Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ireo Antsoina hoe ‘Andriamanitra’”

“Ireo Antsoina hoe ‘Andriamanitra’”

“Ireo Antsoina hoe ‘Andriamanitra’”

REHEFA avy nanasitrana lehilahy nalemy tongotra ny apostoly Paoly tany Lystra, dia nihorakoraka ny olona hoe: “Nanjary nitovy amin’ny olombelona ny andriamanitra, ary efa nidina atỳ amintsika!” Nantsoin’izy ireo hoe Hermesy i Paoly, ary Zeosy i Barnabasy namany. (Asan’ny Apostoly 14:8-14) Nampitandrina i Demetrio, mpanefy volafotsy tany Efesosy, fa raha mbola navela hitory i Paoly, dia ‘hanjary ho tsinontsinona ny tempolin’i Artemisy andriamanibavy lehibe.’—Asan’ny Apostoly 19:24-28.

Nivavaka tamin’ireo “antsoina hoe ‘andriamanitra’, na any an-danitra na eto an-tany”, ny olona tamin’ny taonjato voalohany, toy ny olona maro ankehitriny. I Paoly mihitsy aza no niteny hoe: ‘Misy “andriamanitra” maro sy “tompo” maro.’ Nilaza koa anefa izy hoe: “Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany amintsika, dia ny Ray”, ary “tokana ihany ny Tompo, dia i Jesosy Kristy.”—1 Korintianina 8:5, 6.

Nantsoina hoe andriamanitra koa ve i Jesosy?

Marina fa tsy niteny mihitsy i Jesosy hoe Andriamanitra izy. Antsoina hoe “Andriamanitra Mahery” sy “Andrian’ny fiadanana” anefa izy ao amin’ny faminanian’i Isaia, satria notendren’i Jehovah ho mpitondra. ‘Andriana’ izy, satria zanak’i Jehovah, ilay Mpanjaka Lehibe. Hoy koa ilay faminaniana: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.” (Isaia 9:5, 6) Hanapaka na hitondra ny fanjakan’io “Andriamanitra Tsitoha” io àry izy any an-danitra.—Eksodosy 6:3.

Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Nahoana àry i Jesosy no antsoina hoe “Andriamanitra Mahery”? Ary tsy nilaza koa ve ny apostoly Jaona fa Andriamanitra i Jesosy?’ Izao tokoa no voalazan’ny Jaona 1:1, araka ny Fandikan-teny Protestanta: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” Misy miteny hoe ny tapany farany amin’io andinin-teny io no manaporofo fa Andriamanitra Hery Fara Tampony “ny Teny”, izay nateraka teto an-tany ho lasa Jesosy zazakely. Marina ve izany?

Hifanohitra amin’ilay fehezanteny eo alohany io tapany farany io, raha midika hoe i Jesosy ihany no Andriamanitra Hery Fara Tampony. Voalaza ao mantsy hoe: “Ny Teny tao amin’Andriamanitra”, na “niaraka tamin’Andriamanitra”, araka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy azo lazaina hoe ‘miaraka’ amin’ny olon-kafa ny olona iray, raha ny tenany ihany no iarahany. Asehon’ny Baiboly maro mazava tsara àry, fa samy hafa ny Teny sy ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony. Ireto, ohatra, no nandikan’ny Baiboly sasany an’io andininy io: “Karazana Andriamanitra ny Teny”, “ny Teny dia andriamanitra”, ary “tahaka an’Andriamanitra ny Teny.” *

Misy andinin-teny mitovy firafitra amin’ny Jaona 1:1 ao amin’ny Baiboly, rehefa jerena ny teny grika. Ilay teny hoe “andriamanitra” manomboka amin’ny “a” sora-madinika, no nampiasaina tao amin’izy ireo. Niantsoantso toy izao momba an’i Heroda Agripa I, ohatra, ny vahoaka: “Feon’andriamanitra izany.” Nolazain’ny olona fa “andriamanitra” koa i Paoly, rehefa nokaikerin’ny bibilava misy poizina nefa tsy maty. (Asan’ny Apostoly 12:22; 28:3-6) Mifanaraka amin’ny fitsipi-pitenenana grika sy ny fampianaran’ny Baiboly àry, ny fiantsoana ny Teny hoe “andriamanitra” fa tsy Andriamanitra.—Jaona 1:1.

