Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hampiasa Sary Masina ve Ianao Rehefa Mivavaka?

Tokony Hampiasa Sary Masina ve Ianao Rehefa Mivavaka?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tokony Hampiasa Sary Masina ve Ianao Rehefa Mivavaka?

MISY fety ara-pivavahana lehibe atao any amin’ny nosy grikan’i Tínos, isaky ny 15 Aogositra. An’arivony no miangona mba hivavaka amin’i Maria renin’i Jesosy sy ny sary masiny, izay inoan’izy ireo fa manan-kery mahagaga. * Hoy ny bokin’ny Ortodoksa Grika: “Omentsika voninahitra i Maria Virjiny, ilay Masina Indrindra, dia ny Renin’ny Tompontsika, satria tena mino azy isika. Mangataka koa isika mba harovany sy hampiany. Mitady fanampiana any amin’ireo Olo-masina, lahy sy vavy, mpanao fahagagana isika mba hahazoana izay ilaintsika ara-panahy sy ara-batana ... Sady mivavaka mafy isika no manoroka sy mankamasina ny relìkan’izy ireo sy ny sariny.”

Maro amin’ireo mitonona ho Kristianina no anisan’ny antokom-pivavahana mampiasa sary masina. Mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly ve anefa ny fampiasana sary masina rehefa mivavaka?

Ireo Kristianina voalohany

Diniho izay nitranga tamin’ny taona 50 tany ho any, rehefa nitsidika an’i Atena ny apostoly Paoly. Nantitranterina be ny fampiasana sary natao hivavahana, tao amin’io tanàna io. Nohazavain’i Paoly tamin’ireo Atenianina, fa Andriamanitra dia “tsy mba mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana. Ary tsy mila hokarakarain’ny tanan’olona izy ... Tsy tokony hihevitra an’Andriamanitra ho tahaka ny volamena na volafotsy na vato, na tahaka ny sokitra vitan’ny fahaizan’olombelona sy ny fahiratan-tsainy [àry isika].”—Asan’ny Apostoly 17:24, 25, 29.

Hita matetika ao amin’ny Soratra Grika Kristianina na Testamenta Vaovao, raha ny marina, izany fampitandremana momba ny fampiasana sary izany. Nilaza tamin’ny Kristianina, ohatra, ny apostoly Jaona hoe: “Mitandrema tena amin’ny sampy.” (1 Jaona 5:21) Hoy koa i Paoly tamin’ny Korintianina: “Inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?” (2 Korintianina 6:16) Maro tamin’ireo Kristianina voalohany no nampiasa sary, tamin’izy mbola tsy Kristianina. Nampahatsiahivin’i Paoly ny amin’izany ny Kristianina tany Tesalonika, ka hoy izy tamin’izy ireo: ‘Nialanareo ny sampy ka nitodika tany amin’Andriamanitra ianareo mba hanompoana Andriamanitra velona sady marina.’ (1 Tesalonianina 1:9) Tokony ho nitovy tamin’ny an’i Jaona sy Paoly, ny fiheveran’ireo Kristianina ireo ny fampiasana sary masina.

Lasa nampiasa sary masina ny “Kristianina”

Milaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), fa “nandritra ireo taonjato telo voalohany nisian’ny Fiangonana Kristianina ... dia tsy nanamboatra sary masina ny Kristianina, ary nanohitra mafy ny fampiasana azy ireny ny eglizy tamin’ny ankapobeny. Nokianin’i Clément avy any Aleksandria, ohatra, ny fanamboarana sary masina (sampy), satria nahatonga ny olona hivavaka tamin-javatra noforonina izany, fa tsy tamin’ny Mpamorona.”

Nahoana àry no lasa be mpitia ny fampiasana sary masina? Hoy ihany ilay rakipahalalana: “Nanomboka nekena sy nampiasaina teo anivon’ny Fiangonana Kristianina ny sary masina, tany antenatenan’ny taonjato fahatelo tany ho any. Nanohitra mafy an’izany anefa ny fiangonana sasany. Tsy nampiasaina tao am-piangonana àry ireny sary ireny, raha tsy efa lasa fivavahan’ny fanjakana romanina ny Fiangonana Kristianina, teo am-piandohan’ny taonjato fahefatra. I Constantin no emperora tamin’izay, ary teo vao lasa fanaon’ny Kristianina ny mampiasa azy ireny.”

Efa fanaon’ireo mpanompo sampy nilaza tena ho Kristianina, ny fivavahana amin’ny sarin’ny emperora. Hoy i John Taylor, tao amin’ilay bokiny hoe Sary Hoso-doko Masina (anglisy): “Nivavaka tamin’ny emperora ny olona tamin’izany, ka ny sariny natao hoso-doko teo amin’ny lamba na hazo no nivavahany. Tsy sarotra tamin’izy ireo àry ny nankamasina sary.” Ny sarin’i Jesosy, Maria, anjely, ary ireo “olo-masina” àry, no nasolo ireo sary hafa nivavahan’ny mpanompo sampy. Lasa nampiasaina sy nankamasinina tsikelikely tany an-tranon’ny olona an-tapitrisany ireny sary masina ireny, toy ny natao tany am-piangonana ihany.

Mivavaka “araka ny fanahy sy ny fahamarinana”

Nilaza tamin’ireo nihaino azy i Jesosy, fa tsy maintsy mivavaka “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” ny mpanompon’Andriamanitra. (Jaona 4:24) Tsy maintsy mandinika ny Tenin’Andriamanitra àry ny olona tso-po mitady ny fahamarinana, raha te hahazo fanazavana momba ny fampiasana sary masina.

Hita ao amin’ny Baiboly, ohatra, ny tenin’i Jesosy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Nilaza i Paoly fa “iray ny Andriamanitra ary iray ny mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia olona iray atao hoe Kristy Jesosy.” Nilaza koa izy fa ‘i Kristy no miangavy ho antsika.’ (1 Timoty 2:5; Romanina 8:34) Vao mainka misy heviny amintsika izany, rehefa mamaky isika fa “mahavonjy tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany koa izy, satria velona mandrakariva mba hiangavy ho azy ireo.” (Hebreo 7:25) Tokony hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy isika. Olon-kafa aza tsy mahasolo ny toerany, mainka fa ny sary tsy mananaina. Noho izany fahalalana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany, dia mahay mivavaka “amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana” ireo mitady ny fahamarinana, sady mandray soa avy amin’izany. Eny tokoa, ‘olona toy izany no tadiavin’ny Ray hivavaka aminy’, araka ny tenin’i Jesosy.—Jaona 4:23.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Sary ankamasinin’ny olona anisan’ny fivavahana iray mazàna no atao hoe sary masina. Any amin’ny Eglizy Ortodoksa Tatsinanana, ohatra, dia manondro an’i Kristy izy ireny, na ny Andriamanitra telo izay iray, na ireo “olo-masina”, na ny anjely, na i Maria renin’i Jesosy. An-tapitrisany ny olona manaja lalina ny sary, ka manao fihetsika mitovy amin’ny an’ireo mampiasa sary rehefa mivavaka. Mino sy manao toy izany koa ny fivavahana sasany tsy kristianina, ka mivavaka amin’ny sarin’ireo andriamaniny.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Boris Subacic/AFP/Getty Images