Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Tokony Hanao Asa Vatana?

Nahoana Aho no Tokony Hanao Asa Vatana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Tokony Hanao Asa Vatana?

Tsy nieritreritra ny hanao asa vatana mihitsy aho. Nahafinaritra ahy kokoa ny nampiasa ordinatera.”—Nathan.

“Manambany anay manao asa vatana ny ankizy sasany. Hoatran’ny hoe izahay mihitsy no bado ka tsy afaka manao asa hafa.”—Sarah.

ASA VATANA. Maro no mihevitra izany ho mahasorena sy mandoto ary tsy faniry. Hoy ny mpampianatra toe-karena iray momba azy io: “Tsy dia misy hasiny loatra ireny asa ireny, eto amin’ity tontolo tia toerana ambony ity.” Tsy mahagaga àry raha miavona tsy mety manao asa vatana ny tanora maro.

Mampirisika antsika hiasa mafy anefa ny Baiboly. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany.” (Mpitoriteny 2:24) Mpamboly ny Israelita, tamin’ny andron’ny Baiboly. Ilana herin-tsandry be ny miasa tany sy mijinja ary mively vary. Nilaza anefa i Solomona fa mitondra valisoa be dia be ny asa mafy.

Hoy ny apostoly Paoly, an-jatony taona tatỳ aoriana: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara.” (Efesianina 4:28) Efa zatra niasa mafy i Paoly. Nanam-pahaizana be izy, nefa nanao tranolay indraindray mba hahazoany izay nilainy.—Asan’ny Apostoly 18:1-3.

Tia manao asa vatana ve ianao? Mahasoa anao amin’ny lafiny maro izy io, na takatrao izany na tsia.

Fiofanana ho anao

Mahasalama ny manao asa vatana, anisan’izany ny miasa tany, na manadio tanàna, na manao asa hafa. Tsy fitaizam-batana fotsiny anefa izy io. Mahay manolo pne vaky ve ianao, raha manana fiara? Hainao ve ny manolo ny menaka amin’ny fiaranao? Mahay manamboatra varavarankely simba ve ianao, na manentsina tafo mitete? Mahay mahandro ve ianao? Hainao ve ny mampirina sy miborosy ny tranonao, mba hahatonga azy io hadio sy hahasalama? Tsara raha mahay ireo asa ireo ny tovolahy sy tovovavy, satria hanampy azy izany rehefa hitokan-trano izy.

Mahaliana koa fa na i Jesosy Kristy aza dia nahay asa tanana vitsivitsy, tamin’izy teto an-tany. Azo antoka fa i Josefa, ilay ray nitaiza azy, no nampianatra azy nandrafitra, satria nantsoina hoe mpandrafitra izy tatỳ aoriana. (Matio 13:55; Marka 6:3) Hahay zavatra maro koa ianao raha mampiasa ny tananao.

Manatsara ny toetranao

Misy vokany eo amin’ny fiheveranao ny tenanao koa ny asa mafy. Nanoratra ho an’ny Foibe Amerikanina Momba ny Fahasalaman’ny Saina sy ny Fampianarana, ny Pr. Fred Provenzano. Nilaza izy fa manampy anao “hatoky tena kokoa” ny fianarana asa vatana, sady “manampy [anao] hahay hifehy tena sy handamin-javatra, izay antoky ny fahombiazana eo amin’ny asa atao.” Hoy ny tovolahy atao hoe John: “Manampy anao hanana faharetana sy hianatra hamaha olana ny asa vatana.”

Hoy i Sarah, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nahatonga ahy hazoto hiasa ny fanaovana asa vatana. Nanjary haiko ny nifehy ny vatako sy ny saiko.” Mahasorena foana ve ny manao asa mafy? Hoy i Nathan: “Nanjary tiako ny manao asa vatana. Hitako fa nihatsara ny zava-bitako rehefa nitombo ny fahaizako, ary tsapako hoe misy vidiny kokoa ny tenako.”

