Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandalo Fotoan-tsarotra ny Tanora

Mandalo Fotoan-tsarotra ny Tanora

Mandalo Fotoan-tsarotra ny Tanora

▪Nitifitra ny iray kilasy taminy ny mpianatra iray 15 taona tany Etazonia, ka ankizy 2 no maty, ary 13 no naratra.

▪Mamo ny tanora maromaro tany Rosia, ka namono tamin-kabibiana ankizivavikely sivy taona. Nodarohan’izy ireo avy eo ny rain’ilay ankizy sy ny zana-drahalahiny.

▪Nodarohan’ny zazalahy iray 17 taona sy notsatohany antsy ny ankizy iray 14 taona, tany Grande-Bretagne. Hoy izy tamin’ny polisy: “Tsy nieritreritra ny hamono azy ho faty aho tamin’ny voalohany, fa rehefa hitako nitete ny rany, dia novitaiko ny aminy.”

FAHITA ny zava-mitranga mahatsiravina toy ireo, ka tsy azo lazaina fotsiny hoe maningana. “Olana lehibe eo anivon’ny fiaraha-monina ny herisetra ataon’ny tanora”, hoy ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Torohevitra Mandaitra ho An’ny Sekoly (anglisy). Manamarina izany ny antontan’isa.

“Niharan’ny herisetra sy halatra roa tapitrisa teo ho eo ny mpianatra amerikanina 12 ka hatramin’ny 18 taona, tamin’ny 2001”, na dia somary nihena aza ny isan’ireo nitaraina tany amin’ny manam-pahefana. Izany no tatitra nataon’ny Foibe Amerikanina Manome Antontan’isa Momba ny Fanabeazana. Nitombo koa ny isan’ny mpianatra nitaraina fa nampijalin’ny ankizy lehibe noho izy.

Tsy ny mpiara-mianatra aminy ihany anefa no ihetraketrahan’ny tanora any Etazonia. Hoy ihany ilay foibe etsy aloha: “Tao anatin’ny dimy taona, nanomboka tamin’ny 1997 ka hatramin’ny 2001, dia niharan’ny heloka bevava 1,3 tapitrisa teo ho eo ny mpampianatra tany an-tsekoly, ka halatra ny 817 000 tamin’izany, ary herisetra ny 473 000.” Ankoatra izany, dia “norahonan’ny mpianatra hovonoina ny 9 isan-jaton’ny mpampianatra tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa, ary efa nihetraketrahany ny 4 isan-jato.”

Ary ahoana ny any an-tany hafa? Hoy ny masoivohom-baovao iray: “Ankizy maditra 69 780 no nosamborina tany Chine, tamin’ny 2003. Nitombo 12,7 isan-jato io isa io, raha oharina tamin’ny 2002.” Resahin’io masoivohom-baovao io koa fa “ankizy maditra no nanao ny 70 isan-jaton’ny asan-jiolahy” tany. Voalazan’ny tatitra iray hafa, fa tanora no nanao ny antsasaky ny heloka bevava nitranga tany Japon, nanomboka tamin’ny 1993 ka hatramin’ny 2003.

Zava-mahadomelina: Manimba ny vatan’ny tanora

Misy porofo hafa koa ahitana fa mandalo fotoan-tsarotra ny tanora. Maro amin’izy ireo no manimba ny vatany. Ny antsasany eo ho eo amin’ny zatovo any Etazonia no efa nanandrana zava-mahadomelina, talohan’ny nahavitan’ny fianarany tany amin’ny lise. Izany no tatitra nataon’ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Fidorohana Zava-mahadomelina. Hoy koa ilay tatitra: ‘Mbola be dia be mihitsy hatramin’izao ny zatovo misotro toaka. Mpianatra efa ho efatra tao anatin’ny dimy (77%) no nisotro toaka be mandra-pahavitan’ny fianarany tany amin’ny lise, ary efa ho ny antsasany (46%) no nanao izany talohan’ny faha-13 taonany.’

