Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana ny Tanora no Mandalo Fotoan-tsarotra?

Nahoana ny Tanora no Mandalo Fotoan-tsarotra?

Nahoana ny Tanora no Mandalo Fotoan-tsarotra?

METY handalo fotoan-tsarotra ny zatovo, na tsara toy inona aza ny fiainany. Misy fihetseham-po vaovao mipoitra, ohatra, ao aminy mandritra ny fotoanan’ny fahamaotiana. Teren’ny mpampianatra sy ny tanora hafa hanao zavatra sasany izy isan’andro. Misy vokany eo aminy koa ny tele, filma, mozika, ary ny Internet. Izany no antony iantsoan’ny Firenena Mikambana ny fotoana maha zatovo hoe “fotoam-piovana mahabe adin-tsaina sy tebiteby.”

Mampalahelo fa tanora maro no tsy mahay mandresy mihitsy izany adin-tsaina sy tebiteby izany. (Ohabolana 1:4) Hivarilavo mora foana izy ireny, rehefa tsy mahazo tari-dalana tsara. Izao, ohatra, no tatitra nataon’ny ONU: “Hita tamin’ny fikarohana, fa amin’ny fotoana maha zatovo na aoriana kelin’izay matetika ny olona, no manomboka midoroka zava-mahadomelina.” Amin’izay koa no fotoana anombohany manao zava-dratsy hafa, toy ny herisetra sy ny firaisana amin’ny olona betsaka.

Diso hevitra matetika ny ray aman-dreny mieritreritra, fa ny tanora “mahantra” na ny tanora avy amin’ny foko sasany ihany no manao izany. Manao ireo zavatra ireo koa ny tanora hafa, na mahantra izy na manankarena, ary na inona na inona fiaraha-monina misy azy sy fiaviany. Izao no tenin’i Scott Walter, mpanoratra: “Tsy maharaka ny zava-misy tato ho ato ianao, raha mihevitra fa ny atao hoe ‘ankizy maditra’ dia ankizilahy 17 taona, avy amin’ny antokon’olom-bitsy mipetraka ao afovoan-tanàna, ary zanaky ny vehivavy mafy ady mivelona amin’ny fanampiana ara-tsosialy. Mety ho fotsy hoditra ny ankizy maditra ankehitriny, mety ho avy amin’ny fianakaviana antonontonony na manankarena, mety ho 16 taona latsaka (na latsaka be noho izany), ary mety ho ankizivavy.”

Nahoana anefa no tena betsaka ny tanora atahorana hivarilavo? Tsy efa niatrika zava-tsarotra sy fakam-panahy koa ve ny tanora tany aloha? Marina izany, nefa ao anatin’ilay fotoana antsoin’ny Baiboly hoe “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika izao. (2 Timoty 3:1-5) Misy toe-javatra sy olana tsy hitan’ny tanora tany aloha, nefa hitan’ny tanora ankehitriny. Aleo hojerentsika ny sasany.

Fiovana eo amin’ny fianakaviana

Jereo, ohatra, ny fiovana ankapobe misy eo amin’ny fianakaviana. Hoy ny Gazety Momba ny Psikolojia (anglisy): “Tsy mahatratra 18 taona akory ny ampahatelony mahery amin’ny ankizy amerikanina, dia efa misaraka ny ray aman-dreniny.” Mitovitovy amin’izany koa ny antontan’isa any amin’ny tany tandrefana hafa. Malahelo be matetika ny tanora, rehefa misaraka ny ray aman-dreniny. Hoy ihany ilay gazety: “Sarotra kokoa amin’ny ankizy mazàna ny mahazo naoty tsara sy mifandray amin’ny olon-kafa any am-pianarana, raha nisaraka vao haingana ny ray aman-dreniny. Tsy toy izany kosa ny ankizy tsy misaraka ny ray aman-dreniny, na ireo efa ela no nanana raikely na renikely, na ireo tsy manana afa-tsy ray na reny hatry ny ela ... Matetika koa no misy fiantraikany eo amin’ny toe-pon’ny ankizy sady mahatonga azy tsy hatoky tena, ny fisarahan’ny ray aman-dreniny.”

Nahatonga fiovana teo amin’ny fianakaviana koa ny fitomboan’ny isan’ny vehivavy miasa. Hita tamin’ny fandinihana natao tany Japon momba ny heloka bevava ataon’ny ankizy, fa sarotra kokoa ho an’ny mpivady ny manabe ny zanany, raha samy miasa izy roa. Mora kokoa izany, raha mijanona ao an-trano ny iray.

Marina fa mila miasa ny mpivady maro vao mahazo izay ilaina ao an-trano. Metimety koa angamba ny fiainan’ny ankizy, rehefa samy miasa ny ray aman-dreniny. Misy indro kely anefa: Trano tsy misy olona no vantanin’ny ankizy an-tapitrisany, rehefa mody avy any am-pianarana izy. Ary rehefa tonga indray ny ray aman-dreniny, dia matetika no vizana sy variana mieritreritra ny olana any am-piasana. Inona no vokany? Ankizy maro no tsy voataiza tsara. Nisy tanora nitaraina hoe: “Tsy mba miara-manao zavatra mihitsy izahay ao an-trano.”

