Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hizotra eo Ankavia sa eo Ankavanana?

Hizotra eo Ankavia sa eo Ankavanana?

Hizotra eo Ankavia sa eo Ankavanana?

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Grande-Bretagne

Nanam-bahiny Amerikanina aho, ary nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina. Nentiko teny amin’ny fiarako izy, ary nilazako hoe: “Mipetraha  eo anoloana.” Efa saika hipetraka teo amin’ny toeran’ny mpamily izy, vao nanao hoe: “Oay, hadinoko. Hay moa ny anareo, hafa ny toeran’ny mpamily!”

Azo antoka fa niteny toy izany koa aho, raha nitsidika an’i Etazonia. Raha mbola teny an-dalana anefa izahay, dia nanapa-kevitra aho fa hikaroka hoe nahoana ny firenena sasany no mizotra eo ankavian-dalana, nefa ny ankamaroan’ny firenena eran-tany eo ankavanana.

Tany am-boalohany

Andeha isika hanao jery todika ny tantara tany amin’ny roa arivo taona lasa, fony nitondra an’i Grande-Bretagne ny Romanina. Nanampy ny mpikaroka hahafantatra ny fitondrana fiara tamin’izany, ny zavatra hitany tany ambanin’ny tany. Tamin’ny 1998, dia nahita lalana nankany amin’ny toerana fihadian’ny Romanina vato izy ireo, tany akaikin’ny Swindon, Angletera. Mbola hita mazava tsara fa lalina kokoa ny dian-kalesy teo ankavanan-dalana raha ampitahaina amin’ny teo ankavia. Tsy nitondra entana mantsy ny kalesy rehefa nandroso, fa feno vato kosa rehefa niverina. Asehon’ireo dian-kalesy fa nizotra teo ankavian-dalana ny Romanina, fara faharatsiny, teo amin’io toerana io.

Mino koa ny olona sasany fa nizotra teo ankavian-dalana ny mpitaingin-tsoavaly fahiny, tamin’ny ankapobeny. Kavanana mantsy ny ankamaroan’ny olona, ka mazàna ny mpitaingin-tsoavaly no mitana ny tadin-tsoavaly amin’ny tanany havia. Azony ampiasaina hiarahabana na hamelezana amin’ny sabatra àry ny tanany havanana, rehefa ilaina.

Lasa teo ankavanana

Nanjary nizotra teo ankavanana ny firenena maro, toa an’i Etazonia, tamin’ny faramparan’ireo taona 1700. Tamin’izany no nanomboka ny fampiasana kalesy lehibe mpitatitra entana, notarihin’ny soavaly maromaro nilahatra tsiroaroa. Nipetraka teo ambonin’ny soavaly farany teo amin’ny ilany havia ilay mpamily, satria tsy nisy toerana ho azy teo amin’ilay kalesy. Ny tanany havanana no nihazonany ny karavasy. Azo inoana fa tiany kokoa raha teo ankaviany no nandalo ny kalesy hafa, mba ho azony antoka fa tsy nifanakaiky ny kodiaran’ny kalesiny sy ny an’ilay nifanena taminy. Afaka nanao izany izy rehefa nizotra teo ankavanana.

Nizotra teo ankavia ihany anefa ny Anglisy. Kely kokoa ny kalesin’izy ireo, sady nisy toerana ho an’ny mpamily. Mazàna ilay izy no teo amin’ny ilany havanana amin’ny seza aloha. Afaka nampiasa ny karavasy lavany izy teo amin’io toerana io. Nohazoniny tamin’ny tanany havanana ilay izy, nefa tsy nisaringotra tamin’ny entana tao aoriana. Hitany koa raha nety tsara ny elanelan’ny kalesiny sy ny an’izay nifanena taminy, na mbola tokony hikisaka any ankavian-dalana izy. Nizotra teo ankavia toy ny Anglisy koa ireo firenena sasany anisan’ny Fanjakana Britanika. Nifindra teo ankavanana, ohatra, i Kanada, tatỳ aoriana, mba ho mora kokoa ny hifamoivoy avy eo amin’ny sisin-taniny sy Etazonia.

Nampiova ny fizotran’ny fifamoivoizana tany Frantsa ny toe-draharaha politika. Nitondra ny kalesiny teo ankavian-dalana ny andriana, talohan’ny Tolom-bahoaka tamin’ny 1789. Notereny handeha teo ankavanana kosa ny vahoaka. Very hevitra anefa ireo andriana ireo rehefa nanomboka ny Tolom-bahoaka, ka niezaka nanafina ny maha izy azy, ary nanaraka ny tantsaha teny ankavanana. Namoaka didy ny fitondrana frantsay tamin’ny 1794, mba hizoran’ny kalesy tao Paris teo ankavanan-dalana. Nanaraka izany koa ireo faritra resin’ny tafik’i Napoléon I, tao amin’ny kontinantan’i Eoropa. Milaza ny boky iray fa kavia i Napoléon, ka “tsy maintsy nandeha teo ankavanan-dalana ny miaramilany, mba hifanandrify amin’ny fahavalo ilay tanany mitana sabatra.” Tsy mahagaga àry raha tian’i Napoléon kokoa ny nizotra teo ankavanana.

Nizotra teo ankavian-dalana ihany anefa ireo firenena tsy resin’i Napoléon, tany Eoropa. Nifindra teo ankavanana i Rosia sy Portogaly, tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Nanao toy izany koa i Aotrisy sy Tsekoslovakia, rehefa nanjanaka azy ireo i Alemaina Nazia, tany amin’ny faramparan’ireo taona 1930. Nanaraka azy ireo i Hongria, tatỳ aoriana. Firenena eoropeanina efatra ihany izao no mbola mizotra eo ankavian-dalana, dia i Grande-Bretagne, Irlandy, Chypre, ary Malta. Tsy zanatany anglisy i Japon, nefa mahavariana fa mitondra fiara eo ankavian-dalana ny mponina any.

Sambo, fiaramanidina, lamasinina, ary ny mpandeha an-tongotra

Ahoana ny amin’ny sambo sy fiaramanidina? Mizotra eo ankavanana mazàna ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, ary ny fiaramanidina. Ary ny lamasinina? Any amin’ny tany sasany, dia ny fitaovana mpandefa famantarana no mamaritra izay tokony hizoran’ny lamasinina, rehefa misy lalamby roa. Misy sampany maromaro mazàna ny lalamby maoderina. Azo andehanana mandroso sy miverina izy ireny matetika, ary afaka mizotra eo amin’izay lalana tiany haleha ny lamasinina. Raha fitaovana mpandefa famantarana tranainy anefa no ampiasaina eo amin’ilay lalamby, dia zotra iray ihany no azo aleha: na mandroso na miverina. Ny firenena nanao an’ilay lalamby mazàna no mamaritra ny zotra andehanana eo amin’izy io.

Ary ahoana ny amin’ny mpandeha an-tongotra? Raha tsy misy lalana natokana ho azy ireo, dia tsara foana sady azo antoka kokoa raha miatrika ny fiara mifanena aminy izy, na mizotra eo ankavanana izy ireny na eo ankavia. Raha mizotra eo ankavanana ny fiara, dia tsara raha mandeha eo ankavia ny mpandeha an-tongotra, ka miatrika ny fiara mifanena aminy. Mizotra eo ankavia ny fiara eto Grande-Bretagne. Iezahanay tadidina àry fa tokony handeha eo ankavanan-dalana izahay. Ary ahoana ny amin’ilay Amerikanina namako? Tokony handeha eo ankavian-dalana izy rehefa any Etazonia!