Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Nahoana no Tsy Milentika ny Masoandro Amin’ny Misasakalina?

Fa Nahoana no Tsy Milentika ny Masoandro Amin’ny Misasakalina?

Fa Nahoana no Tsy Milentika ny Masoandro Amin’ny Misasakalina?

“TSY milentika mihitsy hoe ny masoandro? Ahoana koa izany?” Misionera avy any Failandy nitory tany Papouasie-Nouvelle-Guinée aho, ary reko matetika ireo fanontaniana ireo. Mitovitovy foana ny halavan’ny andro any amin’ny tany mafana, na inona na inona fizaran-taona. Sarotra amin’ny mponina any àry ny mieritreritra hoe tsy milentika mandritra ny volana maro ny masoandro any amin’ny Tendrontany Avaratra. Vao mainka aza maro no gaga, rehefa nanazava aho hoe tsy miposaka mihitsy koa ny masoandro any, rehefa ririnina.

Ahoana àry no tsy mampilentika ny masoandro amin’ny misasakalina? Ny fitongilanan’ny tany no mahatonga io fisehoan-javatra mahatalanjona io. Mitongilana 23,5 degre foana ny tany, rehefa mihodidina amin’ny masoandro isan-taona. Noho izany, dia manatrika ny masoandro ny Tendrontany Avaratra rehefa fahavaratra, fa tsy tratran’ny masoandro kosa izy rehefa ririnina. Tadidio fa mihodina indray mandeha isan’andro ny tany. Eo amin’ny manodidina ny 21 Jona eo àry, dia tsy milentika mandritra ny indray andro maninjitra ny masoandro eo amin’ny faritra andalovan’ny faribolana mamaritra ny sisin’ny Tendrontany Avaratra. Toy izany koa fa misy andro iray ao anatin’ny taona tsy iposahany mihitsy, fa mba somambisamby kely fotsiny amin’ny mitataovovonana. Manodidina ny 21 Desambra eo izany no mitranga.

Rehefa akaikin’ny Tendrontany Avaratra ny toerana iray, dia betsaka kokoa ny andro tsy ilentehan’ny masoandro mihitsy rehefa fahavaratra, ary tsy iposahany mihitsy rehefa ririnina. Samy maharitra enim-bolana avy ny mazava sy ny maizina, any amin’ireo tendrontany. *

Mba manao ahoana ny torimason’ny mponina any amin’ny tendrontany, rehefa mazava foana ny andro amin’ny fahavaratra? Ary ahoana kosa no ataony rehefa maharitra amam-bolana ny haizina amin’ny ririnina? Tany amin’ny firenena sasany taloha, dia avo roa heny noho ny torimasony amin’ny fahavaratra, ny torimason’ny olona amin’ny ririnina. Maoderina kokoa anefa izao ny fomba fiainan’ny olona any, ka lasa mitovy ny halavan’ny fotoana atoriany isan’alina. Na izany aza dia mbola mahatonga ny olona any amin’ny faritra avaratry ny tany havitrika kokoa, ny andro lava amin’ny fahavaratra. Hoy i Patrick, mipetraka any Alaska: “Mbola tsy te hatory mihitsy aho, rehefa mazava be ny andro amin’ny 11 ora alina. Mandeha any an-tokotany aho indraindray, ary manapaka bozaka na manao raharaha hafa.”

Mety handreraka ny vatana sy ny saina anefa ny hazavana na ny haizina rehefa maharitra amam-bolana. Misakana ny hazavana tsy hiditra ao amin’ny efitra fatoriany àry ny olona sasany, rehefa mazava foana ny andro. Mampiasa jiro be indray izy mandritra ireo volana feno haizina. Mba hahatonga azy hatory tsara ara-dalàna no antony anaovany izany rehetra izany, ka tsy ho reraka loatra izy na ho ketraka. Miaiky anefa ny mponina sy ny mpitsidika fa tsy hay hadinoina ny fahitana ny masoandro amin’ny misasakalina, na eo aza izany zava-tsarotra izany.—Lahatsoratra nisy nanome.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Toy izany koa no mitranga any amin’ny Tendrontany Atsimo. Fahavaratra ny any, rehefa ririnina ny any amin’ny Tendrontany Avaratra.

[Kisary/Sary, pejy 31]

(Jereo ny gazety)

Mitongilana ny tany, ka izany no mahatonga ny tendrontany hazava foana rehefa fahavaratra, ary ho maizina foana rehefa ririnina (Ny any amin’ny Ila Bolantany Avaratra no aseho eto)

Fararano ←

● ● ● ● ●

Ririnina ● ◯ ● Fahavaratra

● ● ● ● ● Mihodina indray

mandeha isan’

→ Lohataona andro ny tany

[Sary, pejy 25]

Masoandro amin’ny misasakalina (sary nalaina tsikelikely ary natambatra)

[Sary nahazoan-dalana]

© Paul Souders/WorldFoto