Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mila Manao Fanatanjahan-tena ve Ianao?

Tena Mila Manao Fanatanjahan-tena ve Ianao?

Tena Mila Manao Fanatanjahan-tena ve Ianao?

“Manaova fanatanjahan-tena indroa isan-kerinandro, raha te ho salama foana. Manaova fanatanjahan-tena 30 minitra isan’andro. Aza misotro toaka, mba tsy ho voan’ny kansera. Misotroa toaka, amin’izay ianao tsy dia hatahorana harary fo. Mahatsapa ho tototry ny torohevitra tsara ve ianao indraindray? Miteny zavatra iray ny gazety androany, ary zavatra hafa tanteraka, rehefa afaka herinandro. ... Nahoana ny mpahay siansa no tsy mety hitovy hevitra? Nahoana ny kafe no mampidi-doza amin’ny herinandro iray, nefa tsy mampaninona indray amin’ny herinandro manaraka?”—Barbara Brehm, manam-pahaizana sady mpampianatra fanatanjahan-tena.

MATETIKA ny manam-pahaizana no tsy mitovy hevitra eo amin’ny resaka sakafo sy fahasalamana. Sahiran-tsaina àry ny olona maro, satria be loatra ny fanazavana azony momba izay tokony hatao sy tsy tokony hatao, hahasalama azy. Ity anefa misy zavatra iray toa eken’ny mpahay siansa rehetra: Ilaina ny manao fanatanjahan-tena tsy tapaka sy voalanjalanja, raha te ho salama kokoa!

Tsy mampiasa vatana firy ny olona ankehitriny, ka lasa olana lehibe izany, indrindra any amin’ny tany mandroso. Fahiny, dia nanao asa mafy toy ny fambolena, fihazana, fanjonoana, ary fanorenana, ny olona maro tany amin’ireny tany ireny. Marina fa tena mafy ny fiainan’izy ireo, satria ny asa fivelomana fotsiny dia efa nilany herim-batana be. Izany mihitsy aza no nahatonga azy ireo tsy ho ela velona. Nilaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), fa “28 taona teo ho eo ny androm-piainan’ny olona tany Gresy sy Roma fahiny.” Lasa 74 taona teo ho eo anefa ny androm-piainan’ny olona any amin’ny tany mandroso, tamin’ny faran’ny taonjato faha-20. Inona no nahatonga izany fiovana izany?

Mahasoa sa tsia ny teknolojia?

Salama sy ela velona kokoa ny olona ankehitriny, raha oharina amin’ny olona tamin’ny taonjato maro lasa. Anisan’ny nahatonga izany ny fandrosoana be teo amin’ny teknolojia. Namorona fitaovana vaovao ny olona, ka niova ny fomba fanaovan-javatra. Maro ny asa mafy nanjary mora atao kokoa. Nanao fandrosoana be koa ny mpitsabo teo amin’ny ady amin’ny aretina, ka nihasalama ny ankamaroan’ny olona. Misy lafiny ratsy anefa ny fandrosoana.

Nahatonga ny olona maro tsy hampiasa vatana firy izy io, na dia nanatsara ny fahasalamana aza. Niresaka momba izany vao haingana ny Fikambanana Amerikanina Misahana ny Fahasalaman’ny Fo, tao amin’ny tatitra navoakany mitondra ny lohateny hoe Antontan’isa Eran-tany Momba ny Aretim-po. Izao no voalaza ao: “Niova ny fiainana noho ny fandrosoan’ny toe-karena, fitomboan’ny mponina an-tanàn-dehibe, fampiasana taozava-baventy, ary ny fanatontoloana. Nihabetsaka àry ny aretim-po.” Anisan’ny antony lehibe mahatonga izany, araka ilay tatitra, ny “tsy fampiasana vatana sy ny fihinanana sakafo tsy mahasalama.”

