Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana ny Tanora Ankehitriny

Fanampiana ny Tanora Ankehitriny

Fanampiana ny Tanora Ankehitriny

TOA mampahatahotra ny tanora ny fiainana indraindray. Tsy afa-manoatra, ohatra, ny sasany, fa mijery fotsiny, rehefa mifampisintaka na misaraka ny ray aman-dreniny. Ny hafa mahita ny mpiara-mianatra aminy midoroka zava-mahadomelina sy manao asan-jiolahy. Be dia be koa no teren’ny ankizy hafa hanao firaisana. Ary saika ny zatovo rehetra indraindray no manirery sy kivy ary mieritreritra hoe diso fandray ny heviny ny olona.

Inona no ilain’ny tanora mba hiatrehany ny zava-tsarotra mianjady aminy? Hoy ny Dr. Robert Shaw: “Mila fitsipi-pitondran-tena tsy miovaova ny ankizy, mba hahaizany hifidy namana sy handray fanapahan-kevitra tsara ary hangoraka.” Ao amin’ny Baiboly no ahitana ny fitsipi-pitondran-tena tsy miovaova mihitsy, satria ao no misy ny hevitry ny Mpamorona. Iza tokoa, ankoatra an’i Jehovah Andriamanitra, no hahalala kokoa izay ilaintsika, mba hiatrehana izao fotoan-tsarotra iainantsika izao?

Araka ny zava-misy sy azo ampiharina

Araka ny zava-misy sy azo ampiharina ny toro lalan’ny Baiboly. Tena mahasoa izy ireny ho an’ny ray aman-dreny sy ny olon-kafa te hanampy ny tanora ho tonga olon-dehibe matotra.

Miaiky, ohatra, ny Baiboly fa “miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana.” (Ohabolana 22:15) Mbola tsy mahay miatrika ny fiainana ny tanora sasany, na dia toa matotra aza no fijery azy. Noho izany, dia mety tsy hatoky tena sy hitebiteby ary haniry hanao ratsy izy. Tsy maintsy andalovany anefa izany mandra-pahalehibeny. (2 Timoty 2:22) Ahoana no azo anampiana azy?

Ampirisihin’ny Baiboly hifampiresaka foana ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Izao no torohevitr’izy io ho an’ny ray aman-dreny: ‘Resaho amin’ny zanakao [ny fitsipik’Andriamanitra], na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.’ (Deoteronomia 6:6, 7) Roa ny soa entin’izany fifampiresahana izany. Voalohany, lasa mahafantatra ny lalan’Andriamanitra ilay tanora. (Isaia 48:17, 18) Faharoa, lasa mifampiresaka foana izy sy ny ray aman-dreniny. Amin’ny fotoana maha zatovo azy indrindra no tena mila miresaka amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Mety ho lasa saro-kenatra sy manirery mantsy izy amin’io fotoana io.

Marina fa saika ny zatovo rehetra no mahatsiaro ho manirery indraindray. Lasa mitohy anefa ny an’ny sasany. Hoy ny rakipahalalana iray momba ny zatovo: “Milaza ireny ankizy ireny hoe sarotra aminy ny mahita namana any am-pianarana, tsy misy na iza na iza azony iresahana, manirery izy, tsy fantany izay tokony hatao mba hitiavan’ny ankizy azy, ary tsy misy na iza na iza azony idodododoana rehefa mila fanampiana izy.” *

Afaka miahy ny zatovo ny ray aman-dreny sy ny olon-dehibe hafa be fitiavana, ka manampy azy handresy ny olana manjo azy. Amin’ny fomba ahoana? Nisy mpampanonta gazety ho an’ny zatovo niteny hoe: “Ny fanontaniana azy ihany no hany fomba ahalalana ny ao an-tsain’ny zatovo.” Mazava ho azy, fa mitaky fotoana sy faharetana ny fanampiana ny tanora hamboraka izay tena mampanahy azy. Tsy ho very maina anefa ny ezaka hatao, fa hitondra soa.—Ohabolana 20:5.

Ilaina ny fifehezana araka ny antonony

Mila fifehezana araka ny antonony koa ny ankizy, ankoatra ny fifampiresahana. Maniry izany izy ao anatiny ao. Resahin’ny Baiboly fa “ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.” (Ohabolana 29:15) Mino ny manam-pahaizana fa mety haditra ny ankizy, rehefa tsy misy fitsipika mazava mifehy azy. Hoy i Shaw, voalaza tetsy aloha: ‘Raha avela hanao izay tiany foana ny ankizy, fa tsy rarana na ferana mihitsy, dia tsy ho fantany na oviana na oviana fa manana ny fiainany, ny fihetseham-pony, ny zavatra ilainy, ary ny safidiny ny olon-kafa. Tsy hahay hitia ny ankizy raha tsy tena mahay mangoraka.’

