Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Biby sy ny Fitaizan-janaka

Ny Biby sy ny Fitaizan-janaka

Ny Biby sy ny Fitaizan-janaka

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Espaina

ROAPOLO taona eo ho eo mazàna no atokan’ny olona hitaizana ny zanany. Tsy mba toy izany kosa ny an’ny biby maro. Tsy maintsy vitainy ao anatin’ireo volana vitsivitsy amin’ny vanin-taona mafana, ny famelomana sy ny fampiofanana ny zanany. Asehon’ireto ohatra vitsivitsy ireto fa sarotra ny asa sahanin’ny biby mitaiza, isan-taona.

1. Vanobe Fotsy Tsy manam-potoana hialana sasatra mihitsy io vanobe eo amin’ny sary io, mandritra ny vanin-taona mafana. Mila mamahana ireo zanany noana be izy, ka tsy maintsy miverimberina mankany amin’ny farihy tsy lavitra eo mba hitady sahona, na trondro kely, na androngo, na valala. Tsy maintsy manamboatra ny akaniny koa izy indraindray. Samy mivezivezy eo izy mivady, mandritra ny andro. Mahalany sakafo be mihitsy ireo zanany ireo. Sakafo mitovy lanja amin’ny antsasaky ny vatany no laniny isan’andro, mandritra ireo herinandro vitsivitsy voalohany! Mbola miantehitra amin’ny ray aman-dreniny izy ireo mandritra ny herinandro maromaro, na dia efa nahay nanidina aza.

2. Karazana Kary Be Ny reniny irery mazàna no mitaiza ny zanany. Saika isan’andro izy no mila mahita haza hataony tohan’aina, mba hahafahany hampinono ireo zanany miisa telo ka hatramin’ny dimy. Tsy mora aminy anefa ny mihaza, satria very maina ny ezaka ataony matetika. Tsy maintsy mamindra ny zanany ho ao anaty lavaka hafa koa izy, isaky ny andro vitsivitsy. Raha tsy izany mantsy, dia ho lanin’ny liona ireo zanany mbola marefo rehefa tsy eo izy. Manomboka mampiofana ny zanany hihaza izy, rehefa feno fito volana izy ireo. Mitaky fotoana be aminy izany, satria mety hila herintaona eo ho eo. Miara-mipetraka amin-dreniny mandritra ny herintaona ka hatramin’ny herintaona sy tapany ny zanany mazàna.

3. Vivy Kely Tena miraiki-po ny vivy sy ny zanany, ka hoatran’ny tsy hisaraka mihitsy. Mandao ilay akany mitsinkafona ireo zanany raha vao foy. Miakatra ao anelanelan’ny elatra, ao andamosin’ny rainy na ny reniny izy avy eo. Mahatsiaro mafana sy voaro erỳ ireto voronkely, rehefa mivezivezy eny ambony rano eny ny rainy na ny reniny. Mifandimby mibaby ny zanany na manao antsitrika hitadiavana sakafo, izy mivady. Tsy ela ireo zanany ireo dia mianatra manao antsitrika sy mamelon-tena koa. Mbola miaraka amin’ny ray aman-dreniny ihany anefa izy mandritra ny fotoana kelikely.

4. Zirafy Mahalana ny zirafy vao miteraka mihoatra ny iray. Tsy mahagaga izany satria mety hilanja 60 kilao sy hirefy roa metatra ny zirafy vao teraka, toy io amin’ny sary io! Adiny iray aorian’ny nahaterahany izy dia efa mitsangana, ary minono amin-dreniny. Manomboka miraoka ahitra koa izy tsy ela aorian’izay, nefa mbola minono foana mandritra ny sivy volana. Mankeo anelanelan’ny tongotry ny reniny izy, rehefa misy mampatahotra azy. Mahery fandaka mantsy ilay reniny, ary fiarovana tsara amin’ny mpanafika izany matetika.

5. Karazana Vintsy Tokony hahazo sy hisafidy tsara ny vintsy, rehefa misambotra trondro ho an-janany. Hitan’ny manam-pahaizana momba ny vorona, fa samy mamahana ny zanany kely amin’ny trondro mirefy iray santimetatra mahery kely, ny vintsy lahy sy vavy. Tazonin’izy ireo ao am-bavany ny rambon’ilay trondro, fa ny lohany no apoitrany. Mora kokoa amin’ireo zanany noana be ny mitelina an’ilay trondro, rehefa ny lohany no mandeha aloha. Omeny trondro lehibe kokoa izy ireo, arakaraka ny itomboany. Ampitomboiny tsikelikely koa ny habetsahan’ny sakafo omeny azy. Fahanany isaky ny 45 minitra eo ho eo ny zanany tsirairay, amin’ny voalohany. Mazoto homana be anefa izy ireo rehefa afaka 18 andro eo ho eo, ka omeny trondro isaky ny 15 minitra! Efa nandao ny akaniny ilay zana-borona eo amin’ny sary, ary kely sisa dia haka trondro samirery. Mihevitra angamba ianao fa afaka amin’ny fitaizan-janaka ny vintsy lehibe manomboka hatreo. Tsy izany mihitsy! Efa foy indray ny zanany manaraka, mandritra iny vanin-taona mafana iny ihany, ary dia manomboka indray ny zava-drehetra.

Marina aloha fa mbola tsy fantatra amin’ny an-tsipiriany ny fomba itaizan’ny biby samy hafa ny zanany. Arakaraka ny ahitan’ny mpandinika ny zavaboary azy ireny anefa, no ahatsapantsika fa misy heriny lehibe eo amin’ny fiainan’ny biby, ny fahaizana voajanahary ananan’ny ray aman-dreniny. Antenain’Andriamanitra hamelona sy hitaiza ny zanany koa àry ny ray aman-dreny olombelona, raha ny biby aza omeny fahaizana toy izany.