Vao 50 taona lasa fotsiny izay, dia niasa mafy teny an-tsaha niaraka tamin’ny omby sy angadinomby ny olona tany amin’ny tany maro, nandeha an-tongotra na nandeha bisikileta nankany an-tsena, ary nanamboatra ny simba tao an-tranony ny hariva. Hafa tanteraka noho izany anefa izao ny fiainan’ny zafikeliny. Mipetraka eo anoloan’ny ordinatera angamba izy mandritra ny andro, saika mandeha fiara foana any amin’izay toerana haleha, ary mijery tele ny hariva tontolo.

Hita tamin’ny fandinihana koa fa nandany 7 000 kalôria latsaka kely isan’andro ny mpikapa hazo soedoà, fahiny, rehefa nikapa hazo sy namindra izany. Efa masinina ary fomba kosa izao no manao ny ankamaroan’izany asa mafy izany, ka manara-maso ilay masinina sisa no ataony. Nanamboatra sy nikojakoja lalana tamin’ny lapika sy lapelina ny olona taloha. Bilidaozera sy fitaovana goavana hafa kosa izao no mandavaka sy mamindra ny tany, na dia any amin’ny firenena mahantra aza.

Mihabetsaka hatrany koa ny olona tsy mandeha bisikileta intsony any amin’ny faritra sasany any Chine, fa mandeha môtô skotera. Tsy mandeha mihoatra ny iray kilaometatra sy sasany ny ampahefatry ny olona any Etazonia, nefa mitondra fiarakodia ny ankamaroany amin’izany.

Nahatonga ny ankizy tsy hampiasa vatana firy koa ny teknolojia maoderina. Hita tamin’ny fandinihana, fa ‘mandany fotoana betsaka kokoa hanaovana lalao video izao ny ankizy, satria lasa toy ny tena izy sy mahafinaritra kokoa izy ireny.’ Mitombo koa ny fotoana lanin’ny ankizy hijerena tele sy hanaovana fialam-boly hafa tsy ampiasana vatana firy.

Ny voka-dratsiny

Nanjary niteraka olana teo amin’ny vatan’ny olona sy ny sainy ary ny fony ny tsy fampiasana vatana firy intsony. Niteny toy izao, ohatra, vao haingana, ny fikambanana iray any Grande-Bretagne misahana ny fahasalamana: ‘Mety tsy hatoky tena firy, hitebiteby kokoa, ary ho sorena kokoa ny ankizy tsy mampiasa vatana. Atahorana kokoa hifoka sigara sy hampiasa zava-mahadomelina izy ireo, raha oharina amin’ny ankizy mampiasa vatana. Tsy tonga miasa matetika kokoa ny mpiasa tsy mampiasa vatana, raha oharina amin’ireo mampiasa vatana. Tsy dia mahavita mihetsiketsika intsony izy ireny rehefa antitra, ka tsy manan-kery hamitana ny asa fanaony andavanandro. Tsy maintsy miantehitra amin’ny olon-kafa àry ny maro aminy. Tsy miasa tsara intsony koa ny sainy.’

Nilaza koa i Cora Craig, prezidàn’ny Fikambanana Kanadianina Mikaroka Momba ny Fahasalamana sy ny Fomba Fiaina, fa ‘tena tsy mampiasa vatana firy intsony toy ny taloha ny Kanadianina, rehefa miasa. Ny asa vatana mihitsy, amin’ny ankapobeny, no nihena.’ Hoy ny gazety kanadianina Gilaoby sy Taratasy (anglisy): “Matavy ny 48 isan-jato eo ho eo amin’ny Kanadianina, ka efa tafahoatra ny an’ny 15 isan-jato.” Milaza koa io gazety io fa tsy mampiasa vatana firy ny 59 isan-jaton’ny olon-dehibe any Kanada. Mampitandrina ny Dr. Matti Uusitupa avy any amin’ny Oniversiten’i Kuopio, any Failandy, fa “mitombo haingana ny isan’ny olona voan’ny diabeta sokajy 2 maneran-tany, satria mihabetsaka ireo matavy loatra sy tsy mampiasa vatana firy.”

