko II. Sarotra ny nankany, satria 100 kilaometatra ny elanelany amin’i Mahanoro, nefa 40 kilaometatra ihany no tongan’ny fiarakodia. Lalan-kely eny an-tendrombohitra kosa ny 60 kilaometatra ambiny, ka tsy maintsy andehanana an-tongotra.

Tsy maintsy nananika havoana imbetsaka aho. Mikitoantoana koa ny lalana, ary zara raha nisy hasiana tongotra ny sasany aminy. Mahavita 40 kilaometatra eo ho eo aho matetika, raha miainga vao maraina, ary tsy mijanona raha tsy hariva ny andro. Nitondra entana 15 kilao mahery aho, isaky ny nandeha. Nololohaviko sy nobabeko ny sasany, ary novimbiniko ny ambiny. Boky sy gazety ara-baiboly no tena betsaka tamin’ny entako. Nentiko hozaraina tamin’ny havako sy ny olon-kafa liana izy ireny. Lasa nantsoin’ny olona teny an-dalana hoe “ramatoa mpirongo entana” aho, tamin’ny farany.

Nafana fo erỳ aho niresaka tamin’ny fianakaviako momba ny finoako vaovao, nefa tsy nety nihaino ahy ry zareo tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa, dia niova ry zareo. Nametraka fanontaniana be dia be ry zareo, ka tsy natory izahay indraindray, raha tsy tamin’ny roa maraina.

Vakansy tsy hay hadinoina

Tonga hanao vakansy tany Betoko II aho, tamin’ny 24 Desambra 1990. Faly ny fianakaviako nahita ahy, satria noheveriny fa hanao Krismasy miaraka aminy no nahatongavako. Diso fanantenana anefa ry zareo, rehefa nohazavaiko ny antony tsy hahafahako hankalaza Krismasy. Menatra ry zareo hanazava izany tamin’ny olona tao an-tanàna, satria nifandray akaiky ny mpiray tanàna. Nieritreritra àry aho hoe izaho mihitsy no tokony hanazava ilay izy. Ahoana anefa no hataoko?

Tsy hitako izay hatao, satria mbola kely aho tamin’izay. Nanontany tena aho raha mety ny hankanesako any am-piangonana ny ampitso, mba hanazavako ny finoako. Hiangona daholo mantsy ny olona amin’io. Nivavaka mafy sy ela be tamin’i Jehovah aho, mba homeny tari-dalana. Mpampianatra katesizy tao amin’ilay fiangonana i Paul zokiko lahy tamin’izany. Nanontany azy aho hoe: “Mety ve raha hazavaiko amin’ny mpiangona rehetra, rahampitso, ny antony tsy hankalazako Krismasy?” Nanontany ny mpiangona hafa izy, ka nanaiky ry zareo.

Nampanantsoina aho ny ampitso, rehefa vita ny fotoam-pivavahana. Nivavaka tamin’i Jehovah indray aho, ary nitondra boky sy gazety ara-baiboly betsaka. Nampidi-dresaka aloha aho, ary nisaotra ny rehetra noho izy ireo nanampy ahy hanaja lalina ny Baiboly. Nohazavaiko fa mbola nianatra Baiboly foana aho, rehefa tonga tany an-tanàn-dehibe, ka nahafantatra fahamarinana be dia be mbola tsy nampianarina anay hatramin’izay.

Nohararaotiko ilay fotoana mba hanazavana momba ny fampanantenan’ny Baiboly fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany (Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4), ny antony hankanesan’ny olo-mahatoky vitsivitsy any an-danitra (Jaona 14:2, 3; Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3), ary ny fampianaran’ny Baiboly fa tsy mijaly ny maty, satria tsy mahalala na inona na inona intsony, sady toy ny olona matory (Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 11:11-14, 38-44). Nohazavaiko avy eo fa tsy nankalaza Krismasy ny Kristianina voalohany, fa ny mpanompo sampy no namorona io fety io.

Rehefa vita ny fanazavako, dia betsaka no niaiky fa marina izay nolazaiko. Mbola nametraka fanontaniana aza ny sasany. Nasehoko an-dry zareo avy eo ny boky sy gazety nentiko, ary nohazavaiko fa boky fianarana Baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nilaza aho hoe vonona hampianatra an’izay maniry hianatra Baiboly. Maro no nandray ny boky sy gazety nentiko.

Fihaonana tsy nampoizina

Nanatona ahy ny ramatoa iray tsy fantatro, ka niteny hoe: “Mpiara-mivavaka aminareo ny rahavaviko, fa tsy atỳ izy no mipetraka.” Gaga aho, ka nanontany azy hoe: “Fa aiza?”