Nilaza zavatra nitovitovy tamin’izany koa ny Dr. Stanton Samenow. Efa hatramin’ny taona maro izy no nanampy tanora maditra. Nanoratra izy hoe: “Misy ray aman-dreny mieritreritra fa tokony havela hanao izay tiany ny ankizy. Mino tanteraka izy ireo fa tsy rariny raha mametraka fitsipika mifehy ny zanany izy, satria manavesatra loatra azy ireo izany, ary tsy ahafahany mankafy ny fahazazany. Mety hisy vokany tena ratsy anefa, rehefa tsy mametraka fitsipika mifehy ny zanany ny ray aman-dreny. Tsy tsapan’izy ireo fa mety ho sarotra amin’ny ankizilahy na ny ankizivavy ny mifehy ny tenany, raha tsy dia nahazo fifehezana izy.”

Midika ve izany fa ampy rehefa hoe hentitra fotsiny ny ray aman-dreny? Tsy izany mihitsy. Tsy ny fametrahana fitsipika mifehy ihany no zavatra ilain’izy ireo hatao raha tiany hahomby ny fitaizany. Mety hahasosotra koa ny fiainana ao an-trano, raha hentitra loatra ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreny. Hoy ny Baiboly: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21; Efesianina 6:4.

Mila mamerina mandinika tsindraindray ny fomba fampianarany sy fifehezany àry ny ray aman-dreny, indrindra raha efa mihalehibe sy mihamatotra ny zanany. Angamba azo atao malefaka kokoa na azo havaozina ny fitsipika na fepetra sasany, rehefa hita fa efa mahay manapa-kevitra tsara ilay tanora.—Filipianina 4:5.

Mifandraisa aminy indray

Araka ny noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia efa voalazan’ny Baiboly fa handalo “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao tontolo izao, alohan’ny hanesoran’Andriamanitra ny faharatsiana. Misy porofo mampiseho fa ao anatin’io fotoana io mihitsy isika izao, dia ny “andro farany” ho an’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity. Tsy maintsy miaritra toy ny olon-dehibe koa ny tanora, satria ‘tia tena sy tsy tia ny mpianakaviny ary tsy mahafehy tena’ ny olona.—2 Timoty 3:1-5. *

Mety ho tsapan’ny ray aman-dreny sasany fa tsy mifampiresaka firy intsony izy sy ny zanany lahy na ny zanany vavy. Afaka mandamina izany indray anefa izy ireo, ka hifampiresaka tsikelikely amin-janany. Mendri-piderana ny ray aman-dreny maro, satria miezaka mafy manampy ny zanany hanao ny tsara, ary manokana fotoana betsaka ho azy ireo.

Ny Baiboly no fitaovana tsara indrindra afaka manampy ny ray aman-dreny hahavita izany. Nanampy ray aman-dreny maro hanatontosa ny andraikiny izy io, ary nanampy tanora hiala tamin’ny fandrika mety hampidi-doza azy. (Deoteronomia 6:6-9; Salamo 119:9) Avy amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona ny Baiboly, ka afaka matoky isika fa ao amin’izy no misy ny fanampiana tsara indrindra ho an’ny tanora ankehitriny. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Nilaza koa io rakipahalalana io fa mahatsiaro ho manirery imbetsaka sy maharitra ny tanora toy izany. ‘Mino izy fa ny tsy fananana namana dia maharitra mandrakizay, tsy azo sakanana, vokatry ny toetra ratsiny, ary tsy azo ovana sady tsy hiova mihitsy.’

^ feh. 18 Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tena mahasoa ilay boky ara-baiboly hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Misy fanontaniana mampisaintsaina ao amin’ireo toko 39 ao aminy. Ireto ny sasany: “Ahoana no Hahazoako Tena Namana?” “Ahoana no Ahazakako ny Faneren’ireo Mitovy Taona Amiko?” “Inona no Azoko Atao mba Hisindan’ny Fahatsiarovako ho Manirery?” “Vonona ho Amin’ny Fiarahana Amin’ankizilahy na Ankizivavy Iray Tsy Tahaka Ahy ve Aho?” “Nahoana no Tokony Holavina ny Zava-mahadomelina?” “Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?”

[Sary, pejy 10]

Resaho amin’ny olon-dehibe be fitiavana izay mampanahy anao