Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vitako ny Nanompo An’Andriamanitra na dia Sarotra Aza Izany

Vitako ny Nanompo An’Andriamanitra na dia Sarotra Aza Izany

Vitako ny Nanompo An’Andriamanitra na dia Sarotra Aza Izany

NOTANTARAIN’I IVAN MIKITKOV

“Hogadrainay indray ianao raha mbola mijanona eto.” Nandrahona ahy toy izany ny polisy iray tao amin’ny Komitin’ny Fiarovam-panjakana Sovietika (KGB). Vao avy nigadra 12 taona anefa aho. Narary mafy ny ray aman-dreniko, ary nila nikarakara azy ireo aho. Inona àry no ataoko?

TERAKA tao T̩aul eto Moldavia aho, tamin’ny 1928. Nankany Ias̩i any Romania i Alexander raiko, tamin’izaho herintaona. Nihaona tamin’ny Mpianatra Baiboly izy tany. Izany no niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Notantarainy tamin’ny fianakaviany sy ny mpiara-monina taminay izay nianarany, rehefa nody izy. Nisy olona vitsivitsy nianatra Baiboly tao T̩aul, tsy ela taorian’izay.

Efatra mirahalahy izahay, ary izaho no farany. Tia an’Andriamanitra sy nanome ohatra tsara ho ahy, ireo olona nifanerasera tamiko hatramin’ny fahazazako. Rehefa nandeha ny fotoana, dia hitako tsara fa ho sarotra ny hanompo an’i Jehovah, noho ny fanoherana aterak’izany. Tadidiko tsara fa imbetsaka ny polisy no nisava ny tranonay mba hahitana boky sy gazety ara-baiboly nafeninay tao. Tsy nampahatahotra ahy anefa izany. Nianarako tao amin’ny Baiboly mantsy fa na i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, sy ny mpianany aza dia nenjehina. Nampahatsiahivina matetika tany am-pivoriana koa fa tokony hanampo fanenjehana ny mpanara-dia an’i Jesosy.—Jaona 15:20.

Nahazo hery hiatrehana fanenjehana

Nisy taratasy iray novakina tamin’ny fiangonanay tao T̩aul, tamin’ny 1934. Niresaka ny fijalian’ireo rahalahy tany Alemaina Nazia ilay izy. Nampirisihina hivavaka ho azy ireo izahay. Tsy hadinoko mihitsy iny taratasy iny, na dia vao enin-taona aza aho tamin’izay.

Niharam-pitsapana voalohany aho, efa-taona tatỳ aoriana. Matetika no nanery ahy hiambozona lakroa ny pretra ortodoksa iray, mpampianatra taranja momba ny fivavahana. Tsy nety anefa aho. Nasainy nitondra lakroa daholo àry ny iray kilasy tamiko, mba hampisehoana fa mpiangona mazoto izy ireo. Nanondro ahy izy, sady nanontany hoe: “Tianareo hisy ankizy hoatran’io ve ato am-pianarana? Atsangano ny tanan’izay tsy tia.”

Natahotra an’ilay pretra ny mpianatra, ka nanangan-tanana daholo. Hoy izy avy eo: “Hitanao, tsy misy te hinamana aminao ny ankizy. Mialà amin’ity sekoly ity izao dia izao.” Tonga tany an-tranonay ny tale, rehefa afaka andro vitsivitsy, mba hiresaka tamin’ny ray aman-dreniko. Nanontaniany aho avy eo raha mbola te hianatra, ary nanaiky aho. Hoy izy: “Ho afaka hianatra ianao, raha mbola izaho no tale. Tsy afaka hanakana anao iny pretra iny.” Marina tokoa fa tsy nila vaniny tamiko intsony ilay pretra, nandritra ny fotoana niandraiketan’io tale io.

Nihamafy ny fanenjehana

Nipetraka tany Bessarabie izahay, ary nanjary anisan’ny faritra notantanan’ny Firaisana Sovietika izy io, tamin’ny 1940. Natao sesitany tany Siberia ireo olo-malaza sy mpanao politika tao, ny 13 sy 14 Jona 1941. Tsy anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy lasa malina kokoa izahay rehefa nivory sy nitory.

