Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be Mpitia ny Felana Serizy

Be Mpitia ny Felana Serizy

Be Mpitia ny Felana Serizy

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Japon

EFA hatramin’ny ela ny Japoney no nidera ny hakanton’ny sakura, na serizy mamelana fahita any Japon. Tena tian’ny olona ireo felana kanton’ny serizy, ka lasa niavaka tamin’ny voninkazo hafa rehetra izy ireo. Mitana toerana manokana eo amin’ny tantara sy ny kolontsain’i Japon koa izy io. Lasa midika hoe sakura mihitsy aza indraindray ny hoe “voninkazo”, amin’ny teny japoney. Efa arivo taona mahery izao ny felana serizy no nambabo ny fon’ny Japoney.

Maro ny serizy maniry, mandravaka ireo nosin’i Japon. Misy karazany 300 eo ho eo eto, ka tsy voatery handeha lavitra ianao dia efa mahita iray amin’izany. Misy singany dimy ny felany iray amin’ny ankapobeny, na dia misy singany maro kokoa aza ny karazany sasany. Somary misy nifinifiny ny sisin’izy ireny. Ahitana felana maromaro ny sampana iray. Misy fotsy, mavokely, ary mena izy ireny, fa mety ho tanora na antitra kokoa ny lokon’ny sasany. Efa hatramin’ny ela no nampifandraisina tamin’ny fahadiovana sy fahatsorana, ny endrika sy ny lokon’ireo felana ireo.

Mahasarika ny maso ny serizy efa vaky felana. Rehefa somary takon-drahona iny ny masoandro ka mandefa tara-pahazavana malefaka, dia mba mampidera ny lokony mavokely tanora koa ireo felana kanto. Mbola mahavariana kokoa aza ny mitazana alan-tserizy iray manontolo.

Zava-mahatalanjona

Mampahalaza ny Tendrombohitra Yoshino ireo felana serizy fotsy. Misy alan-tserizy efatra lehibe any amin’io faritra io, ary ahitana fototra serizy 100 000 mahery. Antsoina hoe Hitome Senbon, na ‘fototra serizy arivo indray mitazana’, ny iray amin’izy ireo. Rakotra felana serizy fotsy manjopiaka ny havoana taza-maso rehetra, ka toy ny feno lanezy no fahitana azy. Tsy mahagaga àry raha olona 350 000 mahery no mirohotra mankany isan-taona, mba hijery ilay zava-mahatalanjona!

Misy vokany mahavariana koa ny fomba ambolena ireo fototra serizy. Raha nambolena mifanatrika, ohatra, izy ireo, dia ahavitana ‘tionelina serizy’ ireo sampany mihaona. Alao sary an-tsaina hoe misy sampana serizy mifanetinety eo amboninao, ka toy ny tafo mavokely tanora, ary eo amin’ny tany kosa misy felana maro miparitaka.

Afaka roa na telo andro monja anefa dia mihintsana ireo felana tsara tarehy. Mety ho latsaka izany aza, arakaraka ny toetrandro.

Hanami: Fitsangantsanganana eny ambany serizy

Ny serizy any Okinawa, faritra atsimon’ireo vondronosy japoney, no mamelana voalohany, ny volana Janoary. Mitohy tsikelikely mianavaratra izany ary mifarana any Hokkaido, any amin’ny faramparan’ny Mey. Miresaka tsy tapaka ny toerana sy ny fotoana isian’ny serizy mamelana ny televiziona, radio, gazety, ary Internet. Raha vao mahare àry ny olona hoe mamelana ny serizy japoney, dia an-tapitrisany no mirohotra mankany amin’izay toerana ahitana izany.

Efa nahazatra ny Japoney hatramin’ny ela ny hanami, na “fijerena voninkazo.” Ny felana serizy foana no voninkazo tiana holazaina amin’izany. Efa tamin’ny vanim-potoan’ny Heian (794-1185) no nisy andriana nandamina fety hankafizana ny sakura. Nandamina fety hijerena felana serizy, tao amin’ny tempoly Daigoji tany Kyoto, koa ny mpitari-tafika nantsoina hoe Hideyoshi Toyotomi, tamin’ny 1598. Nivory teny ambany fototra serizy mamelana ny andriana sy olo-manan-kaja nasaina rehetra, ary nanao poezia niderana ireo felam-boninkazo. Ny vehivavy kosa nianjaika tamin’ny akanjo nisy sarina sakura tsara tarehy.