“Any Andranomafana”, hoy izy. Tokotokony ho 30 kilaometatra avy eo Betoko II io tanàna io.

Niteny taminy aho hoe avy amin’ny fivavahana hafa angamba izany rahavaviny izany, satria mifankahalala daholo ny Vavolombelon’i Jehovah eny amin’ny manodidina. Nanizingizina anefa izy, fa nitovy tamin’ny zavatra vao avy nohazavaiko ny nampianarin’ilay rahavaviny azy. Nanontaniako azy ny anaran’ilay rahavaviny sy ny adiresiny, satria saika handeha ho any teo no ho eo ihany aho. Nasain’ny reniko niandry ny ampitso na afakampitso anefa aho, satria sarotra be ny lalana mankany Andranomafana, sady tsy maintsy andehanana an-tongotra. Roa andro tatỳ aoriana aho vao nankany, niaraka tamin’i Charles anadahiko.

Vao tonga tany izahay, dia nanontany olona hoe: “Misy Vavolombelon’i Jehovah ve atỳ?” Kivy aho rehefa nilaza ry zareo hoe: “Katolika sy Pentekotista ary Fiangonana Tsy Miankina ihany no misy atỳ.”

Nisy ramatoa niteny anefa avy eo hoe: “Vavolombelon’i Jehovah ve no tadiavinareo? Ry Marcelline mianakavy angamba izany.” Izay mihitsy ilay anarana nolazaina tamiko!

Nampanantsoina àry i Marcelline. Vetivety izy dia tonga, saingy toa natahotahotra. Nitangorona ny iray tanàna, satria noheverin-dry zareo fa manam-pahefana tonga hamotopototra an’i Marcelline izahay. Fantatro tatỳ aoriana fa nanenjika azy mianakavy ny olona tao an-tanàna, noho izy ireo nanaraka ‘fivavahana vaovao.’

Nentin’i Marcelline niala lavidavitra ny vahoaka izahay, mba hahafahanay hifampiresaka tsara. Nanaiky izy hoe Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nanontaniako. Nandeha naka ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izy avy eo. Io boky io taloha no nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah hampianarana Baiboly. Nitondra gazety Ny Tilikambo Fiambenana tranainy koa izy. Samy efa nisy rovidrovitra ireo rehetra ireo, sady tonta be. Nanontaniako izy hoe: “Inona no gazety nianaranareo tamin’ny alahady?”

“Ireto ihany ny gazety anananay”, hoy izy, “ka ireo foana no averimberinay ianarana.” Tamin’izay aho vao nilaza tamin’i Marcelline hoe Vavolombelon’i Jehovah koa. Faly be mihitsy izy! Niteny taminy aho hoe te hihaona amin’ilay lehilahy nitarika ny fivorian-dry zareo. Nilaza anefa izy fa mbola lavitra be avy eo no misy an’ilay lehilahy.

Fihaonana hafa nahafinaritra

Niaraka nankany amin’ilay lehilahy izahay sy Marcelline ny ampitson’io. Sady gaga be izy no faly nahita anay. Hay izy Vavolombelon’i Jehovah niasa tany Toamasina, tanàn-dehibe amoron-tsiraka, any avaratra atsinanana, 200 kilaometatra mahery miala eo! Voaroaka tampoka tamin’ny asany izy, taona vitsivitsy talohan’io, ka voatery niverina teo amin’io tanànany taloha io izy mianakavy. Vao tonga izy, dia nanomboka nitory sy nampianatra Baiboly ary nanao fivoriana.

Variana be izy mianakavy nahita an’ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana farany nentiko. Nasehoko azy ireo koa ilay boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Io boky io indray tamin’izay no nampiasaina hampianarana Baiboly. Izay ry zareo vao nahita azy io. Niverina tany Andranomafana aho ny alahadin’iny, mba hiara-mivory tamin-dry zareo. Nampirisihiko ry zareo mba hifandray amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Antananarivo renivohitra, satria mbola tsy fantatry ny any ny fisian-dry zareo.

Nivezivezy avy any Mahanoro nankany Andranomafana, saika isam-bolana aho, nanomboka tamin’ny Janoary 1991, mba hitondra gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy boky ho an-dry zareo. Tokotokony ho 130 kilaometatra ny lalako vao tonga any. Dia an-tongotra ny 90 kilaometatra eo ho eo amin’izany. Tsy maintsy nianika havoana maro mideza sy mikitoantoana aho, ary namakivaky ala mikitroka. Nandeha tao anaty fotaka be nampibolisatra aho rehefa avy ny orana.

