Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eken’Andriamanitra ve ny Fanambadian’ny Samy Lehilahy?

Eken’Andriamanitra ve ny Fanambadian’ny Samy Lehilahy?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Eken’Andriamanitra ve ny Fanambadian’ny Samy Lehilahy?

NATAO tao am-piangonana ilay mariazy. Mifampitantana ny lehilahy roa, ary mitsangana eo anoloan’ny eveka episkopaly fanta-daza iray. Manao “fifanekena ... eo anatrehan’Andriamanitra sy ny eglizy” izy ireo. Miakanjo fotsy lava misy haingony mamirapiratra ilay eveka, ary manamasina ny fanambadian’izy ireo eo anatrehan’ny besinimaro. Mifamihina sy mifanoroka izy mivady avy eo. Mitsangana ny mpanatrika ary mitehaka ho fankasitrahana izany. Milaza io eveka io fa “masina” ny fanambadian’ny samy lehilahy, ary ‘mendrika hohamasinina.’

Nanohitra an-kitsirano ny fanambadian’ny samy lehilahy * anefa ny mpitondra fivavahana hafa. Hoy i Cynthia Brust, mpitondra tenin’ny Konsilin’ny Eglizy Anglikanina any Amerika, izay ahitana Episkopalianina tsy tia fiovana: “Tena tafintohina tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’io [eveka] io izahay. Mazava ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fanambadiana sy ny firaisana. Ary mifanohitra amin’izany ny fanamasinana ny fanambadian’ny samy lehilahy.” Hoy koa izy: “Masina ny fanambadiana, ary natokana ho an’ny lehilahy sy vehivavy ihany ... ny fanaovana firaisana.”

Tsy eo anivon’ny fivavahana ihany no toherina mafy io raharaha io. Mafana koa ny adihevitra politika maneran-tany, satria misy akony lehibe eo amin’ny sehatra politika, sosialy ary toe-karena izy io. Anisan’izany ny vola fisotroan-dronono, ny fanonerana ny saram-pitsaboana, ary ny hetra.

Tena saro-takarina koa matetika ny raharaha momba ny zon’ny tsirairay sy ny fanekena ho ara-dalàna, ka samy manana ny heviny momba izany ny olona. Tsy momba ny atsy na ny aroa ny tena Kristianina, ka mitandrina tsara mba tsy hiditra amin’ny adihevitra politika. (Jaona 17:16) * Misy olona manaja ny Baiboly anefa tsy mahafantatra izay tena marina momba ny lehilahy manambady lehilahy sy ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Ahoana no fiheveranao ny fanambadian’ny samy lehilahy? Inona no fitsipik’Andriamanitra momba ny fanambadiana? Mety hanimba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ve ny fitondran-tenanao?

Nametraka fitsipika ny Mpamorona antsika

Nametraka fitsipika mifehy ny fanambadiana ny Mpamorona antsika, ela be talohan’ny namoahan’ny fitondram-panjakana lalàna momba izany. Hoy ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:24) Ny teny hebreo nadika hoe “vadiny” dia “manondro vehivavy”, araka ny Diksioneran’i Vine Manazava Teny Ara-baiboly (anglisy). Nohamafisin’i Jesosy fa “lahy sy vavy” no tokony hiray zioga ao amin’ny fanambadiana.—Matio 19:4.

Fatorana maharitra sy feno fitiavana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy àry ny fanambadiana, araka ny nikasan’Andriamanitra azy. Natao hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, ka ho afaka hanome fahafaham-po ny faniriana hanao firaisana, ary koa izay ilain’ny andaniny avy ara-pihetseham-po sy ara-panahy.

Asehon’ny tantaran’i Sodoma sy Gomora ao amin’ny Baiboly, ny fiheveran’Andriamanitra ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Hoy izy: “Ny fitarainan’i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra.” (Genesisy 18:20) Niharihary ny fitondran-tena naharikorikon’izy ireo, rehefa nisy vahiny roa nitsidika an’i Lota, lehilahy marina. ‘Nanodidina an’ilay trano ny lehilahy tao Sodoma, hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny antitra, ny vahoaka rehetra avy amin’ny tanàna manontolo. Niantso an’i Lota izy ireo, ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy niditra tato aminao izao alina izao? Avoahy ho atỳ aminay ireo hahalalanay azy.’ (Genesisy 19:4, 5, Fandikan-teny Katolika) Hoy ny Baiboly: “Ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’i Jehovah.”—Genesisy 13:13.

Nanjary “narehitry ny filana mafy dia mafy hanao zava-betaveta teo amin’izy samy lehilahy” izy ireo. (Romanina 1:27) “Nanaraka ny filan’ny nofony [izy ireo] mba hanao zavatra tsy fanao.” (Joda 7) Mahazo vahana ny fitakiana ny zon’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy, any amin’ny firenena maro. Misy olona àry tsy manaiky ny filazana hoe “tsy fanao” ny firaisan’ny samy lehilahy. Tsy Andriamanitra ve anefa no tompon’ny fitsarana farany, ka hamaritra ny fanao sy tsy fanao? Nandidy ny vahoakany fahiny izy hoe: “Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.”—Levitikosy 18:22.

Tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra ianao

Mazava ny voalazan’ny Baiboly: Tsy mankasitraka na manala tsiny ny firaisan’ny samy lehilahy Andriamanitra. Tsy ankasitrahany koa ireo “mankasitraka an’izay mpanao izany.” (Romanina 1:32) Tsy hahatonga ny fiarahan’ny samy lehilahy ho toa mendri-kaja ny firosoany amin’ny “fanambadiana.” Tsy tafiditra amin’ny fanambadiana “mendri-kaja” nolazain’Andriamanitra mihitsy ny fanambadian’ny samy lehilahy, satria tena maharikoriko azy izy io.—Hebreo 13:4.

Afaka mianatra ‘mifady ny fijangajangana’ anefa ny olona rehetra, anisan’izany ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Amin’izay izy dia ‘hahay hifehy tena, ao anatin’ny fahamasinana sy ny haja’, noho ny fanampian’Andriamanitra. (1 Tesalonianina 4:3, 4) Marina aloha fa tsy mora foana izany. Niray tamin’ny lehilahy i Nathan * taloha. Hoy izy: “Tsy nieritreritra ny ho afaka tamin’izy io mihitsy aho.” Tena niova anefa izy, noho ny fanampian’ny “fanahin’Andriamanitsika.” (1 Korintianina 6:11) Tsy misy tokoa zava-manahirana tsy voavahan’i Jehovah, araka ny hitan’i Nathan. Afaka manome ny hery sy fanampiana ilaina izy, mba hanarahantsika ny fitsipiny ka handraisantsika ny fitahiany.—Salamo 46:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Mahakasika ny fanambadian’ny samy vehivavy koa ny toro lalana ato amin’ity lahatsoratra ity, na dia ny fanambadian’ny samy lehilahy aza no tena resahina.

^ feh. 6 Tsy mandray anjara amin’ny fihetsiketsehana ara-politika natao hanovana ny lalàn’ny tany misy azy ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia mifanohitra amin’ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly aza ny lalàna toy izany.

^ feh. 14 Tsy tena anarany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Photo by Chris Hondros/Getty Images