Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Marary Tia Vazivazy

Marary Tia Vazivazy

Marary Tia Vazivazy

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

VEHIVAVY efa zokinjokiny i Conchi, ary miramirana foana. Fito taona anefa izay no voan’ny kanseran’ny nono izy, ary efa impito nodidiana mba tsy hihanaka eran’ny vatany ilay aretina. Ahoana no iatrehany izany?

Hoy izy: “Isaky ny milaza vaovao ratsy momba ny fahasalamako ny dokotera, ka tsapako fa te hitomany aho, dia mitomany be araka izay vitako aho mba hanalana ny alaheloko. Miezaka manao ny asako andavanandro aho avy eo, ary manao zavatra mahafinaritra ahy, toy ny mianatra teny sinoa, manatrika fivoriambe kristianina, ary mandeha vakansy miaraka amin’ny fianakaviako sy ny namako. Tadidiko foana ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?’ ”—Matio 6:27.

Hoy koa i Conchi: “Miezaka ny ho tia vazivazy foana aho, manao hatsikana amin’ny dokotera, mijery filma mampihomehy, ary indrindra indrindra miezaka mifandray tsy tapaka amin’ny namako sy ny havako. Tena mitondra hery vao ny fiarahana mihomehy amin’ny namana. Nisy namako sy havako nitantara zavatra nampihomehy tamiko indray mandeha, taloha kelin’ny nandidiana ahy. Zava-nitranga ny alina talohan’izay ilay izy. Tsipaky ny hehy aho, ka nanjary tony tanteraka rehefa nampidirina tany amin’ny efitra fandidiana.”

Tsy i Conchi ihany no nahatsapa hoe afaka manampy antsika hizaka aretina ny fitiavana vazivazy sy ny fijerena lafy tsaran-javatra. Manomboka miaiky koa ny mpitsabo ankehitriny, fa mampitony fanaintainana sy ahafahana miady amin’ny aretina izy io.

Mahasalama ny vatana sy ny saina

Tsy zava-baovao akory izany. Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka, telo arivo taona lasa izay: “Ny fo ravoravo, fanafody mandaitra tokoa.” (Ohabolana 17:22, Fandikan-teny Katolika) Hoy koa i Lope de Vega, mpanoratra espaniola tamin’ny taonjato faha-17: “Mino aho fa ho salama kokoa isika, raha tia vazivazy.” Be adin-tsaina anefa ny olona ankehitriny, ka toy ny hoe hazoniny ho an’ny tenany ny vazivazy, fa tsy resahiny amin’ny hafa. Toa mandroso be ny teknolojia, nefa mihena kosa ny vazivazy. Voalaza ao amin’ny boky Fahaizana Mivazivazy (espaniola), fa lasa toy ny milina na ordinatera ny olona ankehitriny. Indraindray dia variana amin’ny ordinatera izy, ka tsy mihomehy sy mitsikitsiky na manao fihetsika hafa.

Mahatonga ny marary hatanja-tsaina sy ho faly ary havitribitrika kokoa ny fitiavana vazivazy. Manam-pahaizana momba ny kansera sy ny fanafody mampitony fanaintainana ny Dr. Jaime Sanz-Ortiz. Nolazainy tao amin’ny lahatsoratra nosoratany vao haingana, fa “manamora ny fifampiresahana sy manatanjaka ny hery fanefitra [ny fitiavana vazivazy], ary manamaivana ny fanaintainana, ny fanahiana, ny tebiteby, ary ny fihenjanan-kozatra. Mahatonga ny saina hahay hamoron-javatra sy mahabe fanantenana koa izany.”

Tena mahasoa

Nahoana no fanafody tena mandaitra ny fitiavana vazivazy? Satria mahatonga antsika hijery ny lafy tsaran-javatra izy io, na dia tojo fahasahiranana aza isika. Nilaza i Sanz-Ortiz fa “mavitrika foana sy tsy vizana loatra ary tsy mitsetra tena isika, raha asiantsika vazivazy sy fihomehezana ny fiainantsika andavanandro.”

Mazava ho azy fa miovaova arakaraka ny olona sy ny kolontsaina, ny zavatra mampitsiky na mampihomehy. Hoy i Sanz-Ortiz: “Miankina amin’ny fomba fijerin’ny tsirairay no mahakanto ny zavatra iray na tsia, ary toy izany koa ny vazivazy.” Matetika anefa no ahafahana mifandray amin’olona sy mampitony tebiteby na fitaintainana ny vazivazy, na inona na inona firazanantsika na fanabeazana azontsika. Ahoana no hahatonga antsika ho tia vazivazy, raha tena manan-kery toy izany izy io?

Tsy tokony hifantoka be loatra intsony amin’ny olana mahazo antsika na ny aretintsika isika, fa hiezaka hankafy ny lafy tsaran’ny zava-mitranga tsirairay eo amin’ny fiainantsika. Tokony hiezaka mafy koa isika hisaina tsara, ka tsy hieritreritra zavatra tsy mitombina na tsy marina, izay vao mainka hanampy trotraka ny olana mahazo antsika. Ho tia vazivazy koa isika, raha mianatra mijery ny toe-javatra iray amin’ny lafiny samy hafa. Marina fa tsy voatery hihomehy na hitsiky foana isika. Hanampy antsika hiatrika ilay toe-javatra anefa ny fahitana ny lafiny mampihomehy amin’ilay izy. Hoy ihany i Sanz-Ortiz: “Mampivily vetivety ny saintsika tsy ho amin’ny fanahiantsika ny vazivazy, ary manova ny fomba fijerintsika an’ilay olana. ... Mahatonga antsika hahita vahaolana hafa izany.”

Mazava ho azy fa tsy fanafodin’ny zava-manahirana rehetra eo amin’ny fiainana akory ny fitiavana vazivazy. Matetika anefa izy io no hanampy antsika hatanja-tsaina sy hahay handanjalanja kokoa, rehefa misy olana. Niaiky i Conchi hoe: “Tsy vazivazy akory ny aretina, nefa tokony hiezaka ho tia vazivazy foana ianao. Eritreretiko ho toy ny zaridaina misy legioma isan-karazany ny fiainako, ary nampalahelo fa anisan’ny naniry tao koa ny aretiko. Ataoko eo amin’ny sisiny fotsiny anefa izy io, fa tsy avelako handrakotra ny zavatra hafa. Marina aloha fa tsy afaka milaza aho hoe sitrana ny kansera mahazo ahy, nefa mbola faly amin’ny fiainana aho, ary izay no tena zava-dehibe.”

[Sary, pejy 15]

Mampahery an’i Conchi i Felix vadiny, sy Pili rahavaviny