Nihanavesatra hatrany ny entako, satria nihabetsaka ny olona nitady boky sy gazety. Vizana aho isaky ny avy nandeha, ary nanaintaina ny hozatro. Tena faly sy afa-po anefa aho rehefa tonga tany, ka tsy tsaroako intsony izany. Faly be aho nahita an’ireo olona vitsivitsy tany nientanentana erỳ, isaky ny nahazo gazety vaovao. Faly be koa aho nahita azy ireo nampiseho ny fankasitrahany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly!

Nanomboka nanompo manontolo andro aho

Voatendry ho mpisava lalana maharitra aho, tamin’ny 1 Septambra 1992. Izany no iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitory manontolo andro ao aminy. Tany Mahanoro aho no nanao io asa io. Nifanoratra tamin’ny fianakaviako tany Betoko II foana anefa aho. Nanomboka nampianatra azy ireo an-taratasy aho, rehefa nandeha ny fotoana. Nasain-dry zareo nody tany Betoko II aho avy eo, mba hampianatra azy. Vonona ny hanao izany aho, nefa tiako ho azo antoka tsara aloha raha tena tapa-kevitra hianatra Baiboly sy ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Mbola nijanonjanona tany Mahanoro àry aho aloha.

Nahazo nanatrika fianarana naharitra tapa-bolana, natao ho an’ny mpisava lalana, tany Antananarivo aho, tamin’ny faramparan’ny taona 1993. Nampirisihina hameno fangatahana ho mpisava lalana manokana aho taorian’izay. Alefa hitory any amin’izay toerana anendren’ny biraon’ny sampana anefa ny mpisava lalana manokana, ka tsy nameno an’ilay fangatahana aho. Mbola te hampianatra ny fianakaviako tany Betoko II mantsy aho. Lavitra be avy teo amin-dry zareo koa vao nisy fiangonana. Niverina tany Mahanoro ihany àry aho, ka nanohy nanao mpisava lalana maharitra.

Tonga nitsidika anay ny mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’izay. Nanontaniako izy raha afaka mody any aminay aho, mba hampianatra ny fianakaviako. Efa nisy fiangonana tany Andranomafana tamin’izay, ka nanoro hevitra ahy hifindra tany izy. Sady afaka miara-miasa amin’ilay fiangonana aho amin’izay, no afaka mitory any Betoko II. Nifindra tany aho nanomboka tamin’ny 1 Septambra 1994. Niara-nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamiko tamin’io volana io i Paul anadahiko, ilay nampianatra katesizy. Tsy ela dia nisy 30 ny mpitory tany Andranomafana, ary 65 teo ho eo no nanatrika fivoriana rehefa alahady.

Mbola nitohy ihany ny dia an-tongotra

Lasa mpitory ny efatra tamin’ny iray tam-po amiko, tsy ela taorian’ny nodiako tany Betoko II, ary natao batisa izy ireo, taoriana kelin’izay. Rehefa nipetraka tao Betoko II indray aho, dia tsy maintsy nivezivezy nankany Anosibe An’ala naka boky sy gazety. Dia an-tongotra 50 kilaometatra no tsy maintsy nataoko tamin’izany. Nandreraka ilay izy, nefa tsy nampaninona ahy, satria faly aho nahita ny fitomboana tany aminay.

Misy fiangonana mandroso tsara izao any Betoko II, ary 45 eo ho eo ny mpanatrika rehefa alahady. Vavolombelon’i Jehovah daholo izao ny fianakaviako akaiky rehetra any, ary mpisava lalana maharitra ny ankamaroany. Mpisava lalana manokana ny zandriko lahy. Voatendry ho mpisava lalana manokana koa aho nanomboka tamin’ny 1 Novambra 2001, ary nirahina atỳ Antanambao-Manampotsy. Tsy nalahelo anefa aho nandao an’i Betoko II.

Latsaka ny 3 000 ny Vavolombelon’i Jehovah teto Madagasikara, tamin’izaho nanomboka nianatra Baiboly, tamin’ny 1987. Maherin’ny 14 000 anefa izy ireo izao. Toy ny maro aminy, dia faly aho satria afaka nandany ny heriko nandehanana lavitra kokoa, mba hanampiana olon-kafa. Misaotra an’i Jehovah aho, satria notahiny ny ezaka nataoko.

[Sary, pejy 24, 25]

Matetika aho no nitondra entana 15 kilao mahery tamin’ny lalana 60 kilaometatra nankany aminay

[Sary, pejy 25]

Paul zokiko lahy

[Sary, pejy 26]

Charles anadahiko

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’ny fianakaviako sasany. Vavolombelon’i Jehovah daholo izao izy rehetra ireo