Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Tsy Main’ny Masoandro ny Hipopotama

Milaza ny gazety The Independent any Londres, fa “mamoaka menaka mba hiarovana ny hodiny amin’ny masoandro ny hipopotama, ary toy ireny menaka fihosotry ny olona ireny ilay izy.” Nandinika ny hatsembohan’ny hipopotama iray tao amin’ny toeram-pijerem-bibin’i Tokyo, ny mpahay siansa tany Kyoto, any Japon. Hitan’izy ireo hoe nahoana io ranoka io no miaro ny hoditr’ilay biby amin’ny masoandro migaingaina sy ny loto. Lasa menamena aloha ilay ranoka madity sy tsy misy loko. Lasa toy ny plastika mivolontsôkôlà izy avy eo ary be asidra, ka mamono otrikaretina sy bakteria. Miaro amin’ny tara-masoandro manimba koa izy io, toy ny menaka fampiasan’ny olona mba hiarovan-tena amin’ny masoandro. Nilaza anefa ilay gazety, fa tsy azo inoana hoe ato ho ato dia hivarotra an’io menaka avy amin’ny hipopotama io, ireo orinasa mpanamboatra zavatra fanosotra amin’ny hoditra. Vitsy kely mantsy ny hipopotama eto an-tany, ary tena mahery fofona ilay menaka.

Mihena ny Fahaketrahan’ny Antitra Mibata Fonjam-by

Araka ny fandinihana iray navoakan’ny gazety The Australian, dia mety hihena be ny fahaketrahan’ny antitra rehefa mibata fonjam-by izy. Mety ho toy ny fanafody manala fahaketrahana ihany àry ilay izy, hoy i Nalin Singh, mpitsabo aretin’ny antitra ao amin’ny Hopitaly Royal Prince Alfred any Sydney. Nisy lehilahy sy vehivavy 60, manodidina ny 72 taona, narahi-maso. Milaza ilay gazety fa na dia tsy nanao ezaka mafy loatra aza izy ireo rehefa nibata fonjam-by, dia nihena ny fahaketrahany, “mitovy amin’ny olona nanaraka fitsaboana mahazatra ihany.” Manamafy “ny taolana sy ny hozatry ny antitra koa ny fibatana fonjam-by, ka miaro azy tsy hianjera. Manampy amin’ny fitsaboana ny aretin’ny tonon-taolana, ny diabeta, ary ny tosidra ambony koa izany.” Nilaza i Singh fa ny fibatana fonjam-by no “tokony ho fomba voalohany hitsaboana ny ketraka, indrindra fa ny antitra.”

Mampianatra Toetra Ratsy ny Tele

“Mahatonga ny ankizy tsy hahay hiara-monina amin’olona ny fijerena tantara mitohy ao amin’ny tele. Lasa tia manendrikendrika izy, ohatra, tia mifosafosa, manely tsaho, mampiady olona, ary manao teny mandratra.” Izany no vokatry ny fandinihana navoakan’ny gazety The Times any Londres. Hita fa “tena misy akony” eo amin’ny zatovo ny fahitany toetra ratsy toy ireny ao amin’ny tele, ka mahatonga azy tsy hahay hiara-monina amin’olona. Ny tantara mitohy ratsy indrindra, dia nahitana fanendrikendrehana 14 teo ho eo, tao anatin’ny adiny iray. Nilaza i Sarah Coyne, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Lancashire, any Angletera, fa mety hampiana-dratsy ny tanora ireny toetra ratsy “aseho tsy tapaka” ao amin’ny tele ireny. Alana tsiny mantsy ilay izy, sady aseho toy ny hoe mahafinaritra sy ahitana voka-tsoa.

Vokatry ny Sakafo Kely Gliosida

Mety hihena ny lanjan’ny olona iray, raha kely gliosida ny sakafo haniny. Mbola tsy tena fantatra anefa ny vokatry ny sakafo toy izany rehefa mandeha ny fotoana. Misy mpikaroka mihevitra fa mety hankarary aty sy voa, hampahosa ny taolana ary hiteraka aretina lehibe hafa, ny fihinanana sakafo be proteinina. Milaza ny gazety Time fa “ny ankamaroan’ny sakafo matsiro sy kely gliosida” toy ny hen’omby misy saosy mafilotra, dia “feno menaka izay hanentsina ny lalan-dra ao amin’ny fo. ... Io menaka io no tena mahatonga aretim-po sy mahatapaka lalan-dra.” Hoy kosa i David Katz, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Yale: “Hita tamin’ny fandinihana maro fa manatsara ny fahasalamana ankapobe ny fihinanana sakafo be fibra sy gliosida, toy ny voankazo, legioma, ary voamaina. Mahaela velona sy tsy mampitombo lanja koa izy ireny. Tsy atahorana loatra ho voan’ny kansera, aretin’ny fo sy ny lalan-dra, diabeta, ary aretin’ny vavony sy tsinay, ny olona mihinana azy.”