Notafihin’i Alemaina Nazia tampoka ny Firaisana Sovietika, tamin’ny faramparan’ny Jona 1941, na dia mpiray dina aza izy ireo taloha. Nalain’ny tafika romanianina indray i Bessarabie, taoriana kelin’izay. Teo ambany fitondrana romanianina indray àry izahay.

Nosamborina ireo Vavolombelona teny amin’ny tanàna nanodidina, ary voaheloka hiasa an-terivozona 20 taona ny ankamaroany. Tsy nety nanao miaramila tao amin’ny tafika romanianina mantsy izy ireo. Nampanantsoina tany amin’ny paositry ny polisy i Dada, ary nokapohina tsy nisy indrafo noho izy Vavolombelon’i Jehovah. Izaho kosa nalaina an-keriny tany am-pianarana ary noterena hiangona.

Nivadika ny rasa nandritra ny Ady Lehibe II. Vetivety dia azon’ny Sovietika ny tapany avaratr’i Bessarabie, tamin’ny Martsa 1944. Teo ambany fahefany ilay firenena manontolo, tamin’ny Aogositra. Tanora vao herotrerony aho tamin’izay.

Voantso ho miaramila tao amin’ny tafika sovietika daholo ny vatan-dehilahy salama tao an-tanàna, taoriana kelin’izay. Tsy nety nanao miaramila anefa ny Vavolombelona, ka voaheloka higadra folo taona. Nifarana ny Ady Lehibe II tamin’ny Mey 1945, rehefa resy i Alemaina. Mbola tany am-ponja anefa ny Vavolombelona maro teto Moldavia hatramin’ny 1949.

Fijaliana taorian’ny ady

Tratran’ny hain-tany i Moldavia, rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1945. Mbola nitaky vokatra be dia be tamin’ny tantsaha ihany anefa ny fitondrana sovietika. Nanjary maty mosary ny olona. Nahita faty maro nitsitra teny amin’ny arabe tao T̩aul aho, tamin’ny 1947. Maty i Yefim rahalahiko, ary nalemin’ny hanoanana nandritra ny herinandro maro aho ka nila tsy ho afa-nihetsika. Nifarana ihany anefa ny mosary, ary nanohy ny fitorianay indray izahay Vavolombelona mbola velona. Teny aminay aho no nitory, fa i Vasile zokiko fito taona kosa, teny amin’ny tanàna nanodidina.

Nanomboka nanara-maso akaiky anay ny manam-pahefana, rehefa nitory bebe kokoa izahay. Nosavain’ny fitondrana sovietika ny boky sy gazety tao an-tranonay ary nosamborina izahay, satria nitory sy tsy nety nanao politika na miaramila. Natao sesitany tany Siberia ny Vavolombelona sasany avy tamin’ireo fiangonana nanodidina, tamin’ny 1949. Lasa nitandrina bebe kokoa indray àry izahay rehefa nanompo.

Niharatsy ny fahasalamako tamin’izay. Nilaza ny dokotera tamin’ny farany, fa voan’ny tioberkilaozin’ny taolana aho, ka nasiana platira ny tongotro havanana tamin’ny 1950.

Natao sesitany tany Siberia

Nosamborina sy natao sesitany tany Siberia izahay mianakavy sy ny Vavolombelona sasany, tamin’ny 1 Aprily 1951. * Mbola nisy platira ny tongotro tamin’izay. Zara raha nisy fotoana niomanana, ka sakafo kely fotsiny no nentinay. Vetivety dia lany ilay vatsy.

Tapa-bolana izahay no teny ambony lamasinina. Tonga tao Asino any Tomsk izahay tamin’ny farany, ary navoaka toy ny omby. Nahafinaritra ny nifoka rivotra madio, na dia namirifiry be aza ny ririnina. Nitsonika ny ranomandry tamin’ny volana Mey, ka nentina sambo nankany Torba izahay. Tany amin’ny 100 kilaometatra no nisy an’io toby fikapana hazo io, tany amin’ny ala kesik’i Siberia, any atsimon’ny Tendrontany Avaratra. Niasa an-terivozona tao izahay, ary nilazana fa hijanona ao mandrakizay.

