Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tokony Hireharehanareo Izany’

‘Tokony Hireharehanareo Izany’

‘Tokony Hireharehanareo Izany’

ZAVA-DEHIBE amin’ny tena mpanompon’Andriamanitra ny manao ny marina, satria tiany ny Mpamorona azy. Jereo, ohatra, ny amin’i Lázaro. Nahita vola 70 dolara, latsaka teo amin’ny toerana fandraisana olona izy, tamin’izy mbola niasa tao amin’ny hotely iray any Huatulco, Meksika. Nomeny ny tompon’andraikitra avy hatrany ilay izy. Nahita poketra tao amin’ny efitra fandroana iray koa izy, taoriana kelin’izay, ary nateriny tany amin’ny toerana fandraisana olona. Sady faly no gaga ny tompon’ilay poketra rehefa nahita azy io.

Nanaitra ny sain’ny tompon’ilay hotely izany, ka nanontaniany an’i Lázaro ny antony namerenany an’ilay vola sy poketra. Nolazain’i Lázaro taminy, fa ny toro lalana nianarany tao amin’ny Baiboly no nisakana azy tsy haka zavatr’olona. Nanoratra taratasy fankasitrahana toy izao ho an’i Lázaro àry ilay tompon’ny hotely: “Tsy fahita firy ankehitriny ny olona manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony, ka mahate hidera ny fihetsikao. Hita fa olo-marina ianao, ary fakan-tahaka ho an’ny mpiara-miasa aminao. Tokony hireharehanao sy ny fianakavianao izany.” I Làzaro no voafidy ho mpiasa filamatra tamin’izay.

Nihevitra ny mpiara-miasa sasany taminy, fa tsy tokony ho naverin’i Lázaro ilay vola sy poketra. Nidera ny toetrany anefa izy ireo, rehefa nahita ny nataon’ilay mpampiasa.

Ampirisihin’ny Baiboly ny Kristianina mahatoky, mba “hanao soa amin’ny rehetra” sy “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.” (Galatianina 6:10; Hebreo 13:18) Azo antoka fa manome voninahitra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra “marina sy mahitsy” voalazan’ny Baiboly izy ireo, rehefa manao ny marina.—Deoteronomia 32:4.