Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manirery Voatosika hanoratra ho anareo aho, rehefa avy namaky ilay andian-dahatsoratra hoe “Irery Nefa Tsy Manirery.” (8 Jona 2004) Tsy nahaliana ahy ilay izy tamin’ny voalohany. Rehefa nanomboka namaky anefa aho, dia tsapako fa tsy zatra namboraka ny fihetseham-poko tamin’ny olona aho. Tena nilaiko ireo fanoloran-kevitra tao.

A. V., Etazonia

Ketraka sy mijaly noho ny aretina aho, ary matory foana vokatry ny fanafody haniko. Matetika aho no mahatsiaro ho irery sy tena kivy, noho izany. Nanampy ahy hahatakatra ireo lahatsoratra ireo, fa tsy irery isika, na dia mahatsiaro ho manirery aza!

J. C., Etazonia

Efatra ambin’ny folo taona aho, ary nisy fotoana naniriako ny ho tian’ny mpiara-mianatra tamiko. Noheveriko ho namana izy ireo. Reko anefa fa handao ahy, hono, ry zareo raha tsy miova aho. Tsy nitovy tamin-dry zareo mantsy aho satria Kristianina. Takatro izao fa eo anivon’ny fiangonana kristianina no ahitana ny tena namana, na tanora na antitra.

N. C., Espaina

Noho ilay andian-dahatsoratra dia takatro hoe nahoana aho no kivy rehefa mandeha lavitra noho ny asany ny vadiko, ka mamela ahy ho irery. Nanoro hevitra ianareo mba hihevitra ny fahatsapana ho manirery, ho zavatra mpahazo ny olon-drehetra. Teo koa ilay fampirisihana mba hiresaka amin’ny namana matotra. Tena nanampy ahy izany.

J. H., Repoblika Tseky

Hifindra tsy ho ela any amin’ny toerana ilana mpitory ny vaovao tsara aho. Faly ny reniko, nefa mahatsiaro ho manirery izy indraindray. Teo am-pieritreretana izay tokony hatao indrindra aho no nivoaka ireo lahatsoratra ireo. Mikasa hifandray tsy tapaka aminy aho izao, ka hotantaraiko aminy ny fifaliako eo amin’ny fanompoana.

N. K., Japon

Tilikambon’i Londres Tena tonga tamin’ny fotoana mety ilay lahatsoratra hoe “Manan-tantara Mahatsiravina ny Tilikambon’i Londres.” (8 Jona 2004) Vao tonga avy any Londres ny mpampianatra ahy sy ny sasany amin’ireo mpiara-mianatra amiko. Tsy niala vola aho, nefa azoko sary an-tsaina ilay dian-dry zareo tany, noho ilay lahatsoratra!

P. L., Alemaina

Fanahiana Tsy ela izay, dia lasa reraka be aho noho ny fanahiana. Vao mainka aho nanamelo-tena, rehefa nieritreritra fa ny tsy fahampiam-pinoana no nahatonga izany. Velom-pankasitrahana aho, rehefa nahita ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Tsy Ampy Finoana ve ny Olona Manana Fanahiana?” (8 Jona 2004) Mampahery ahy foana i Jehovah rehefa manahy aho.

Y. I., Japon

Mponina Nolazainareo tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Mponina sy ny Baiboly ary ny Hoavy”, fa nandao an’i Ejipta ny Israelita rehefa afaka 215 taona. (8 Mey 2004) Milaza anefa ny Eksodosy 12:40, 41 fa lasa izy ireo rehefa afaka 430 taona.

R. C., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Hoy ny Eksodosy 12:40: “Ny andro nitoeran’ny Zanak’Israely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.” Mariho fa tsy ny fotoana nipetrahan’ny Jiosy tany Ejipta fotsiny, no tafiditra amin’ny hoe “ny andro nitoeran’ny Zanak’Israely.” Azo inoana kosa fa voakasika amin’izany ny fe-potoana rehetra, nanomboka tamin’ny nidiran’i Abrahama tao amin’ny tany Kanana. Nohazavain’i Paoly fa nanomboka io 430 taona io, rehefa nanomboka nanan-kery ilay fifanekena tamin’i Abrahama. (Galatianina 3:16, 17 ) Tamin’ny 1943 T.K. izany, rehefa niditra an’i Kanana i Abrahama. Asehon’ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara, fa 215 taona talohan’ny nifindran’ny Jiosy nankany Ejipta izany. Ny fotoana tena ‘nitoeran’ny [Jiosy] tany Ejipta’ àry dia 215 taona.—Jereo ilay lahatsoratra hoe “Chronologie”, ao amin’ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina” ( frantsay), Boky 1, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.