Narahi-maso akaiky foana izahay, na dia tsy nitovy aza ny asa mafy tao amin’ny toby fikapana hazo sy ny tany am-ponja. Natory tao anaty vagao ny fianakaviako, rehefa alina. Nanao trano tsotsotra izahay tamin’ny vanin-taona mafana, mba hipetrahanay rehefa ririnina. Tany ambanin’ny tany ny antsasany, ary ny tafony ihany no tazana avy etỳ ambony.

Tsy navela hiasa tany an’ala intsony aho noho ilay platira tamin’ny tongotro, fa nasaina nanamboatra fantsika. Afaka nandika ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy boky hafa ara-baiboly àry aho, nefa niafina. Nisy nampiditra an-tsokosoko tao amin’ny tobinay foana izy ireny, na dia avy tany amin’ny an’arivony kilaometatra, tany Eoropa andrefana aza.

Nosamborina sy nogadraina

Nalana ilay platira tamin’ny tongotro tamin’ny 1953. Nitandrina aho rehefa nandika boky sy gazety ary nanao ny fanompoako an’i Jehovah, nefa tratran’ny KGB ihany. Voaheloka higadra 12 taona àry izaho sy ny Vavolombelona vitsivitsy. Nahavita nitory momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany feno fitiavana anefa izahay, nandritra ilay fitsarana.

Nalefa an-jatony kilaometatra tany atsinanana kokoa izahay tamin’ny farany, dia tany amin’ireo toby samihafa tany akaikin’i Irkoutsk. Natao hanasaziana ireo noheverina ho fahavalon’ny Fitondrana Sovietika izy ireny. Nigadra tao amin’ny toby fiasana an-terivozona 12 toy ireny aho, nanomboka tamin’ny 8 Aprily 1954 ka hatramin’ny fiandohan’ny 1960. Nafindra tany amin’ny 3 000 kilaometatra tany andrefana indray aho taorian’izay, tany amin’ny toby lehibe tany Mordovie, any amin’ny 400 kilaometatra atsimoatsinanan’i Moscou. Afaka nifanerasera tamin’ireo Vavolombelona mahatoky avy tamin’ny faritra maro anisan’ny Firaisana Sovietika aho tany.

Hitan’ny Sovietika fa lasa Vavolombelona koa ny voafonja sasany rehefa avela hiaraka amin’ny Vavolombelona. Natokana àry izahay. Nisy toby fiasana an-terivozona maro nifanelanelana 30 kilaometatra na mahery mantsy, ilay toby lehibe tao Mordovie. Vavolombelona 400 mahery izahay no tao amin’ny toby nisy anay. Nisy anabavy 100, fara fahakeliny, tao amin’ny toby iray hafa tany amin’ny kilaometatra vitsivitsy avy teo.

Nazoto nandray anjara tamin’ny fandaminana fivoriana kristianina aho, ary koa tamin’ny fandikana boky sy gazety ara-baiboly nampidirina an-tsokosoko tao an-toby. Tratran’ny tompon’andraikitry ny toby izany. Voasazy higadra herintaona tany amin’ny Fonja Vladimir àry aho, tamin’ny Aogositra 1961. Nalaza ratsy izy io, ary tany amin’ny 200 kilaometatra avaratratsinanan’i Moscou no nisy azy. Nigadra tao koa i Francis Powers, mpanamory amerikanina. Voatifitra mantsy ilay fiaramanidina mpitsikilo nentiny tamin’izy nandalo an’i Rosia, tamin’ny 1 Mey 1960. Nafahana izy tamin’ny Febroary 1962.

Sakafo kely no nomena ahy tao amin’ny Fonja Vladimir. Aritro ihany ilay hanoanana satria efa niainako izany taloha. Tena tsy tantiko anefa ny ririnina namirifiry tamin’ny 1961-1962. Simba mantsy ny fantsona fanafanana tao amin’ny efitra nigadrako, ka vao mainka namanala tao. Hitan’ny dokotera fa nijaly be aho. Nataony àry izay namindrana ahy tany amin’ny efitra tsy dia nangatsiaka loatra, nandritra iny ririnina namirifiry iny.

