Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eto ambany ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1.Tao an-tsambokely ho aiza ny mpianatr’i Jesosy, no nahita azy nandeha teny ambony ranomasina? (Marka 6:45-49)

2. Iza no anarana nomen’i Jesosy an’i Simona zanak’i Jaona? (Jaona 1:42)

3. Inona no tsy maintsy ataon’izay te ho voalohany amin’ireo rahalahiny? (Marka 10:44)

4. Iza ilay tanàna kaldeanina nasain’i Jehovah nialan’i Abrama? (Genesisy 11:31; 12:1)

5. Nahoana no voararan’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely ny fanaovana sikidy? (Deoteronomia 18:10-13)

6. Inona no fitahiana nolazain’i Jesosy fa ho azon’ny Kristianina, raha asainy hisakafo ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba? (Lioka 14:13, 14)

7. Inona no miara-levona amin’ny olona iray rehefa maty izy? (Mpitoriteny 9:6)

8. Nahoana no tsy mitovy amin’ny fomba fanisan’i Jehovah ny fotoana ny antsika? (2 Petera 3:8)

9. Inona no tanjon’ny Kristianina rehefa manazatra ny fahaizany misaina izy? (Hebreo 5:14)

10. Inona no nahatonga an’i Balama hikapoka ny borikiny? (Nomery 22:22-25)

11. Inona no fitafiana nanaovan’ny mpisoronabe teo ambonin’ny akanjony ivelany manga? (Eksodosy 28:4, 31)

12. Iza ilay tanàna faharoa resin’ny Israelita, nandritra ny fanafihany an’i Kanana? (Josoa 8:18, 19)

13. Araka ny nolazain’i Jesosy, taiza i Elia no nirahina, na dia teo aza ireo vehivavy mpitondratena teo amin’ny Israely? (Lioka 4:26)

14. Inona no toro lalana nomen’i Jesosy, rehefa mifandray amin’ireo mankahala antsika isika? (Matio 5:44)

15. Inona no namboarin-dreniny ho an’i Solomona, tamin’ny andro fampakaram-badiny? (Tonon-kiran’i Solomona 3:11)

16. Araka ny tenin’i Solomona, nahoana no tsy ny haingan-tongotra foana no mandresy? (Mpitoriteny 9:11)

17. Iza no anaran’ireo zanak’i Josefa roa lahy, izay nipoiran’ny foko roa teo amin’ny Israely? (Genesisy 41:50-52)

18. Firy taona no andro nivahinian’i Jakoba, araka ny nolazainy tamin’i Farao? (Genesisy 47:7-9)

19. Inona no niarahan’i Jesosy nihinana tamin’ny mpianany, ny alina talohan’ny nahafatesany? (Lioka 22:20)

20. Iza no anaran’ilay lehilahy nalemy teo am-pandriana nandritra ny valo taona, izay nositranin’i Petera? (Asan’ny Apostoly 9:33, 34)

21. Iza no nantsoina hoe “renin’ny olombelona rehetra”? (Genesisy 3:20)

Valiny

1. Betsaida

2. Kefasy

3. Manompo azy ireo

4. Ora

5. Fahavetavetana eo imason’i Jehovah satria mifandray amin’ny fanahy ratsy

6. Ho sambatra ary hahazo valisoa avy amin’Andriamanitra, satria tsy afaka hamaly soa izy ireo

7. Ny fitiavany, ny fankahalany, ary ny fialonany

8.Toy ny iray andro amin’i Jehovah, ny arivo taona amintsika

9. Mba ho matotra ka hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy

10. Nivily nankany amin’ny saha ilay boriky, rehefa nahita ilay anjelin’Andriamanitra nanakana ny lalana

11. Ny efoda

12. Ay

13.Tany amin’ilay mpitondratena tao “Zarefata any amin’ny tany Sidona”

14.‘Tiavo ny fahavalonareo’

15. Satroboninahitra

16. Satria eo ny “fotoana sy ny sampona”

17. Manase sy Efraima

18. 130

19. Sakafo hariva

20. Enea

21. Eva