Jereo koa ny fomba niresahan’i Jaona “ny Teny”, ao amin’ny toko voalohany amin’ny Filazantsarany. Hoy izy: ‘Tonga nofo ny Teny, ary nonina teo amintsika, ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra [tsy tahaka ny an’Andriamanitra fa] tahaka ny an’ny zanaka lahitokan’ny ray.’ Lasa nofo àry “ny Teny”, na i Jesosy, ka niaina teto an-tany, ary hitan’ny olona. Noho izany, dia tsy ho izy mihitsy ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony. Milaza mantsy i Jaona hoe: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.”—Jaona 1:14, 18.

Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Nahoana àry i Tomasy no nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Ry Tompoko sy Andriamanitro!”, rehefa nahita azy nitsangana tamin’ny maty?’ Araka ny efa voalaza tetsy aloha, dia antsoina hoe andriamanitra i Jesosy satria tahaka an’Andriamanitra. Tsy izy anefa no Ray. Vao avy niteny tamin’i Maria Magdalena izy tamin’io hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” Tsarovy koa ny antony nanoratan’i Jaona ny Filazantsarany. Raha vao avy nitantara momba an’i Tomasy i Jaona, dia nanazava fa nanoratra ny Filazantsarany izy ‘mba hinoan’ny olona fa i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra’, fa tsy Andriamanitra.—Jaona 20:17, 28, 31.

Iza no “andriamanitr’izao tontolo izao”?

Be dia be àry ny andriamanitra. Voalaza ao amin’ny Baiboly ny sasany, araka ny efa hitantsika. Niteny toy izao anefa ny olona fahiny, rehefa nahita ny herin’i Jehovah: “Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.” (1 Mpanjaka 18:39) Misy andriamanitra hafa iray manan-kery koa anefa. Hoy ny Baiboly: ‘Nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ny sain’ny tsy mino.’—2 Korintianina 4:4, Prot.

Nampitandrina ny mpianany intelo momba an’io andriamanitra io i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Nantsoiny hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” izy io. Nilaza izy fa “horoahina” io mpitondra mahery, na andriamanitra io. (Jaona 12:31; 14:30; 16:11) Iza izy io, ary inona ilay tontolo anjakany?

Tsy iza izy io fa i Satana Devoly, ilay anjely mpikomy. Nahoana isika no milaza izany? Tantarain’ny Baiboly fa rehefa naka fanahy an’i Jesosy i Satana, dia nasehony azy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny. Dia hoy izy taminy: ‘Homeko anao ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.’ ” (Matio 4:8, 9) Tsy ho fakam-panahy mihitsy io, raha zavatra tsy azy no natolotr’i Satana an’i Jesosy. Hoy mihitsy aza ny apostoly Jaona: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’—1 Jaona 5:19.

Tadidio fa nampanantena i Jesosy hoe: ‘Horoahina ilay mpitondra an’izao tontolo izao.’ (Jaona 12:31) Hesorina tokoa ity tontolo ity sy ny mpitondra azy, araka ilay tenin’ny apostoly Jaona hoe: “Mandalo izao tontolo izao.” Hoy anefa izy avy eo: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Andeha hojerentsika izao ny fikasana be voninahitr’ilay hany Andriamanitra marina, sy izay azontsika atao mba handraisan-tsoa amin’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ny Das Neue Testament, nadikan’i Ludwig Thimme; Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, nadikan’ny Vavolombelon’i Jehovah; Ny Baiboly—Fandikan-teny Amerikanina, nadikan’i J. Smith sy E. Goodspeed.

[Sary, pejy 8, 9]

Nantsoin’ny mponin’i Lystra hoe andriamanitra i Paoly sy Barnabasy

[Sary, pejy 8, 9]

Hoy i Jesosy tamin’i Maria Magdalena: ‘Miakatra ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo aho’