Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Te Hianatra Bebe Kokoa Momba ny Fivavahako Aho’

‘Te Hianatra Bebe Kokoa Momba ny Fivavahako Aho’

‘Te Hianatra Bebe Kokoa Momba ny Fivavahako Aho’

NASAINA namelabelatra foto-kevitra iray momba ny tantara i Ciara, ankizy 12 taona avy any Floride, Etazonia, tany am-pianarany. Nifidy foto-kevitra mahaliana momba ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Nazia izy. Hoy izy: “Nofidiko io foto-kevitra io, satria te hianatra bebe kokoa momba ny tantaran’ny fivavahako aho. Naniry hahalala izay tena niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny Famonoana Tambabe aho.”

Nanao fikarohana be dia be i Ciara. Nanamboatra piramida volomparasy vita tamin’ny hazo izy, mba hampisehoana ilay telozoro volomparasy famantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany am-ponja. Nasiana an’io telozoro io mantsy ny fanamian’izy ireo. Napetany teo amin’ilay piramida ny sary maromaro nisy fanazavana, sy ilay taratasy nosoratan’i Wolfgang Kusserow, taloha kelin’ny namonoana azy. Mampalahelo ilay taratasy nefa manatanjaka ny finoana.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1985, pejy 14.

Nasehon’i Ciara tsara hoe nanan-tsafidy ny Vavolombelona, fa tsy toy ireo mpigadra hafa. Nafahana izy ireo, raha nanao sonia taratasy iray milaza ny fialany tamin’ny finoany. Tsy nety nanao izany anefa ny ankamaroany, ka porofo izany fa tsy nivadika ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nilaza i Ciara fa nandray soa izy satria nifidy ilay loha hevitra. Tena nanampy azy hianatra zavatra betsaka momba ny fivavahany izy io. Hoy izy: “Nanana finoana matanjaka, izay nanampy azy ireo hiaritra ny fanenjehana nihatra taminy, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, na dia vitsy aza izy ireo tamin’izany.”

Misy fomba ahafahanao miresaka ny tantaran’ny fivavahanao koa ve any am-pianaranao, raha tanora Vavolombelon’i Jehovah ianao?