Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Hetraketraka ao Amin’ny Internet

Ilain’ny tanora maro ny telefaonina entin-tanana sy Internet mba hifandraisany amin’olona. “Mety handrava fihavanana koa anefa ireo fitaovana ireo”, satria ampiasain’ny sasany handefasana hafatra hampijaliana ny hafa, hoy ny gazety Maclean’s any Kanada. Lazainy koa fa “ny ampahefatry ny tanora mampiasa Internet any Kanada no nilaza fa naharay hafatra feno hasomparana.” Nampahatsiahivin’ny polisy àry fa efa heloka bevava ny mandrahona hamono olona, na dia an-tsoratra aza. Ampirisihin’ilay gazety ny ray aman-dreny hiresaka amin’ny zanany momba ny olona ifandraisany sy izay jereny ao amin’ny Internet, ary hametraka ny ordinatera eo amin’ny toerana talaky maso, mba ho mora ny hanara-maso izay vakin’ny ankizy sy izay hafatra alefany. Nampitandremana koa ny ankizy tsy hamaly ny hafatra alefan’ireny mpihetraketraka ireny. Tsy tokony “holazainy amin’iza na iza, ary na amin’ny namany akaiky indrindra aza”, ny mot-de-passe-ny ao amin’ny Internet, mba tsy hisy hanaparitaka ny tsipiriany momba ny fiainany.

Mihabetsaka ny Olana Rehefa Mihabetsaka ny Fiara

“Lasa betsaka kokoa noho ny bisikileta ny fiara eto Chine”, hoy ny gazety China Daily. Raha 120 isaky ny olona 1 000 ny isan’ny fiara eran-tany, dia 20 isaky ny olona 1 000 ny any Chine. Heverina fa hitombo be ny isan’ny fiara any, amin’ny hoavy. Hihatsara ny fiainan’ny olona maro raha mahazo fiara izy, hoy i Chen Qingtai, tale lefitra ao amin’ny Foibem-pikarohana Momba ny Fandrosoana any Chine. Tsinjony sahady anefa ny olana haterak’izany, ka hoy izy: “Tsy ny arintany intsony no tena handoto ny tanàn-dehibe fa ny fiara, raha tsy haintsika ny mampihena ny setroka avoakany.” Ny fiara aza no efa tena mpamoaka gaza maloto (oksida-na karbonina sy oksida-na nitirôzenina), any amin’ny tanàn-dehibe sasany any Chine. Misy ezaka atao izao hampihenana ny fandotoana ny tontolo iainana, alohan’ny Lalao Olympika 2008 any Beijing.

Nanambady Tsy Sazoka

Vehivavy 3 000 mahery no voafitaka tatsy Afrika Atsimo ka “nanambady” tsy sazoka, hoy ny gazety Sowetan ao Johannesburg. Nambakaina ny sasany, ka nanao sonia taratasy izay noheveriny fa fifanekena momba ny asa. Hay sora-piankohonana ilay izy! Afaka mipetraka maharitra atsy Afrika Atsimo ilay vahiny “maka vady azy”, rehefa mahazo io taratasy io. Mety tsy ho tsikaritr’i “madama” izany, raha tsy rehefa mila manao kara-panondro vaovao izy satria very ilay teo aloha. Eo vao hitany fa niova ny anarany. Rehefa hisora-panambadiana mihitsy aza angamba izy vao ho gaga hoe efa manambady! Mety ho sarotra be ny manafoana ilay “fanambadiana.” Nahavita izany anefa ny 2 000 teo ho eo tamin’ireo vehivavy vita mariazy tsy nahy. Mba hiadiana amin’izany fanambakana izany, dia nisy lalàna navoaka milaza fa tsy mahazo mangataka hipetraka maharitra ao Afrika Atsimo ny lehilahy manambady vehivavy avy ao, raha tsy dimy taona aorian’ny nanambadiany.

Zavatra Tsy Fahita Firy

Nisy arkeology nahita firavaka sy zavatra hafa, tao anaty lava-bato tsy lavitra ny Ranomasina Maty. Mety ho efa 2 500 taona no nisian’ireo zavatra ireo, izany hoe tamin’ny fotoana nodian’ny Jiosy an-tanindrazana, taorian’ny sesitany tany Babylona. Nampiasa masinina fikarohana metaly ireo arkeology avy ao amin’ny Oniversite Hebreo any Jerosalema, sy ny Oniversite Bar Ilan any Ramat Gan. Ireto avy no anisan’ny zava-tsarobidy hitany, hoy ny Associated Press: Fitaratra kely halimo, firavaka kely volafotsy, rojo volamena, vakana vatosoa maromaro, meday babylonianina vita amin’ny vato agata, ary fitomboka misy sarina mpisorona babylonianina miankohoka amin’ny volana. “Mahalana ny arkeology vao mahita zava-tsarobidy maro nisy tamin’izany fotoana izany”, hoy i Tsvika Tsuk, lehiben’ny arkeology ao amin’ny fikambanana iray mpiaro ny natiora any Israely.