Betsaka no mahita fa tsy hahasoa ny tanora izany. Hoy ny Dr. Robert Shaw: “Mino aho fa ny fiovana eo amin’ny fitaizana, nanjaka tsikelikely tato anatin’ny telopolo taona, no mahatonga ny ankizy tsy hiraiki-po, tsy te hiresaka, ho sahirana eo amin’ny fianarana, ary tsy ho voafehy. Lasa matimatin-karena sy te hahavita zavatra faran’izay tsara foana toy ny olona sasany ny ray aman-dreny, ka mijanona ela loatra any am-piasana sy mandany vola be. Tsy manam-potoana intsony àry izy ireo hanaovana izay tokony hataony, mba hifankahazoana am-po amin-janany.”

Mety hahita olana hafa koa ny ankizy, rehefa samy miasa ny ray aman-dreniny. Matetika izy ireo no tsy voara-maso. Mety hanao zavatra mampidi-doza anefa ny tanora, rehefa tsy arahin’ny ray aman-dreniny maso tsara.

Niova ny fiheverana ny fifehezana

Niova ankehitriny ny fiheverana ny fifehezana. Misy vokany eo amin’ny tanora koa izany. Nilaza nivantana ny Dr. Ron Taffel hoe “tsy mampihatra ny fahefany intsony” ny ray aman-dreny maro. Zara raha manana na tsy manana fitsipika mifehy azy anefa ny tanora, rehefa tsy manao izany ny ray aman-dreniny.

Ny zava-dratsy niainan’izy ireo tamin’ny mbola kely indraindray, no mahatonga ny ray aman-dreny hanova ny fomba ifehezany ny zanany. Te ho naman-janany izy ireo, fa tsy te ho mpibedy. Niaiky ny renim-pianakaviana iray hoe: “Nampihantaiko loatra ny zanako. Hentitra be mantsy ny ray aman-dreniko, ka tsy te hitovy amin-dry zareo aho. Diso anefa aho.”

Mbola mihoatra noho izany aza ny zavatra ataon’ny sasany. Hoy ny gazety Etazonia Ankehitriny: “Nadinadinina vao haingana ny zatovo efa ho 600 tany New York, Texas, Floride, ary Kalifornia. Zatovo nampiana hiala tamin’ny zava-mahadomelina izy ireo. Hita tamin’izany fa niara-nidoroka zava-mahadomelina tamin’ny ray aman-dreniny ny 20%. Ny 5% nilaza fa ny reniny na ny rainy mihitsy no nampianatra azy hanao izany, ka marijuana no tena fanomen’izy ireo azy.” Inona no mety hahatonga ny ray aman-dreny hanao hadalana toy izany? Nitsotra ny renim-pianakaviana iray hoe: “Nilazako ny zanako vavy hoe aleoko mahita azy manao an’izany ato an-trano. Ato izy voarako maso tsara.” Ny hafa mieritreritra fa “hifankahazo am-po” kokoa izy sy ny zanany, raha miara-midoroka zava-mahadomelina.

Ny vokatry ny haino aman-jery

Misy vokany be eo amin’ny ankizy koa ny haino aman-jery. Hita tamin’ny fanadihadiana natao, hoy ilay mpikaroka atao hoe Marita Moll, fa mandany adiny efatra sy 48 minitra eo ho eo isan’andro hijerena tele na hampiasana ordinatera ny tanora any Etazonia.

Mety hanimba ve izany? Araka ny lahatsoratra tao amin’ny gazety Siansa (anglisy), dia miara-manaiky “ny fikambanana matihanina lehibe enina eto Etazonia”, anisan’izany ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana, fa ny herisetra hitan’ny “ankizy sasany” ao amin’ny tele, no mahatonga azy “hahery setra.” Hoy anefa io gazety io: “Na dia miombon-kevitra toy izany aza ny manam-pahaizana, dia toa mbola tsy azon’ny olona ihany ny fampitandreman’ny fampitam-baovao hoe anisan’ny mahatonga ny olona hahery setra kokoa ny herisetra hitany ao amin’ny tele.”

Jereo, ohatra, ny clips. Tafintohina matetika ny ray aman-dreny rehefa mahita, fa be tsipiriany sy mampiseho mivantana olona manao firaisana ny sasany amin’izy ireny. Tena mety hisy vokany eo amin’ny zatovo ve izany? Hita tamin’ny fandinihana mpianatra 500 tany amin’ny lise, fa ‘mahatonga ny olona hahery setra kokoa ny tonon-kira miresaka herisetra.’ Nanaovana fandinihana koa vao haingana ny ankizivavy 500 mahery. Voaporofo tamin’izany, fa ‘atahorana kokoa haka tahaka ireo firaisana sy herisetra hitany ao amin’ny clip rap feno teny vetaveta sy heloka bevava ny zatovo, arakaraka ny hijereny azy ireny.’ Hita tamin’ilay fandinihana koa, fa atahorana kokoa hamono mpampianatra, ho voasambotry ny polisy, ary hanao firaisana amin’ny olona betsaka ny ankizy mpijery foana an’io karazana clip io.

