Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampanantena Inona “Ilay Hany Andriamanitra Marina”?

Mampanantena Inona “Ilay Hany Andriamanitra Marina”?

Mampanantena Inona “Ilay Hany Andriamanitra Marina”?

NAPETRAK’I Jehovah Andriamanitra tao amin’ny paradisa iray teto an-tany ny mpivady voalohany. Saha Edena no anaran’izy io. Nandidy azy ireo izy mba hanan-janaka sy ‘hampanompo ny tany.’ Tsy maintsy hanitatra ilay Paradisa àry izy ireo, rehefa mitombo ny taranany. (Genesisy 1:26-28; 2:15) Ho tanteraka ve, indray andro any, ny fikasan’Andriamanitra hoe hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona?

Ho tanteraka tokoa izany! Misy faminaniana toy izao ao amin’ny Baiboly: “Hofoanan[’i Jehovah] tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana” ary ‘hofafany ny ranomaso amin’ny tava rehetra.’ Rehefa hitranga izany, dia hiteny ny olona hoe: “Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.”—Isaia 25:8, 9.

Resahin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly ny ho fiainana eto an-tany, rehefa tsy ho eo intsony ity tontolo fehezin’i Satana ity. Izao no voalaza ao, momba ny “tany vaovao”, na ny olona tia an’Andriamanitra: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:1-4.

Fampanantenana tena tsara tokoa izany! Azo inoana ve anefa izany? Andeha isika hiresaka momba ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona sy ny fahagagana nataony. Hanampy antsika hino izany fa hotanterahin’Andriamanitra izay rehetra ampanantenainy.—2 Korintianina 1:20.

Nanome ny ainy ho vidim-panavotana i Jesosy

Nandova ota avy tamin’i Adama ny taranany rehetra, rehefa nampirisika azy tsy hankatò an’Andriamanitra sy hanota i Satana. Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” Izao anefa no tohin’io andininy io: ‘Ho tonga marina ny maro noho ny nankatoavan’ny olona iray [Jesosy, olona lavorary].’ (Romanina 5:12, 19) Araka ny noresahina tao amin’ny lahatsoratra voalohany, dia i Jesosy no ilay ‘Adama farany avy any an-danitra’, izay nanome ny ainy ho “vidim-panavotana ho takalon’ny maro.”—1 Korintianina 15:45, 47; Matio 20:28.

Izay rehetra mino azy àry dia hahazo “ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana”, ka ho afaka amin’ny ota sy hiaina mandrakizay. (Efesianina 1:7; Jaona 3:36) Tena faly isika satria lehibe tokoa ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra antsika olombelona, ka nomeny ny Zanany ho Mpamonjy antsika! (Lioka 2:10-12; Jaona 3:16) Hodinihintsika izao izay nataon’i Jesosy ho an’ny olona nijaly tamin’ny taonjato voalohany, mba hahazoantsika an-tsaina ny hoavy. Tena mahavariana ny zavatra nataony!

Taratry ny tontolo vaovao

Vitan’i Jesosy ny nanasitrana ny marary rehetra nentina teo aminy. Hainy nositranina daholo ny olona, na inona na inona aretiny na kilemany. Nanao fahagagana koa izy, ka namahana olona an’arivony tamin’ny trondro sy mofo vitsy monja, ary tsy indray mandeha izy no nanao izany.—Matio 14:14-22; 15:30-38.

Rehefa nampahiratin’i Jesosy ny mason’ny lehilahy iray jamba hatrany an-kibon-dreniny, dia niaiky ny mpiara-belona taminy sy ny olom-pantany fa tena fahagagana ilay izy. Tsy dia nino izany kosa anefa ny mpitondra fivavahana jiosy. Nampisaintsaina azy ireo àry ilay lehilahy nampahiratina hoe: “Mbola tsy re mihitsy hatrizay hatrizay hoe nisy nampahiratra mason’olona jamba hatrany an-kibon-dreniny. Koa tsy mahavita na inona na inona mihitsy izany lehilahy izany raha tsy avy amin’Andriamanitra.”—Jaona 9:32, 33.

Naniraka olona tany amin’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, mba hanamarina ny zavatra reny momba an’i Jesosy. Hoy ny Baiboly: “Tamin’izay ora izay i Jesosy dia nanasitrana olona maro tsy salama sy azon’aretina nampijaly ary nisy fanahy ratsy. Nampahiratra jamba maro koa izy.” Niteny tamin’ireo iraka àry i Jesosy hoe: “Lazao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: Mahiratra ny jamba, mandeha ny malemy, diovina ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty.”—Lioka 7:18-22.

Eritrereto izao: Raha efa nisy zavatra tsara toy izany nitranga taloha, tsy hatoky ve ianao fa mety hitranga indray izany? Nasehon’i Jesosy tamin’ny fahagagana nataony ny santionan’ny zavatra hataony, rehefa izy no ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Manaporofo koa izy ireny fa nirahin’Andriamanitra izy sady tena Zanak’Andriamanitra.

Ho tanteraka ara-bakiteny ireto faminaniana mahavariana ireto, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra: Hahiratra ny jamba, handre ny marenina, hitsambikina toy ny diera ny mandringa, ary tsy hisy intsony ny marary. Hiadana sy hilamina koa ny tany manontolo. Na ny biby masiaka aza dia tsy haninona ny olona intsony.—Isaia 9:5, 6; 11:6-9; 33:24; 35:5, 6; 65:17-25.

Tianao ve ny hiaina mandrakizay eo ambanin’ny fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa ho tanteraka ireo rehetra ireo? Nasehon’i Jesosy izay tsy maintsy ataonao, tamin’izy nivavaka tamin’ny rainy toy izao: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Enga anie ianao tsy hamela na inona na inona hanakana anao tsy hahazo io fahalalana manome fiainana io.

[Sary, pejy 10]

Izao no ampanantenain’Andriamanitra fa hataony amin’ny tany