Nampiana hiatrika zava-tsarotra

Nanantena ny tompon’andraikitry ny fonja fa ho kivy ny olona iray, rehefa migadra volana maromaro. Nivavaka tsy tapaka anefa aho, ary nahazo hery avy tamin’ny fanahin’i Jehovah sy ireo andinin-teny tadidiko.

Tao amin’ny Fonja Vladimir aho no tena nahita fa marina ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: ‘Voageja amin’ny lafiny rehetra, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.’ (2 Korintianina 4:8-10) Naverina tany amin’ilay toby lehibe tany Mordovie aho rehefa afaka herintaona. Tapitra tany ilay saziko 12 taona, tamin’ny 8 Aprily 1966. “Tsy laitra ovana” no niantsoan-dry zareo ahy rehefa nafahana aho. Ny tompon’andraikitry ny fonja indray no nampiharihary fa tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy aho.

Nanontaniana aho matetika hoe: Ahoana no nahazoanay sy nandikanay ireo boky sy gazety ara-baiboly tany amin’ireo fonja sy toby sovietika, na dia voarara aza izany? Nilaza ny gadra politika letonianina iray, fa vitsy no nahay ny tsiambaratelon’izany. Nigadra efa-taona tao amin’ny toby natokana ho an’ny vehivavy tao Potma izy. Nafahana izy tamin’ny 1966 ary nanoratra hoe: “Nahazo boky sy gazety betsaka foana ny Vavolombelona.” Hoy izy tamin’ny farany: “Toy ny hoe nisy anjely nandalo tamin’ny alina, ary nandatsaka azy ireny.” Tsy vitanay tokoa ny asanay raha tsy noho ny fanampian’Andriamanitra!

Fahafahana voafetra

Nasain’ireo niandraikitra ny asa fitoriana nifindra tany akaikin’i Moldavia, tany andrefan’i Ukraine aho rehefa nivoaka ny fonja, mba hanampy ireo rahalahy moldavianina. Voafetra anefa ny zavatra azoko natao satria nanara-maso ahy akaiky ny KGB, noho izaho vao nivoaka ny fonja. Natahotra ny higadra indray aho, ka nifindra tany amin’ny repoblika sovietikan’i Kazakhstan, roa taona tatỳ aoriana. Mahalana mantsy vao nisava karatra ny manam-pahefana tany. Nankany Artyomosk, any avaratry ny tanàna lehiben’i Donetsk, any Ukraine aho tamin’ny 1969, mba hikarakara ny ray aman-dreniko narary mafy. Tany no nandrahona ny handefa ahy indray tany am-ponja ilay polisy KGB, voatantara tetsy am-piandohana.

Nampitahotra ahy fotsiny ilay polisy. Tsy nisy porofo azony nitanana ahy mantsy. Nitsongo dia ahy foana ny KGB, satria tapa-kevitra ny hanao fanompoana kristianina aho sady hikarakara ny ray aman-dreniko. Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Dada sy Neny mandra-pahafatiny. Maty tamin’ny Novambra 1969 i Dada, fa i Neny kosa tamin’ny Febroary 1976.

Efapolo taona aho fony tafaverina tany Ukraine. Nisy tovovavy iray nantsoina hoe Maria teo anivon’ny fiangonana niarahako, rehefa nikarakara ny ray aman-dreniko aho. Natao sesitany tany Siberia, toa anay, izy sy ny ray aman-dreniny, tamin’ny fiandohan’ny Aprily 1951. Valo taona monja izy tamin’izay. Tiany, hono, ny feoko rehefa mihira aho. Lasa mpinamana izahay, ary nahita fotoana niarahana ihany na dia samy be atao teo amin’ny fanompoana aza, ka lasa nifankatia. Nanaiky hanambady ahy izy tamin’ny 1970.

Teraka i Lidia zanakay vavy taoriana kelin’izay. Nisy Vavolombelona taloha iray namadika ahy tany amin’ny KGB, tamin’ny 1983. Folo taona i Lidia tamin’izay, ary mpiandraikitra mpitety faritany tany atsinanan’i Ukraine aho nandritra ny folo taona teo ho eo. Nitondra vavolombelona nandainga teo anatrehan’ny fitsarana, ireo nanohitra ny asa kristianina. Voaheloka higadra dimy taona aho.