Ny zatovo sy ny ordinatera

Nandray anjara betsaka tamin’ny famolavolana ny sain’ny tanora koa tato ho ato ny ordinatera. Hoy ny gazety Fitsaboana ny Ankizy (anglisy): “Nihabetsaka tampoka tato ho ato ny olona manana ordinatera. Nanana ordinatera ny androatokon’ny tokantrano misy ankizy mbola mianatra (6-17 taona) manerana ny firenena [Etazonia] ... Tamin’ny 1998, dia 55% tamin’ny tokantrano nisy ankizy 3 ka hatramin’ny 17 taona no nanana ordinatera. Lasa 65% izany tamin’ny 2000.” Mihamaro koa ny manana ordinatera any amin’ny tany maro hafa.

Afaka mampiasa ordinatera anefa ny tanora, na dia tsy misy aza ao an-tranony. Nisy mpikaroka niteny hoe: “Mampiasa ordinatera ny 90% eo ho eo amin’ny tanora 5 ka hatramin’ny 17 taona, ary mampiasa Internet ny 59%.” Afaka mahalala zavatra be lavitra tsy toy ny hatramin’izay ny tanora, noho ny ordinatera. Hahasoa azy izany, raha mitandrina tsara izy, sady voara-maso akaiky. Mampalahelo anefa fa avelan’ny ray aman-dreny maro hampiasa ordinatera araka izay tiany ny zanany.

Manaporofo izany ny tenin’i Moll tao amin’ny gazety iray. Lazainy ao fa nisy fanadihadiana momba ny fampiasana Internet natao tamin’ny 2001. Hita tamin’izany fa ny “71 isan-jaton’ny ray aman-dreny no nihevitra hoe ‘nahafantatra betsaka’ na ‘nahafantapantatra’ izay nojeren’ny zanany tao amin’ny Internet. Rehefa nanontaniana anefa ny ankizy, dia niteny ny 70% fa ‘zara raha nahalala na tsy nahalala mihitsy’ izay nojereny ny ray aman-dreniny.” Araka an’io fanadihadiana io, dia “nilaza ny 30% tamin’ny ankizy 9 ka hatramin’ny 10 taona, fa efa nandray anjara tamin’ny fifampiresahana ao amin’ny Internet, natokana ho an’ny olon-dehibe izy ireo. Mbola maro noho izany aza ny ankizy lehibe kokoa: 58% ny ankizy 11 ka hatramin’ny 12 taona, 70% ny ankizy 13 ka hatramin’ny 14 taona, ary 72% ny ankizy 15 ka hatramin’ny 17 taona. ... Araka ny fanadihadiana hafa natao tany Grande-Bretagne momba ny fampiasana Internet ao an-trano, dia ray aman-dreny iray ao anatin’ny fito no niaiky, fa tsy mahalala izay jeren’ny zanany ao amin’ny Internet.”

Mety hijery sary vetaveta anefa ny ankizy, raha tsy arahi-maso. Tsy izany ihany no mety hitranga. Nitaraina toy izao i Taffel, ilay noresahina tetsy aloha: “Minamana amin’ny ankizy any am-pianarany sy ao amin’ny Internet ny zanakay, ka mandany fotoana iresahana amin’izy ireny. Tsy fantatray akory anefa ireny ankizy ireny matetika.”

Hita àry fa miatrika zava-tsarotra sy olana tsy hitan’ny tanora tany aloha ny tanora ankehitriny. Tsy mahagaga raha manao zavatra mampidi-doza izy ireo! Misy zavatra azo atao ve mba hanampiana ny tanora ankehitriny?

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Mino aho fa ny fiovana eo amin’ny fitaizana, nanjaka tsikelikely tato anatin’ny telopolo taona, no mahatonga ny ankizy tsy hiraiki-po, tsy te hiresaka, ho sahirana eo amin’ny fianarana, ary tsy ho voafehy.”—DR. ROBERT SHAW

[Sary, pejy 6, 7]

Nahatonga fiovana teo amin’ny fianakaviana ny fitomboan’ny isan’ny vehivavy miasa

[Sary, pejy 7]

Mora resin’ny fakam-panahy ny tanora, rehefa tsy voara-maso

[Sary, pejy 8]

Hitan’ny mpikaroka fa mahatonga ny tanora hahery setra ny fijerena “clip” misy herisetra

[Sary, pejy 9]

Fantatrao ve izay jeren’ny zanakao ao amin’ny Internet?