Mety ho Tapaka Lalan-dra koa ny Ankizy

Milaza ny gazety Vancouver Sun fa “ankizy iray isan’andro, fara fahakeliny, no tapaka lalan-dra any Kanada.” Tsy maintsy tsaboina avy hatrany ireny ankizy ireny, hoy i Gabrielle deVeber, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra, fa raha tsy izany dia “ho ratsy kokoa ny hahazo azy amin’ny manaraka, ary hiteraka fahavoazana bebe kokoa ao amin’ny atidohany izany.” Tsy maintsy omena “fanafody mampikoriana ny ra mivaingana ilay ankizy, ao anatin’ny adiny telo aorian’izy tapaka lalan-dra”, hoy ilay gazety. “Matetika [anefa] no heverina ho mifanintona na marary andoha be” fotsiny ny ankizy tapaka lalan-dra. Ireto àry no famantarana ny olona tapaka lalan-dra, araka ilay gazety: “Ngoly na malemilemy ny vatany, indrindra ny ilany iray. Tsy mahavita mieritreritra sy miteny tsara izy, ary tsy mahita, fanina, sady marary andoha be tampoka.” Mety hahatapaka lalan-dra ny ankizy, ny fanafody sasany itsaboana aretim-po sy kansera. Misy koa manam-pahaizana mihevitra fa mety ho tapaka lalan-dra ny ankizy, raha “diso matavy loatra na mihinana sakafo matavy be.”

Sakafo Voaloto

Misy zavatra simika mampidi-doza ao anatin’ny sakafo fihinan’ny olona any Azia Atsimo, hoy ny gazety The Hindu any Inde. Izany no vokatry ny fikarohana nataon’ny Toxics Link, fikambanana mpiaro ny tontolo iainana. Ny sakafo mahazatra toy ny hena sy zavamanitra ary menaka, dia nahitana zavatra raran’ny lalàna na ferany ny fampiasana azy. Miparitaka ny zavatra sarotra potehina toy ny polychlorobiphényles (PCB), angamba avy teny amin’ny toerana fandravana sambo, sy avy amin’ireo fitaovana elektronika efa tonta nariana tetsy sy teroa, nohafarana talohan’ny nandrarana ny PCB. Nahitana DDT koa ny legioma sy trondro maina. Maromaro ny fifanekena iraisam-pirenena efa natao mba hampihenana ireny zavatra mampidi-doza ireny. Kanefa rehefa natao ny fitiliana ny ra sy tavy ary ronono avy amin’ny olombelona, dia nahitana zavatra manimba be dia be tao anatiny (DDT, hexachlorobenzène, aldrine, dieldrine, dioxine, furanes, PCB).

Nanova Tanteraka ny Fiaraha-monina ny Basy

“Mihamaro ny fitaovam-piadiana, indrindra fa ny basy sy ny grenady”, hoy ny gazety The Independent any Londres. “Olona iray isa-minitra no maty vokatr’izany, izany hoe olona 500 000 mahery isan-taona [eran-tany].” “Bala 16 000 tapitrisa no novokarina tamin’ny 2001, ary ampy hitifirana indroa ny mponina eran-tany izany.” Basy valo tapitrisa eo ho eo no vokarina isan-taona, ary olon-tsotra no mampiasa ny ankamaroan’izy ireny. “Azo lazaina ho nilamina ihany ny fiaraha-monina taloha, ary totohondry sy antsy no nandaminana ny tsy fifanarahana tamin’izany”, hoy ny fikambanana Amnesty International sy Oxfam ary ny fikambanana iray miady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana. Nambarany anefa fa “nanova tanteraka ny fiaraha-monina ny basy” ankehitriny. Basy no atao vola, any amin’ny firenena iray. Grenady no natao karaman’ny lehilahy nampianatra teny anglisy ramatoa be iray, tany amin’ny tany iray hafa. Misy aza firenena nahitana “zaza nomena anarana hoe ‘Uzi’ sy ‘AK’, satria ireo no anaram-basy tian’ny rainy indrindra.”