Mampianatra anao ho faly amin’ny zava-bitanao koa ny asa vatana. Hoy i James: “Tiako ny mandrafitra. Mandreraka ilay izy indraindray, nefa faly sy afa-po aho rehefa mieritreritra ny zavatra nataoko.” Nahatsapa toy izany koa i Brian. Hoy izy: “Tiako ny manamboatra fiara. Lasa matoky tena sy afa-po aho, rehefa mahafantatra fa mahay manamboatra zavatra simba sy mamerina izany ho toy ny vaovao indray.”

Fanompoana masina

Manampy ny tanora kristianina eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fahafahany miasa mafy. Nasaina nanao tempoly lehibe ho an’i Jehovah i Solomona Mpanjaka. Tsapany fa nilana herin-tsandry sy fahaizana be izany. Hoy ny Baiboly: “Solomona mpanjaka naniraka haka an’i Hirama avy tany Tyro. Zanaky ny vehivavy mpitondratena tamin’ny firenen’i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin’i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.”—1 Mpanjaka 7:13, 14.

Voninahitra tokoa ny an’i Hirama, satria afaka nampiasa ny fahaizany mba hampandrosoana ny fivavahana tamin’i Jehovah izy! Tanteraka taminy ity voalazan’ny Ohabolana 22:29 ity: “Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va hianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany, fa tsy hitsangana eo anatrehan’ny olona ambany izy.”

Afaka nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana koa ankehitriny, na dia ny tanora tsy nanana traikefa firy na tsy nanana izany mihitsy aza. Noho izany, dia nanjary nahay asa tena ilaina izy ireo, toy ny fampidirana jiro, fametahana fantson-drano, fananganana trano, ary fandrafetana. Azonao atao angamba ny miresaka amin’ny anti-panahy eo an-toerana, raha afaka mandray anjara amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana ianao.

Efa niasa tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana maromaro i James. Hoy izy: “Maro amin’ny olona eo anivon’ny fiangonana no tsy afaka manampy, angamba noho izy ireo tsy manana fotoana na traikefa. Solontenan’ny fiangonana iray manontolo àry ianao, rehefa mandray anjara.” Afaka nanitatra ny fanompoany i Nathan, noho ny fahaizany momba ny rihibato. Hoy izy: “Afaka nankany Zimbabwe aho, ary nampiasa ny fahaizako mba hanorenana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Telo volana no niasako tany, ary iny no anisan’ny zavatra nahafinaritra ahy indrindra teo amin’ny fiainako.” Naniry hiasa mafy koa ny tanora hafa, ka nangataka ny hanompo an-tsitrapo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny taniny.

Manampy anao ‘hahay hianina amin’izay anananao’ koa ny fahaizana asa vatana. (1 Timoty 6:6) Tanora Vavolombelon’i Jehovah maro no manao ny asan’ny mpisava lalana, na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Nianatra asa ny sasany tamin’izy ireo, nefa tsy voatery nandany fotoana na vola be hianarana tany an-tsekoly. Manampy azy ireo hahazo izay ilainy izany.

Fomba hianarana azy

Mandray soa tokoa ianao rehefa mianatra asa ilana herim-batana, na tianao hatao antom-pivelomana izany, na hampiasaina ao an-trano fotsiny. Mety hianarana any am-pianarana ny asa sasany. Afaka miofana koa anefa ianao ao an-trano. Manao izany ianao rehefa manao raharaha. Hoy ny Dr. Provenzano, voaresaka terỳ aloha: “Tena tsara ho an’ny tanora ny manao raharaha, satria mampianatra azy hanao ‘asa ilaina andavanandro’ izany. Manampy azy hiatrika ny fiainana izany, rehefa tsy hiara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny intsony izy.” Aoka àry ianao ho mailaka hamita ireo zavatra tokony hatao ao an-trano. Misy seza ilana fanamboarana ve, ohatra? Sa tokony hodiovina ny kabine?

Tsy manambany mihitsy àry ny asa vatana, fa mahasoa anao amin’ny lafiny maro. Aza mandositra azy ireny mihitsy! Aoka kosa ianao ho “finaritra” amin’ny asa mafy ataonao, satria “fanomezan’Andriamanitra izany”, araka ny Mpitoriteny 3:13.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Nanampy tanora maro hanitatra ny fanompoany an’Andriamanitra ny fianarana asa

[Sary, pejy 22]

Afaka mampianatra anao ireo asa tena ilaina ny ray aman-dreninao matetika