Tsy navela hifandray tamin’ny Vavolombelona hafa aho tany am-ponja. Tsy nisy afaka nanakana ahy tsy hifandray tamin’i Jehovah anefa, ary nanohana ahy foana izy nandritra ireny taona ireny. Afaka nitory tamin’ny voafonja hafa koa aho. Nafahana aho rehefa avy nigadra efa-taona. Tsy nivadika tamin’i Jehovah ny vady aman-janako nandritra izay fotoana izay, ary tafaraka indray izahay.

Niverina teto Moldavia

Nipetraka tany Ukraine nandritra ny herintaona izahay, ary niverina teto Moldavia taorian’izay. Nila rahalahy matotra sy za-draharaha hanampy azy mantsy ry zareo teto. Afaka nifindrafindra ny olona, satria tsy dia nisakana azy ireo ny mpitondra sovietika. Tonga tao Bălţi àry izahay tamin’ny 1988. Io no tanàna lehibe faharoa eto. Tao no nipetraka ry Maria, 37 taona lasa izay, talohan’ny sesitany. Nisy 375 teo ho eo ny Vavolombelona tao tamin’ny 1988, fa 1 500 mahery kosa ankehitriny! Mbola mpiandraikitra mpitety faritany tany Ukraine ihany aho, na dia nipetraka teto Moldavia aza.

Neken’ny Firaisana Sovietika ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Martsa 1991. Tsy nahomby ny Kominisma, ka olona an’arivony no diso fanantenana. Sahiran-tsaina sy tsy tena nanana fanantenana ny ankamaroan’ny olona. Maro àry ny olona tao amin’ny faritaninay no te hianatra ny fahamarinana ara-baiboly, rehefa nahaleo tena i Moldavia. Anisan’izany ireo mpanohitra taloha! Vitsy kely ny Vavolombelona tavela teto, taorian’ny sesitany tamin’ny 1951. Maherin’ny 18 000 anefa izy ireo ankehitriny, eto amin’ity firenena kely misy mponina 4 200 000 eo ho eo ity. Tsy tsaroanay intsony ireo fijalianay taloha, noho ireo zavatra mahafaly iainanay!

Niharatsy ny fahasalamako tany antenatenan’ireo taona 1990, ka tsy afaka nanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany intsony aho. Mahakivy ahy indraindray ny aretiko. Hitako anefa fa fantatr’i Jehovah izay ilaintsika mba hampaherezana antsika, ary omeny amin’ny fotoana tena ilantsika azy izany. Ho nifidy fomba fiaina hafa ve aho raha azo naverina indray ny tantara? Tsia. Tiako aza raha be herim-po sy nazoto kokoa tamin’ny fanompoana aho.

Tsapako fa nitahy ahy i Jehovah, ary mitahy ny mpanompony rehetra koa izy, na inona na inona zavatra iainan’izy ireo. Manana fanantenana tsara, sy finoana matanjaka isika. Matoky koa isika fa tsy ho ela dia hanana fahasalamana tonga lafatra ny rehetra, ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Nisy 7 000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fianakaviany nangonin’ny Sovietika, nandritra ny faran’ireo herinandro roa voalohany tamin’ny Aprily 1951. Avy amin’ny faritra andrefan’ny Firaisana Sovietika izy ireo, ary nentina lamasinina hatao sesitany tany Siberia, an’arivony kilaometatra tany atsinanana. Efa tetika maty paika ilay izy.

[Sary, pejy 20, 21]

Tranonay tany an-tsesitany tany Torba, Siberia, 1953. Dada sy Neny (havia), i Vasile rahalahiko sy ny zanany lahy (havanana)

[Sary, pejy 21]

Tany am-ponja, 1955

[Sary, pejy 23]

Anabavy kristianina tany Siberia, tamin’i Maria 20 taona teo ho eo (ambany havia)

[Sary, pejy 23]

Miaraka amin’i Lidia zanakay vavy

[Sary, pejy 23]

Tamin’ny mariazinay, 1970

[Sary, pejy 23]

Miaraka amin’i Maria ankehitriny