Sary Sokitra Niloko

Hoy ny gazety alemà Spektrum der Wissenschaft: “Manizingizina ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany sy ny mpahay tantara, fa vita tamin’ny marbra fotsy daholo ny sarivongana fahiny”, anisan’izany ireo sarivongana tany Gresy. “Niloko marevaka anefa izy ireny, raha ny marina.” Nisy ihany boky ara-tantara nilaza fa nisy sarivongana niloko taloha. Nisy soritra loko hita koa tamin’ny sary sokitra sasany, saingy tsy nanintona firy ny sain’ny manam-pahaizana izany. Voaporofo vao haingana anefa fa nisy sarivongana niloko taloha. Ny fanovan’ny toetrandro ny endrik’izy ireo no nahitana izany. Miendaka alohan’ny loko sasany mantsy ny loko hafa, ka lasa simban’ny toetrandro alohan’ny faritra sasany ny faritra hafa amin’ilay sarivongana. Hita àry fa niloko isan-karazany ilay sarivongana, satria samy hafa ny fahasimbana hita eo aminy. Nilaza ilay gazety tamin’ny farany, fa mety ho “noheverin’ny Grika sy Romanina ho tsy lavorary ny sary sokitra, raha tsy nolokoana.”

Haingana Be ny Lelan’ny Tanalahy

Ahoana no amoahan’ny tanalahy ny lelany haingana be, mba hisamborany ny hazany? Milaza ny gazety New Scientist fa misy “karazana resaoro” manome hery azy io, ka manosika azy mafy avy ao am-bavany. Fantatry ny mpahay siansa fa misy nofo voahodidina hozatra ao anatin’ny lelan’ny tanalahy, ary ilay hozatra no manosika azy io hivoaka haingana be. Nijery horonan-tsary nalefa miadana ireo mpikaroka holandey, mba hahitana tsara ny fiasan’ny lelan’ny tanalahy. Tsikaritr’izy ireo fa ao anatin’ny ampahan-tsegondra alohan’ny hamelezan’ny tanalahy, dia “mampiasa ilay hozatry ny lelany izy, mba hanatanjahana ireo nofo ao anatin’izy io.” Lasa miforitra toy ny resaoro ireo nofo ireo avy eo. Ampiasain’ilay tanalahy ao anatin’ny indray mipy maso io hery io rehefa mamely izy, ka mandeha haingana be ny lelany misambotra ny hazany.

Vitsy ny Mpino any Grande-Bretagne

Milaza ny gazety The Times fa rehefa nadinadinina ny olona 10 000 tany amin’ny firenena folo, dia hita fa “i Grande-Bretagne no anisan’ny firenena be olona tsy mino an’Andriamanitra indrindra ... Any koa no vitsy indrindra ny olona manana fivavahana sy manao zavatra ara-pivavahana.” Ny 46 isan-jaton’ny Anglisy no nilaza ho nino an’Andriamanitra foana. I Rosia sy Korea Atsimo ihany anefa no nahitana mpino latsak’izany. Maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponin’i Nizeria sy Indonezia ary Liban no mino fa mivavaka amin’ilay Andriamanitra marina izy ireo. Ny 30 isan-jaton’ny mponin’i Grande-Bretagne ihany anefa no toy izany. Saika any amin’ny firenena rehetra, dia maherin’ny 80 isan-jaton’ny mponina no milaza fa manatsara toetra ny finoana an’Andriamanitra. Ny 56 isan-jaton’ny Anglisy ihany anefa no nanaiky izany. Ny 85 isan-jaton’ny Amerikanina sy ny 99 isan-jaton’ny Indonezianina ary ny 83 isan-jaton’ny Meksikanina, no mino fa Andriamanitra no namorona izao rehetra izao. Ny 52 isan-jaton’ny Anglisy ihany anefa no mino izany. Ny 6 isan-jaton’ny Amerikanina sy ny 9 isan-jaton’ny Indianina ary ny 11 isan-jaton’ny Israelianina, no manaiky fa hiadana kokoa izao tontolo izao raha tsy misy fivavahana. Nahatratra 29 isan-jato anefa izany tany Grande-Bretagne!