Nanao fanadihadiana koa ny Profesora Tai-Hing Lam avy any amin’ny Oniversiten’i Hong Kong, vao haingana, ka nahita fa mety ho ny tsy fampiasana vatana no nahafaty ny 20 isan-jato teo ho eo tamin’ny olona 35 taona no ho miakatra tany an-toerana. Navoaka tao amin’ny Tantaran’ny Famantarana Valanaretina (anglisy) io fanadihadiana io tamin’ny 2004. Hita tamin’izy io koa fa “ny tsy fampiasana vatana no mety hiteraka voka-dratsy betsaka kokoa” eo amin’ny Sinoa any Hong Kong, “raha oharina amin’ny fifohana sigara.” Milaza ny mpikaroka fa hitranga any amin’ny faritra hafa any Chine koa izany.

Mitombina ve izany fanahiana izany? Mety hanimba ny fahasalamantsika mihoatra noho ny fifohana sigara tokoa ve ny tsy fampiasana vatana? Eken’ny besinimaro fa ambony tosidra kokoa ny olona tsy mampiasa vatana raha oharina amin’ireo mampiasa vatana. Atahorana kokoa ho tapaka lalan-dra izy, ho tratran’ny aretim-po sy kansera, halemy taolana, ary ho mora matavy loatra. *

Hoy Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy): “Mitombo tsy misy toy izany maneran-tany ny isan’ny olona matavy na matavy loatra, na dia any amin’ny faritra feno olona tsy ampy sakafo aza. Ny fihinanana sakafo be kalôria sy ny tsy fampiasana vatana firy no tena mahatonga izany, toy ny any Etazonia ihany.” Miombon-kevitra amin’izany ny Dr. Stephan Rössner, mpampianatra fomba fiaina mahasalama ao amin’ny Fikambanana Karolinska, any Stockholm, Soeda. Nilaza mihitsy izy hoe: “Mitombo ny isan’ny olona matavy loatra, any amin’ny firenena rehetra.”

Olana maneran-tany

Tena mila mampiasa vatana tsy tapaka sy araka ny antonony àry isika mba ho salama. Mbola betsaka ihany anefa ny olona zara raha mampiasa vatana, na dia efa fantatra tsara aza ny mety ho voka-dratsiny. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Misahana ny Fahasalaman’ny Fo, fa ny 60 ka hatramin’ny 85 isan-jaton’ny olona eran-tany no “tsy mampiasa vatana firy mba hahasalama azy, indrindra fa ny vehivavy sy ny ankizivavy.” Resahin’io fikambanana io koa fa “efa ho ny androatokon’ny ankizy no tsy mampiasa vatana firy mba hahasalama azy.” Tsy mampiasa vatana firy ny 40 isan-jato eo ho eo amin’ny olon-dehibe any Etazonia. Tsy manao fanatanjahan-tena mafy sy mitohy koa ny antsasany eo ho eo amin’ny tanora 12 ka hatramin’ny 21 taona any.

Nisy fandinihana natao koa tany amin’ny firenena eoropeanina 15, mba hijerena ny habetsahan’ny olona tsy mampiasa vatana, ka hita fa 43 isan-jato izany any Soeda, ary 87 isan-jato any Portogaly. Tokotokony ho 70 isan-jato kosa izany any São Paulo, Brezila. Nilaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) fa “tena mitovitovy ny antontan’isa momba ny fahasalamana voangona eran-tany.” Tsy tokony hahagaga antsika àry raha olona roa tapitrisa eo ho eo isan-taona no matin’ny aretina vokatry ny tsy fampiasana vatana.

Mampanahy ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana izany. Nanomboka nanao fandaharana isan-karazany àry ny fikambanana ara-panjakana maro, mba hampahafantarana ny vahoaka ny soa azo avy amin’ny fampiasana vatana araka ny antonony. Manantena ry zareo any Aostralia sy Etazonia ary Japon, fa hiakatra ho 10 isan-jato ny tahan’ny fampiasana vatana any aminy, amin’ny taona 2010. Manantena koa ry zareo any Ekosy fa hampiasa vatana tsy tapaka ny 50 isan-jaton’ny olon-dehibe any aminy, amin’ny taona 2020. Nanao tatitra koa ny OMS fa “anisan’ireo firenena nampirisika bebe kokoa ny mponina ao aminy hampiasa vatana i Meksika, Brezila, Jamaika, Nouvelle-Zélande, Failandy, Federasionan’i Rosia, Maroc, Vietnam, Afrika Atsimo, ary Slovenia.”