Manao firaisana amin’ny olona betsaka

Mihanaka be izao ny SIDA, ka tena mampidi-doza ny manao firaisana amin’ny olona betsaka. Toa mihevitra anefa ny tanora maro fa fialam-boly tsy mampidi-doza ny fanaovana firaisana. Tsy menatra akory, ohatra, ny tanora amerikanina sasany miresaka an’izany hoe “fiarahana indray alina” izany. Teny malefaka kokoa ilazana ny fanaovana firaisana amin’ny olona sendra ny tena izy io. Miresaka an’izany “namana mahasoa” izany koa ry zareo. Io kosa dia teny iantsoany an’ilay olona anaovany firaisana matetika, nefa tsy mamatopatotra azy.

Mitantara koa ny mpanoratra iray, atao hoe Scott Walter, fa manao fety anaranam-po amin’ny firaisana ny tanora sasany any amin’ny faritra tsy lavitra ny tanàn-dehibe, rehefa tsy eo ny ray aman-dreniny. Nilaza ny ankizivavy iray tao amin’ny iray amin’ireny fety ireny, fa “hanao firaisana amin’ny ankizilahy rehetra tao izy. ... Nisy ankizy vao 12 taona tao amin’ireny fety ireny.”

Manaitra anao ve izany? Tsy mahataitra intsony izany ho an’ireo manam-pahaizana mandinika ny fitondran-tenan’ny zatovo. Izao no nosoratan’ny Dr. Andrea Pennington: “Hitanay, tato anatin’ny 20 taona, fa mihamidina hatrany ny salanisan’ny taonan’ny zatovo manao firaisana. Tsy mahagaga intsony ny mahita ankizilahy sy ankizivavy vao 12 taona, nefa efa manao firaisana.”

Ity tatitra nataon’ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy) ity no tena mampahatahotra: ‘Mihabetsaka ny ankizy amerikanina 13 taona manao firaisana amin’ny vava. Miezaka mampiaiky ny tenany izy ireo hoe “tsy tena firaisana no ataony.” ’ Nisy ankizivavy 10 000 nadinadinina, ka “nilaza ny valopolo isan-jato tamin’izy ireo fa mbola virjiny, nefa efa nanao firaisana tamin’ny vava ny 25%. Ny 27% niantso an’io karazana firaisana io hoe ‘fialam-boly iarahana manao amin’ny ankizilahy.’ ”

Mifindra tsikelikely any an-tany hafa izany fiheverana momba ny firaisana izany. Nanao tatitra ny UNESCO hoe: “Atahorana kokoa hifindran’ny VIH amin’ny alalan’ny firaisana izao ny tanora any Azia. Lasa be dia be mantsy ny tanora mbola kely, dia efa zatra manao firaisana. Mihabetsaka ny zatovo tsy miraharaha intsony ny ‘fitsipi-pitondran-tena aziatika’ nampianarin’ny ray aman-dreniny azy, ka manao firaisana alohan’ny fanambadiana. Olona betsaka mazàna no anaovany firaisana.”

Mbola misy porofo hafa ve fa mandalo fotoan-tsarotra ny tanora? Hoy ny gazety iray mpiseho isan-kerinandro any Kanada, miresaka momba ny fahasalaman’ny vehivavy: “Tsy maintsy handalo fotoana mahakivy azy tanteraka ny ampahefatry ny ankizivavy 16 ka hatramin’ny 19 taona.” Tsy ny vehivavy ihany anefa no voan’izany, fa ny lehilahy koa. Mahatratra dimy arivo isan-taona ny tanora mamono tena, araka ny gazety Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy). Nomarihin’io gazety io fa “avo enina heny noho ny ankizivavy ny ankizilahy mamono tena.”

Tena mandalo fotoan-tsarotra àry ny tanora ankehitriny. Nahoana?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

STR/AFP/Getty Images