Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa i Jesosy Kristy?

Iza moa i Jesosy Kristy?

Iza moa i Jesosy Kristy?

ARAKA ny tantara azo itokisana, dia nisy lehilahy atao hoe Jesosy, teraka tany Betlehema, tanàna kely any amin’ny faritr’i Jodia, 2 000 taona mahery lasa izay. I Heroda Lehibe tamin’izay no mpanjaka tany Jerosalema, ary i Aogosto Kaisara no emperora tany Roma. (Matio 2:1; Lioka 2:1-7) Tsy niresaka firy momba an’i Jesosy ny mpahay tantara romanina tamin’ny taonjato roa voalohany, satria niezaka nanafoana ny fivavahana kristianina ny mpitondra romanina tamin’izany.

Hoy anefa ny boky Ny Tantaran’izao Tontolo Izao Nosoratan’ny Mpahay Tantara (anglisy): “Ny asan[’i Jesosy] no nisy vokany lehibe kokoa teo amin’ny tantara, raha oharina amin’ny zava-bitan’ny olo-malaza hafa rehetra. Miombon-kevitra amin’izany na dia ny olona tsy mpivavaka aza. Eken’ny firenena mandroso indrindra eran-tany, fa nisy vanim-potoana vaovao nanomboka tamin’ny fotoana nahaterahan[’i Jesosy].”

Resahin’ny gazety Fotoana (anglisy) fa i Jesosy no nanoratana boky betsaka indrindra noho ny olon-kafa rehetra. Ny foto-kevitra tena resahin’ny maro amin’ireo boky ireo dia hoe: Iza marina moa i Jesosy? Io angamba no foto-kevitra niteraka adihevitra be indrindra hatramin’izay.

Efa nisy nanontany momba azy taloha

Nilaza tamin’i Maria ilay anjelin’Andriamanitra atao hoe Gabriela, fa hanan-janaka izy, ary hataony hoe Jesosy ny anarany. Nanontany azy i Maria tamin’izay hoe: “Ahoana no hetezan’izany, nefa izaho tsy nanao firaisana tamin-dehilahy?” Hoy ilay anjely: “Ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.”Lioka 1:30-35.

Nanao fahagagana i Jesosy tatỳ aoriana, ka talanjona ny apostoliny. Nisy tafio-drivotra mahery, ohatra, indray andro, tany amin’ny Ranomasin’i Galilia, ka efa saika nilentika ny sambon’izy ireo. Nitsahatra anefa ilay tafio-drivotra, rehefa notenenin’i Jesosy mafy hoe: “Mangina! Mitonia!” Gaga be ny apostoliny, ka nanontany hoe: “Fa iza marina àry izy ity?”Marka 4:35-41; Matio 8:23-27.

Nanjary nanontany matetika momba an’i Jesosy ny olona tamin’ny androny. Nanontaniany àry ny apostoliny hoe lazain’ny olona ho iza izy. Izao no navalin’izy ireo: “Ny sasany milaza hoe Jaona Mpanao Batisa, ny hafa hoe Elia, ary ny hafa kosa hoe Jeremia na ny iray amin’ny mpaminany.” Efa maty anefa ireo olona ireo tamin’izany. Nanontany i Jesosy avy eo hoe: “ ‘Fa ianareo kosa milaza ahy ho iza?’ Namaly i Simona Petera hoe: ‘Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.’ ” Na ireo anjely ratsy fanahy atao hoe demonia aza, dia nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra.”Matio 16:13-16; Lioka 4:41.

Inona no nolazain’i Jesosy momba ny tenany?

Nilaza i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra izy, na dia nahalana aza izy vao nanao izany. (Marka 14:61, 62; Jaona 3:18; 5:25, 26; 11:4) “Ny Zanak’olona” kosa no niantsoany ny tenany matetika. Tiany hasongadina mantsy fa nateraka ho olombelona izy, ka tena olombelona. Te hilaza koa izy fa izy ilay “zanak’olona” hitan’i Daniela niseho teo anatrehan’ny “Fahagola”, na Andriamanitra Hery Fara Tampony.—Matio 20:28; Daniela 7:13.

Tsy nanambara teo anatrehan’ny olona rehetra i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra izy. Izy ireo kosa no navelany hiaiky ny amin’izany. Tsy ny apostoliny ihany anefa no niaiky, fa nisy hafa koa. Anisan’izany i Marta namany sy Jaona Mpanao Batisa. (Jaona 1:29-34; 11:27) Nino izy ireny fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. Nianarany koa fa anjely mahery niaina tany an-danitra izy taloha, ary nanao fahagagana Andriamanitra, ka namindra ny ainy ho ao an-kibon’i Maria virjiny.—Isaia 7:14; Matio 1:20-23.

Inona no nitovian’i Jesosy sy Adama, ilay lehilahy voalohany?

Nisy zavatra maro nitovian’izy ireo. Samy lehilahy lavorary tsy nanana ray olombelona, ohatra, izy ireo. (Genesisy 2:7, 15) Antsoin’ny Baiboly hoe “Adama farany” àry i Jesosy. Lehilahy lavorary toa an’ilay “Adama voalohany” fony izy noforonin’Andriamanitra mantsy i Jesosy, ka nety tsara natao “vidim-panavotana.”1 Korintianina 15:45; 1 Timoty 2:5, 6.

Antsoin’ny Baiboly hoe “zanak’Andriamanitra” ilay Adama voalohany. (Lioka 3:38) Tsy nanana intsony izany fifandraisana sarobidy tamin’Andriamanitra izany anefa izy, rehefa ninia nandika ny didiny. Tsy nivadika mihitsy tamin’ny Rainy any an-danitra kosa anefa i Jesosy, ka mbola Zanany foana, sady nankasitrahany. (Matio 3:17; 17:5) Resahin’ny Baiboly fa afaka mahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mino an’i Jesosy sy manaiky azy ho Mpamonjy.—Jaona 3:16, 36; Asan’ny Apostoly 5:31; Romanina 5:12, 17-19.

Misy anefa milaza fa tsy Zanak’Andriamanitra fotsiny i Jesosy, fa tena Andriamanitra mihitsy. Milaza izy ireo fa samy Andriamanitra Hery Fara Tampony izy sy ny Rainy. Marina ve izany? Andriamanitra koa ve i Jesosy? Nilaza izany ve izy, na ny mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly? Iza tokoa no hany Andriamanitra marina? Inona no nolazain’i Jesosy momba izany? Andeha hojerentsika.

[Efajoro/Sary, pejy 4]

Ilay Olona Be Mpahalala Indrindra

Efatra tamin’ny mpiara-belona tamin’i Jesosy no nanoratra ny tantaram-piainany, dia i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Mpiara-miasa akaiky taminy ny roa tamin’izy ireo. Ny Filazantsara no iantsoan’ny olona ny bokin’izy ireo, ary samy mitondra ny anarany avy. Efa misy amin’ny fiteny roa arivo mahery ny sasany. Matetika no akambana amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly ireo boky kely ireo. Be lavitra noho ny boky hafa rehetra ny isan’ny Filazantsara efa lafo, na mandeha irery ilay izy na mikambana amin’ny Baiboly manontolo. Tsy mahagaga àry raha i Jesosy no olona be mpahalala indrindra!

[Sary, pejy 3]

Nanontany ny apostoly hoe: “Fa iza marina àry izy ity?”