Isika tsirairay anefa no manana andraikitra voalohany hikarakara ny fahasalamantsika, na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana sy ny fikambanana misahana ny fahasalamana. Manontania tena hoe: ‘Mampiasa vatana imbetsaka ve aho? Ampy fanatanjahan-tena ve aho? Raha tsia, inona no azoko atao?’ Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay azonao atao mba hampiasana vatana bebe kokoa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Misy aretina mahafaty tena atahorana hanjo ny olona tsy mampiasa vatana. Atahorana kokoa hiakatra tosidra, na ho faty noho ny aretim-po sy ny fahatapahan’ny lalan-dra izy ireo, hoy ny Fikambanana Amerikanina Misahana ny Fahasalaman’ny Fo.

[Efajoro, pejy 4]

Vola Lany Noho ny Tsy Fampiasana Vatana

Tena manahy ny fitondram-panjakana maro sy ireo fikambanana misahana ny fahasalamana, satria vola be no lany noho ny tsy fampiasana vatana.

Aostralia - Vola 377 tapitrisa dolara eo ho eo isan-taona no lany itsaboana ny olona tsy mampiasa vatana, any Aostralia.

Kanada - Nilaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Misahana ny Fahasalaman’ny Fo, fa tao anatin’ny herintaona monja, dia vola 2 000 tapitrisa dolara mahery no lany nitsaboana ireo aretina “vokatry ny tsy fampiasana vatana”, tany Kanada.

Etazonia - Vola tsy toko tsy forohana, tamin’ny taona 2000, no lany nitsaboana ny olona tsy mampiasa vatana, any Etazonia. Nahatratra 76 000 tapitrisa dolara izany.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

Mila Mampiasa Vatana ny Ankizy

Hita vao haingana, fa mihabetsaka ny ankizy tsy mampiasa vatana tsy tapaka, indrindra fa ny ankizivavy. Toa tsy mampiasa vatana firy intsony ny ankizy rehefa mihalehibe. Ireto anefa ny soa sasany mety ho azony, raha manao izany tsy tapaka izy:

● Mihamatanjaka ny taolana sy ny hozatra, ary miasa tsara ny tonon-taolana

● Tsy mihamatavy na matavy loatra

● Tsy voan’ny aretina vokatry ny fiakaran’ny tosidra, na elaela vao mety ho voan’izany

● Tsy voan’ny diabeta Sokajy 2

● Matoky tena kokoa, ary tsy mitebiteby na sorena

● Lasa zatra mampiasa vatana, ka mety tsy ho kamo mihetsika rehefa lehibe

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Te ho Salama Kokoa ve Ianareo Zokiolona?

Voalaza fa vao mainka mety hahasoa anao ny fanatanjahan-tena tsy tapaka sy voalanjalanja, arakaraka ny itomboan’ny taonanao. Tsy te hanao izany anefa ny zokiolona maro, satria matahotra ny haratra na harary. Marina fa tokony hanatona dokotera izy ireo alohan’ny hanaovana fanatanjahan-tena mafy. Mino anefa ny manam-pahaizana fa tena manatsara ny fiainan’ny zokiolona ny fampiasana vatana. Ireto avy ny soa ho azony, raha manao izany tsy tapaka izy:

● Miasa tsara ny saina

● Tsy mora mianjera, ary tsy sahirana rehefa mihetsika

● Be fanantenana

● Mora sitrana rehefa marary na maratra

● Miasa tsara ny vavony sy ny tsinay ary ny aty

● Mety tsara ny fandevonan-kanina

● Miasa tsara ny hery fanefitra

● Matanjaka ny taolana

● Mitombo ny hery