Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-tsarotra Atrehin’ny Reny

Zava-tsarotra Atrehin’ny Reny

Zava-tsarotra Atrehin’ny Reny

“Ny adidy ao an-tokantrano no adidy lehibe indrindra tokony hataon’ny olombelona. ... Raha tsy manao ny adidiny ny reny, dia tsy hisy ny taranaka manaraka, na hisy ihany, saingy tena hanahirana, ka aleo aza tsy misy.”—Theodore Roosevelt, prezidàn’i Etazonia faha-26.

TENA ilaina eo amin’ny fiainana tokoa ny reny. Tsy natao hiteraka fotsiny anefa izy. Hoy ny mpanoratra iray, momba ny andraikitry ny ankamaroan’ny reny maneran-tany: ‘Miankina be dia be aminy ny fahasalaman’ny zaza tsirairay, ny fanabeazana azy, ny fahakingan-tsainy, ny toetrany, ary ny toe-pony.’

Iray amin’ireo andraikitra maro sahanin’ny reny ny fanabeazana ny zanany. Avy amin’ny reny, matetika, no ianaran’ny zaza ny teny voalohany hainy sy ny fomba fiteniny. Mety ho ny reny koa no tena mampianatra sy manafay ny ankizy, satria izy mazàna no tena miaraka amin’izy ireo isan’andro, fa tsy ny ray. Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fanabeazana àry ny reny. Marina ilay ohabolana meksikanina hoe: “Vao minono ny zaza, dia efa mahazo fanabeazana.”

Mendrika ny hohajaina koa ny reny, amin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika. Mampirisika ny ankizy toy izao, ohatra, ny iray amin’ny Didy Folo nosoratan’ny “rantsan-tànan’Andriamanitra” teo amin’ny vato fisaka: “Manajà ny rainao sy ny reninao.” (Eksodosy 20:12; 31:18; Deoteronomia 9:10) Miresaka momba ny “lalàn-dreninao” koa ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 1:8) Eken’ny olona maro koa izao fa tena ilaina ny mampianatra ny ankizy, mandritra ireo telo taona voalohany aorian’ny ahaterahany. Mbola tena karakarain’ny reniny mantsy ny ankamaroany amin’io fotoana io.

Inona no zava-tsarotra sasany?

Sarotra ho an’ny reny maro anefa ny mampianatra ny zanany mandritra ireo taona tena ilan’izy ireny fampianarana, satria tsy maintsy miasa izy mba hanampiana ny vola ao an-trano. Hita tamin’ny antontan’isa nangonin’ny Firenena Mikambana, fa miasa ny antsasany mahery amin’ny reny manan-janaka latsaka ny telo taona, any amin’ny tany mandroso maro.

Be dia be koa ny reny tsy maintsy mitaiza irery ny zanany, satria lasa nitady asa any amin’ny tanàna na firenena hafa ny vadiny. Voalaza, ohatra, fa efa ho ny ampahatelon’ny lehilahy any amin’ny faritra sasany any Armenia, no lasa nitady asa any an-tany hafa. Misy koa reny mitaiza irery ny zanany, satria nilaozan’ny vadiny, na maty vady.

Misy zava-tsarotra hafa atrehin’ny reny any amin’ny tany sasany. Maro amin’izy ireo no tsy nianatra firy. Araka ny vinavinan’ny Sampan-draharahan’ny ONU Misahana ny Toe-karena sy ny Fiaraha-monina, dia vehivavy ny androatokon’ireo olona 876 tapitrisa tsy mahay taratasy, maneran-tany. Milaza koa ny UNESCO, fa maherin’ny 60 isan-jaton’ny vehivavy atsy Afrika sy any amin’ireo tany arabo ary any Azia Atsinanana sy Atsimo, no tsy mahay taratasy. Be dia be koa ny lehilahy mihevitra fa tsy ilaina hampianarina ny vehivavy. Mino mihitsy aza izy ireo fa mahatonga ny vehivavy tsy hahavita hiteraka ny fianarana.

Milaza ny gazety Fomba Fijery (anglisy), fa tsy tia manambady vehivavy nahita fianarana ny lehilahy any amin’ny faritra iray any amin’ny fanjakan’i Kerala, any Inde. Vao 15 taona ny ankamaroan’ny ankizivavy any, dia efa renim-pianakaviana. Any Pakistan, firenena eo akaikin’i Inde, dia ny zanakalahy no tena ampianarina. Afaka mahita asa tsara karama izy amin’izay, ka hahavita hamelona ny ray aman-dreniny, rehefa antitra izy ireo. “Tsy mandany vola hampianarana ny zanany vavy” kosa “ny ray aman-dreny satria tsy inoany hoe hahavita hampidi-bola ho an’ny fianakaviana izy”, araka ny boky Fanabeazana ny Vehivavy any Amin’ny Tany An-dalam-pandrosoana (anglisy).

Zava-tsarotra atrehin’ny reny koa ny fanao eo an-toerana. Misy fanao antenaina harahin’izy ireny, ohatra, any amin’ny tany sasany. Anisan’izany ny fivarotana ny zanany vavikely ho vadin’olona, na ny famorana azy. Fady amin’ny reny koa ny mampianatra sy manafay ny zanany lahy. Tsy maintsy manaraka izany fanao izany ve izy, ka hamela ny olon-kafa hampianatra ny zanany lahy?

Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba nandresen’ny reny sasany an’ireo zava-tsarotra ireo. Hanampy antsika koa ireo lahatsoratra ireo, mba hankasitraka kokoa ny reny sy ny asany, ary hanana fomba fijery mety momba ny andraikiny eo amin’ny fanabeazana ny zanany.

[Efajoro/Sary, pejy 4]

“Tena mila manao ny andraikiny ny reny, mba hampivelatra ny sain’ny zaza, sy hahatonga azy hanana saina tia karokaroka, ary hahay hamoron-javatra.”—Zaikabem-paritra Momba ny Zon’ny Ankizy, Burkina Faso, 1997.

[Sary, pejy 3]

Miankina be dia be amin’ny reny ny fahasalaman’ny zaza tsirairay, ny fanabeazana azy, ny toetrany, ary ny toe-pony