Nanomboka nitsangantsangana teny ambany fototra serizy mamelana koa ny vahoaka madinika, tamin’ny vanim-potoan’ny Edo (1603-1867). Nankafy ireo felana serizy niaraka tamin’ny havana aman-tsakaizany izy ireo sady nisakafo, nisotro, nihira, ary nandihy. Mbola mitohy hatramin’izao ny hanami, izay fialam-boly be mpitia. Maro no mankany amin’ny toerana fialan-tsasatra maminy indrindra, mba hankafizana ireo felam-boninkazo be dia be.

Iompanan’ny zavakanto

Mitana toerana lehibe eo amin’ny tantara sy ny kolontsain’i Japon ny sakura. Betsaka ny asa soratra, poezia, tantara an-tsehatra, ary mozika miresaka momba azy io. Nasehon’ny mpanakanto eo amin’ny vazy sy ny takelaka lehibe mihitsy aza ny hakanton’ny felana serizy, nandritra ny taonjato maro.

Noraisin’ny mpiady japoney ho filamatra koa ny sakura. Nanokan-tena tanteraka ho an’ny lehibeny izy ireo. Nantenaina àry ny hanolorany ny ainy tsy misy hataka andro, raha vao nasaina nanao izany izy. Noraisin’izy ireo ho mariky ny hafohin’ny fiainana ny felana serizy. Hoy ny rakipahalalana japoney iray momba izany: “Ao anatin’ny fotoana fohy ihany ny serizy no mamelana, ary miparitaka ny felany avy eo. Mety tsara àry izy io mba hampisehoana ny hatsaran-tarehy ankafizin’ny Japoney, dia hatsaran-tarehy mihelina ihany.”

Mbola tian’ny Japoney foana ny sakura hatramin’izao. Misy sarina felana serizy mazàna ny kimono tsara tarehy, kojakojan-tokantrano, ary fitafiana isan-karazany. Tena mamin’ny olona tokoa io voninkazo io. Faly erỳ aza ny ray aman-dreny sasany miantso ny zanany vavikely mahafatifaty hoe Sakura, ho fiderana ny felana serizy.

Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny kolontsain’ny firenena iray ny felana serizy, na dia marefo aza. Anisan’ny miavaka indrindra amin’ireo zavaboary kanto nataon’ny Mpamorona antsika izy io.

[Efajoro/Sary, pejy 15]

Serizy Mamelana

Azo ampiasaina hanaovana sokitra sy fanaka ary pirinty, ny hazon’ny serizy, raha tsara. Tsy noho izany na ny voany anefa no mampiavaka ny serizin’i Japon. Nambolena noho ny felany, izay mambabo ny fon’ny maro izy io, fa tsy mba hahazoana voa, toy ny serizy any an-toeran-kafa.

Mora ambolena ny serizy, ka ny zanany no afindra. Ambolen’ny olona eny amoron-drano àry izy ireny, na eny amoron-dalana sy eny amin’ireo zaridaina maro manerana ilay firenena.

[Efajoro, pejy 15]

Mihintsana ny Felana Serizy

Toy ny mahita lanezy mavokely ianao, rehefa miara-mihintsana ireo felana serizy maro be. Tsy hitahita akory dia miala amin’ny tahony ireo felam-boninkazo, ary milatsaka moramora eo amin’ny tany. Betsaka amin’izy ireo no miara-mihintsana sy miparitaka, rehefa mitsoka mafy ny rivotra. Antsoin’ny Japoney hoe sakura fubuki, na fihintsanan’ny felana serizy izany. Mipetraka milamina tsara amin’ny tany ireo felana marefo aorian’izay, ka toy ny karipetra mavokely mahafinaritra.

[Sary, pejy 16, 17]

“Hanami”: fitsangantsanganana eny ambany serizy mamelana

[Sary, pejy 17]

‘Tionelina serizy’