Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Perla Mainty Vatosoan’ny Pasifika Atsimo

Perla Mainty Vatosoan’ny Pasifika Atsimo

Perla Mainty Vatosoan’ny Pasifika Atsimo

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY NOUVELLE-ZÉLANDE

Mitady mpiasa ny toeram-pamokarana perla any Manihiki”, hoy ny filazana tao amin’ny “Vaovaon’ny Nosy Cook.” Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Ahoana no famokatra perla? Aiza koa anefa izany Manihiki izany?’

NOSY iray feno akorandriaka i Manihiki, ary any amin’ny 2 600 kilaometatra avaratratsinanan’i Nouvelle-Zélande no misy azy. Iray amin’ireo nosy 15 ao amin’ny Nosy Cook izy io. Voalaza fa tany no nisy nanandrana namokatra perla mainty voalohany, tany am-piandohan’ireo taona 1970. Efa betsaka ankehitriny ny toerana famokarana azy io manerana ireo riakasia, na karazana farihy, any Manihiki. Ahazoam-bola be tokoa izy ireny.

Asa be ny famokarana perla, sady mitaky fahaizana manokana. Fidina tsara aloha ireo masajy (sifo-dranomasina) mainty mety amin’izany, ary sokafana moramora avy eo. Tatahana amin’ny antsy kely manify ny nofony, ary atsofoka ao ny vihy, na ilay zavatra boribory kely hatao atin’ilay perla. Analana kely koa ny hara, na ilay zavatra mangirangirana eo amin’ny atin’ny akorany, ary ampiarahina amin’ilay vihy. Averin’ny mpiasa ao anaty rano ireo masajy aorian’izay. Kenakenaina tsara izy ireo mba tsy ho faty, ary esorina daholo izay ahidrano maniry.

Mandrakotra tsikelikely an’ilay vihy ilay hara, ary mitombo ho sosony maromaro avy eo. Vita ao anatin’ny herintaona sy tapany na roa taona ny perla, raha tsy niala ilay vihy. Nisy olona niantso an’izany rehetra izany hoe “fiaraha-miasa mahavariana eo amin’ny olona sy ny natiora.”

Sarobidy ny perla mainty

Anisan’ny perla lafo vidy indrindra ny perla maintin’ny Pasifika Atsimo, satria tena mahalana no ahitana azy io maneran-tany. Misy isan-karazany sady marevaka ny lokony. Ao ny mitovy loko amin’ny volafotsy, volamena, halimo, na varahina. Ao ny mainty ngilo, mavokely, maitso, manga, volomparasy, na volondavenona antitra sy tanora. Ao koa ny misy loko mifangaro, toy ny mavokely matsora sy mavokely antitra, maitso sy mivolombolamena, maitso sy mainty, manga antitra sy mainty, ary volomparasy sy mainty.

Tsy voatery ho lafo kokoa noho ny perla iray, ny perla miloko hafa. Tsara kokoa anefa izy io rehefa miloko ranoray. Misy fiantraikany eo amin’ny vidin’ny perla koa ny habeny, ny bikany, ny endriny, ary ny famirapirany.

Ny savaivon’ny perla no amaritan’ny mpanao firavaka ny habeny. Mahatratra 8 ka hatramin’ny 12 milimetatra eo ho eo ny savaivon’izy ireny, fa mahalana no misy 18 milimetatra na mihoatra. Mifanaraka amin’ny lanja na ny haben’ny perla mazàna ny vidiny, na dia tsy ny habeny aza no tena zava-dehibe.

Isan-karazany koa ny bikan’ny perla, tsy misy hafa amin’ny lokony. Ny perla boribory anefa no tena tian’ny olona. Ahavitana vaton-drojo na kavina tsara tarehy ireo miendrika poara. Ao koa ireo antsoina hoe perla faribolana, noho izy io misy soritra manodidina azy. Somary mivohitra kosa ny tampon’ny perla bokotra, ary fisaka ny ao ambaniny. Ao koa ireo marokoroko, izay misy endriny maro be.

Mahalana no ahitana perla tsy misy tsininy mihitsy, ary tena lafo izy ireny. Fahita mantsy ny perla misy lempona, na mivohitra, na ketrona, na kiaka, na pentina, na tasy. Azo afenina ireny tsininy ireny rehefa apetaka amin’ny firavaka, raha vitsy na faritra sasany ihany no misy azy.

Azo antoka fa ho voamarikao ny famirapiratry ny perla, arakaraka ny hatevin’ny hara eo aminy. Anisan’ny mahatsara ny perla koa ilay izy mamirapiratra rehefa tarafin’ny hazavana, ka manjary manintona. Misy milaza fa ny famirapiratry ny perla no manintona kokoa, noho ny lokony, na habeny, na bikany, na ny endriny.

Mila tandremana ny perla

Voalaza fa “marefo” ny perla, fa tsy mba tahaka ny vatosoa hafa, toy ny diamondra na vatosoa mena. Mety hisy kiaka izy ireny, rehefa mifampikasoka amin’ny firavaka hafa, na zavatra mafy. Raha manana perla àry ianao, dia kajio tsara rehefa manao na mampirina azy ianao.

Mety hanimba azy io koa ny asidra avy amin’ny hatsembohana, savony, ranomanitra, ary ny zavatra fanosotra amin’ny tarehy. Nanoro ny fomba fanadiovana perla ny mpanamboatra firavaka malaza iray ao amin’ny Nosy Cook. Hoy izy: “Manaova ranon-tsavony ao anaty vilia jobo kely, ka savony tsy mahery ampiasaina. Makà borosy nify malefaka, ary hontsankontsano amin’iny ilay rano. Borosio moramora ilay firavaka sy ilay perla eo aminy avy eo. Kobano amin’ny rano mangatsiaka ilay izy, ary hamaino amin’ny lamba malemilemy.”

Ny perla sy ny tantara

Ny perla no anisan’ny vatosoa nataon’ny olona firavaka voalohany, teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Nohindrahindraina tao anatin’ireo haisoratra tranainy mantsy izy io. Tena sarobidy tamin’ny mponina tany Moyen-Orient sy Azia ny perla. Toa noheverin’izy ireo ho mariky ny fahadiovana sy hatsaran-toetra mihitsy aza izy io.

Tena sarobidy koa ny perla tany Roma fahiny, ka ny olona ambony ihany no nahazo niravaka azy ireny. Nilaza i Pline Zokiny, filozofa sy mpandinika ny zavaboary tamin’ny taonjato voalohany, fa ny perla no “entam-barotra tsara indrindra eto an-tany.” Nampiasa fanoharana momba ny “vatosoa” na perla koa i Jesosy, mba hampisehoana ny hasarobidin’ny Fanjakan’ny lanitra. Tena sarobidy tokoa ilay izy, ka raha nahita izany ny mpivaro-mandeha iray nitady vatosoa, dia “nivarotra avy hatrany izay rehetra nananany ka nividy [azy io].”—Matio 13:45, 46.

Azo antoka fa tsara sy sarobidy ny perla, matoa i Jesosy niresaka azy io. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa isika, noho izy namorona ireny vatosoa ireny, anisan’izany ireo hita any Pasifika Atsimo!

[Sary, pejy 18]

Perla mainty (nohalehibeazina mba ho hita ny lafiny sasany eo aminy)