Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita ao amin’ny pejy 27 ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Tamin’ny andron’i Solomona, inona ilay sambo nitondra volafotsy, ivoara, rajako, ary vorombola tany Israely? (1 Mpanjaka 10:22)

2. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa fantany izay niaretany, rehefa akaiky ho faty izy? (2 Timoty 4:7)

3. Inona ilay nofin’i Farao nohazavain’i Josefa, izay nilaza fa hisy mosary lehibe haharitra fito taona? (Genesisy 41:17-24)

4. Iza ireo vehivavy roa nampianatra an’i Timoty ny Soratra Masina? (2 Timoty 1:5)

5. Ahoana ilay fomba hafakely nahafatesan’i Absaloma, ary ahoana no nandevenana azy? (2 Samoela 18:9, 14-17)

6. Inona no karama omen’ny ota? (Romanina 6:23)

7. Inona ilay fampitomboana fomba filaza nampiasain’i Jesosy, mba hampisehoana fa sarotra amin’ny mpanankarena ny hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra? (Matio 19:24)

8. Iza ilay mpitondra romanina tany Jodia namela an’i Paoly hifatotra, satria te hahazo sitraka tamin’ny Jiosy? (Asan’ny Apostoly 24:27)

9. Inona ilay fomba fanaovana divay nolazain’i Jesosy, mba hanazavana amin’ny ohatra ny fandringanana an’ireo fahavalon’Andriamanitra? (Apokalypsy 19:15)

10. Tamin’ny fomba ahoana ary teo amin’ny inona no nanoratana ny Didy Folo tany am-boalohany? (Eksodosy 31:18)

11. Nirin’ny apostoly Paoly hihaingo tamin’ny fomba ahoana ny vehivavy kristianina? (1 Timoty 2:9)

12. Te hampiseho ny fahalehibeazan’i Jehovah i Isaia, ka nolazainy fa afaka mamatra “ny rano” amin’ny inona Izy? (Isaia 40:12)

13. Ahoana no niantsoana ny fonenan’i Adama sy Eva? (Genesisy 2:15)

14. Iza ireo zanak’i Jakoba roa lahy nahery setra ka tsy nankasitrahany? (Genesisy 49:5-7)

15. Iza no anaran’ireo renirano efatra nisampana avy tamin’ilay renirano nivoaka avy tao Edena? (Genesisy 2:11-14)

16. Inona no tokony hataon’ny Kristianina matotra, raha misy mpiray finoana aminy manao hadisoana nefa tsy mahafantatra izany akory? (Galatianina 6:1)

[Efajoro, pejy 27]

Valin’ny Fanontaniana

1. Sambon’i Tarsisy

2. Hoy izy: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho”

3. Ombivavy fito mahia nihinana ombivavy fito matavy, sy salohim-bary fito malazo nitelina salohim-bary fito vokatra

4. Eonika reniny sy Loisa renibeny

5. Voasaringotry ny hazo ny volony ka nihantona teo izy, ary teo no namonoan’i Joaba sy ireo mpitondra ny fiadiany azy. Natsipy tao anaty lavaka ny fatiny avy eo, ary nasiana antontam-bato lehibe teo amboniny

6. Fahafatesana

7. Hoy izy: “Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra”

8 Feliksa

9. Fanitsakitsahana ny famiazam-boaloboka

10. Nosoratan’ny “rantsan-tànan’Andriamanitra” teo amin’ny vato fisaka roa

11. “Amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena, fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy”

12. ‘Amin’ny felatanany’

13. Saha Edena

14. Simeona sy Levy

15. Pisona, Gihona, Hidekela ary Eofrata

16. “Hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy”