Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpijery Mora Voa

Mpijery Mora Voa

Mpijery Mora Voa

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FAILANDY

MIHEVITRA ny ankizy maro fa efa anisan’ny fiainana ny filma, televiziona, video, DVD, lalao video, ary ny Internet. Vao haingana dia nanao tatitra ny Fikambanana Failandey Mpanasokajy Filma. Hoy izy io: “Araka ny tombantombana, dia avo 20 ka hatramin’ny 30 heny amin’ny fotoana iarahany amin’ny fianakaviany, ny fotoana lanin’ny ankizy sy ny tanora hampiasana na hijerena ireo fitaovana fampitam-baovao.” * Mampalahelo anefa fa tena manimba ny ankizy ny zavatra hitany ao.

Te hiaro ny ankizy ny fanjakana, any amin’ny tany sasany, ka nanasokajy ireo fandaharan’ny fampitam-baovao, ary noferany ny taonan’ny ankizy mahazo mijery azy ireny. Milaza ilay tatitra, fa tsy fantatry ny ankizy sy ny ray aman-dreniny akory ny dikan’izy ireny matetika, na tsy raharahainy. Hita koa fa tsy raharahain’ireo mpampanofa video sy filma, ny sokajy sy fetran-taona ho an’ny fandaharana sasany, raha nisy aza izany.

Hoy ny iray tamin’ireo mpampianatra nanontaniana: “Toa tsy heverin’ny mpianatra ho misy herisetra ny zavatra jereny, raha mbola tsy misy ra latsaka.” Mirakitra zavatra manimba, ny maro amin’ireo video sy lalao ao amin’ny ordinatera, na dia ireo natokana ho an’ny ankizy aza.

Milaza ilay tatitra fa ny olon-dehibe tsirairay no “tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanaraha-maso izay filma sy fandaharana jeren’ny ankizy, ao amin’ny televiziona.” Mifarana amin’izao fanontaniana mampieritreritra izao ilay tatitra: “Moa ve isika olon-dehibe maniry hiaro ny ankizy amin’ny vokatra manimban’ny televiziona sy video, ary manana ny hery sy fomba hanatanterahana izany?”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Miorina amin’ny fanadihadiana natao tamin’ny ankizy 340, mpianatry ny sekoly fanabeazana fototra, sy ny ray aman-dreniny ary ny mpampianatra azy ireo, ilay tatitra hoe “Fiarovana ny Ankizy sy Fetran-taona Ahazoana Mijery Fandaharana Sasany.”